Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA (FIANARANA) MEY 2014

Miezaha ho Tsara Fanahy Amin’ny Olona Itorianao

Miezaha ho Tsara Fanahy Amin’ny Olona Itorianao

Izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo . . . dia mba ataovy aminy koa.”MAT. 7:12.

1. Misy vokany amin’ny olona itoriantsika ve ny fomba itondrantsika azy? Manomeza ohatra. (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

NANASA olona hanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy ny mpivady iray tany Fidji, taona vitsivitsy lasa izay. Nirotsaka ny orana rehefa niresaka tamin’ny vehivavy iray teo an-tokotany izy ireo. Nampindrana elo an’ilay vehivavy ilay rahalahy ary niara-nielo tamin’ny vadiny izy. Faly izy mivady fa nanatrika ny Fahatsiarovana ilay vehivavy. Niaiky ilay vehivavy fa tsy tsaroany loatra ny zavatra nolazain’ilay mpivady. Nahagaga azy anefa ny hatsaram-panahin’izy ireo ka tonga tamin’ny Fahatsiarovana izy. Nahoana no nisy vokany tsara ny fitorian’izy mivady? Nanaraka ny fitsipika nomen’i Jesosy ao amin’ny Matio 7:12 izy ireo.

2. Inona no fitsipika nolazain’i Jesosy ao amin’ny Matio 7:12, ary ahoana no ampiharantsika azy io?

2 Hoy i Jesosy ao amin’ny Matio 7:12: ‘Izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo dia mba ataovy aminy koa.’ Ahoana no azontsika ampiharana an’io fitsipika io? Voalohany, tokony hieritreritra isika hoe: ‘Inona no tiako hatao amiko, raha izaho no eo amin’ny toeran’io olona io?’ Faharoa, mila miezaka mafy isika mba hanao zavatra mifanaraka amin’izany.1 Kor. 10:24.

3, 4. a) Nahoana no tsy amin’ny mpiara-manompo ihany isika no tokony hampihatra ny Matio 7:12? b) Inona no hodinihintsika ato amin’ity lahatsoratra ity?

 3 Matetika isika no mampihatra ny Matio 7:12 rehefa mifandray amin’ny mpiara-manompo. Tsy nilaza anefa i Jesosy hoe amin’ny mpiray finoana ihany isika no mila mampihatra azy io. Niresaka ny fomba tokony hitondrantsika ny olona rehetra izy ao amin’io andininy io, ary tafiditra amin’izany ny fahavalontsika. (Vakio ny Lioka 6:27, 28, 31, 35.) Raha amin’ny fahavalo aza isika tokony ho tsara fanahy, koa mainka fa amin’ny olona itoriana. Maro amin’izy ireny mantsy no mety ‘hanana toe-po tsara mba hahazoana fiainana mandrakizay.’—Asa. 13:48.

4 Misy fanontaniana efatra hodinihintsika izao. Tokony hataontsika an-tsaina izy ireto rehefa manompo isika: Iza ilay olona iresahako? Aiza ilay toerana iresahako aminy? Rahoviana no fotoana tsara indrindra iresahana aminy? Ahoana no fomba tokony hiresahako aminy? Hanampy antsika ireo fanontaniana ireo mba hihevitra ny fihetseham-pon’ny olona itoriantsika sy hampifanaraka ny resatsika amin’izany.—1 Kor. 9:19-23.

IZA ILAY OLONA IRESAHAKO?

5. Inona no fanontaniana tokony hoeritreretintsika rehefa mitory?

5 Samy manana ny maha izy azy ny olona tsirairay itoriantsika. Samy manana ny fomba nanabeazana azy sy ny olana mahazo azy izy ireny. (2 Tan. 6:29) Eritrereto àry izao rehefa mitory ianao: ‘Raha izaho ilay olona itoriana, inona no tiako hataon’ilay mpitory amiko? Tiako ve raha mitsaratsara ahy izy nefa tsy mahalala ahy akory? Sa tiako kokoa raha miezaka izy mba hahafantatra ahy tsara?’ Hanampy antsika ireo fanontaniana ireo mba hitadidy fa ilaina ny mihevitra ny olona tsirairay itoriantsika.

6, 7. Inona no tokony hataontsika raha hoatran’ny hoe masiaka ny olona itoriantsika?

6 Tsy misy olona faly raha tonga dia tsaraina hoe ratsy toetra. Haka ohatra isika: Miezaka mafy isika Kristianina mba hilaza “teny mahafinaritra” foana. (Kol. 4:6) Tsy lavorary anefa isika ka mety hilaza zavatra anenenantsika. (Jak. 3:2) Mety hahateny zavatra manafintohina isika, noho izay nanjo antsika nandritra ny andro. Tsy tiantsika anefa raha tonga dia tsaraina isika hoe tsy mahalala fomba na masiaka. Tiantsika kosa raha mahatsapa ny manjo antsika ny olona. Tsy tokony hiezaka hahatsapa izay manjo ny hafa koa ve isika?

7 Aza tonga àry dia mieritreritra hoe ratsy fanahy ny olona itorianao, raha hoatran’ny hoe masiaka izy. Sao dia misy mampiady saina azy any am-pianarana na any am-piasana? Sa izy marary mafy? Matetika ny olona no lasa mandray tsara, rehefa malemy fanahy sy manaja azy ny mpitory, na dia tezitra aza izy amin’ny voalohany.—Ohab. 15:1; 1 Pet. 3:15.

8. Nahoana isika no tsy tokony hisalasala hitory amin’ny “karazan’olona rehetra”?

8 Olona isan-karazany no mandray soa amin’ny fitoriantsika. Manamarina an’izany ilay andian-dahatsoratra hoe “Manova Olona ny Baiboly”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana. Tantaran’olona 60 mahery no efa nivoaka tao amin’izy io, tato anatin’ny taona vitsivitsy. Tao ny mpangalatra, ny mamo lava, ny jiolahy, ny mpifoka rongony, ny mpanao politika, ny mpitondra fivavahana, na ny olona tsy niraharaha afa-tsy ny asany. Nisy koa naloto fitondran-tena. Nandre ny vaovao tsara anefa izy rehetra ka nanaiky hianatra Baiboly, niova, ary lasa mpanompon’i Jehovah. Tsy mety àry ny mitsaratsara olona ka mieritreritra hoe tsy hanaiky ny fahamarinana mihitsy  izy. (Vakio ny 1 Korintianina 6:9-11.) Mila mitadidy kosa isika fa mety hanaiky ny vaovao tsara ny “karazan’olona rehetra.”1 Kor. 9:22.

AIZA ILAY TOERANA IRESAHAKO AMINY?

9. Nahoana isika no tokony hanaja ny tranon’ny olona?

9 Any an-tranon’ny olona isika matetika no mitory aminy. (Mat. 10:11-13) Faly isika rehefa manaja ny tranontsika sy ny fananantsika ny olona. Sarobidy amintsika mantsy ny tranontsika. Tiantsika raha mahatsiaro ho voaro sy tsy voahelingelina isika ao. Tokony hanaja ny tranon’ny olona koa isika. Mila mieritreritra àry isika rehefa mitory isan-trano hoe: ‘Manaja ny tranon’ny olona ve aho?’—Asa. 5:42.

10. Inona no tokony hotandremantsika, mba tsy hampahatezitra ny olona itoriantsika?

10 Tsy matokitoky olon-tsy fantatra ny olona maro, satria betsaka ny heloka bevava. (2 Tim. 3:1-5) Mila mitandrina àry isika mba tsy hahatonga ny olona hiahiahy antsika. Aoka hatao hoe manatona trano iray ianao ary mandondòna eo am-baravarana. Tsy misy mamaly anefa. Mety ho te hitsikilo eo am-baravarankely ianao na handehandeha eran’ny tokotany, mba hahitana olona. Mety hahatezitra an’ilay tompon-trano ve izany, ao amin’ny faritaninareo? Inona no mety hoeritreretin’ny mpifanolo-bodirindrina aminy? Marina fa tokony hanao tsara ny asa fitoriana isika. (Asa. 10:42) Maniry mafy hitory ny vaovao tsara isika, ary antony tsara no mandrisika antsika hanao izany. (Rom. 1:14, 15) Mila mitandrina anefa isika mba tsy hanao zavatra mety hahatezitra ny olona. Hoy ny apostoly Paoly: “Tsy manao izay hahatafintohina olona mihitsy izahay, mba tsy hanomezan-tsiny ny fanompoanay.” (2 Kor. 6:3) Mety ho liana amin’ny fahamarinana ny olona sasany, rehefa mahita fa manaja ny tranony sy ny fananany isika.Vakio ny 1 Petera 2:12.

Aoka isika hanaja ny olona sy ny fananany (Fehintsoratra 10)

RAHOVIANA NO FOTOANA TSARA INDRINDRA IRESAHANA AMINY?

11. Nahoana isika no faly rehefa mihevitra ny fotoanantsika ho sarobidy ny olona?

11 Be atao ny ankamaroantsika. Manao fandaharam-potoana tsara àry isika ary ataontsika loha laharana izay zava-dehibe, mba hahavitana izay tokony hatao. (Efes. 5:16; Fil. 1:10) Mety ho sorena isika raha misy zavatra manelingelina ny fandaharam-potoanantsika. Faly àry isika rehefa mihevitra ny fotoanantsika ho sarobidy ny olona, ka mahatakatra fa mety tsy hanam-potoana be hiresahana aminy isika. Ary ahoana ny amin’ny olona itoriantsika? Ahoana no ampisehoantsika fa mampihatra ny Matio 7:12 isika, ka mihevitra ny fotoanan’izy ireo ho sarobidy?

12. Ahoana no ahalalantsika ny fotoana tsara indrindra itoriana amin’ny olona ao amin’ny faritanintsika?

12 Tokony hofantarintsika ny fotoana tsara indrindra itoriana amin’ny olona. Rahoviana izy ireo matetika no tratra ao an-trano? Amin’ny fotoana toy inona izy no vonona kokoa hihaino antsika? Tsara raha manamboatra fotoana isika mba hitoriana amin’ireny fotoana ireny. Amin’ny faramparan’ny tolakandro na amin’ny hariva no tena ahitam-bokatra ny fitoriana isan-trano, any amin’ny tany sasany. Raha toy izany koa ny any aminareo, nahoana raha mitory isan-trano amin’io fotoana io indraindray? (Vakio ny 1 Korintianina 10:24.) Matokia fa hotahin’i Jehovah ny sorona ataontsika mba hitoriana amin’ny fotoana tena mety amin’ny olona.

13. Ahoana no azontsika ampisehoana fa manaja ny olona isika?

13 Ahoana koa no azontsika ampisehoana fa manaja ny olona isika? Tsy tokony hijanona ela loatra isika, na dia tokony hatao tsara  aza ny fitoriana rehefa misy olona vonon-kihaino. Mety ho efa misy zava-dehibe tian’ilay olona hatao amin’iny fotoana iny. Afaka milaza isika fa ho fohy ny tenintsika, raha milaza izy hoe sahirana. Tokony hitana ny tenintsika isika avy eo. (Mat. 5:37) Rehefa handeha isika, dia tsara raha anontaniana izy hoe inona no fotoana mety aminy mba hahafahantsika hanohy ny resaka. Milaza toy izao ny mpitory sasany: “Maniry hitsidika anao indray aho amin’ny manaraka. Tianao ve raha mitelefaonina na mandefa SMS aho vao mankatỳ?” Manahaka an’i Paoly isika rehefa mankany amin’ny olona amin’ny fotoana mety aminy. ‘Tsy nitady izay hahasoa azy izy fa izay hahasoa ny maro, mba ho voavonjy izy ireny.’—1 Kor. 10:33.

AHOANA NO FOMBA TOKONY HIRESAHAKO AMINY?

14-16. a) Nahoana isika no tokony hilaza ny anton-diantsika rehefa mitory? Hazavao amin’ny ohatra. b) Inona no fomba mahomby hitan’ny mpiandraikitra mpitety faritany iray?

14 Eritrereto hoe misy mitelefaonina ianao. Tsy fantatrao ny feon’ilay miantso, nefa manontany anao izy hoe inona ny sakafo tianao. Lasa saina ianao hoe iza ilay miantso ary inona marina no tadiaviny. Mety hiresaka kely aminy ianao satria mahalala fomba, nefa hofarananao ny resaka avy eo. Aoka anefa hatao hoe mitonona anarana ilay olona. Tsara fanahy izy milaza fa ny manampy olona hihinana sakafo mahasalama no asany, ary manana fanazavana mahasoa anao izy. Tsy ho vonona kokoa hihaino azy ve ianao? Tiantsika  mantsy rehefa milaza mivantana an’izay tadiaviny ny olona nefa mahalala fomba. Toy izany koa no tokony hataontsika rehefa mitory. Ahoana no ampisehoantsika fa manaja ny olona isika?

15 Any amin’ny faritany maro, dia mila milaza ny anton-diantsika isika rehefa mitory. Marina fa manana fanazavana tena tsara izay tsy fantatr’ilay olona isika. Aoka anefa hatao hoe tsy mitonona anarana isika fa tonga dia mametraka fanontaniana aminy, ohatra hoe: “Raha afaka mamaha ny olana misy eto an-tany ianao, inona amin’ireo olana ireo no hovahanao?” Te hahalala ny hevitr’ilay olona mantsy isika mba hahafahana hisarika ny sainy ho amin’ny Baiboly. Mety hieritreritra anefa izy hoe: ‘Iza àry ity olona ity? Fa maninona izy no manontany ahy an’izany? Inona no tena tiany hahatongavana?’ Tokony hataontsika àry izay tsy hahasanganehana an’ilay olona. (Fil. 2:3, 4) Amin’ny fomba ahoana?

16 Nahita fomba mahomby ny mpiandraikitra mpitety faritany iray. Arahabainy aloha ilay olona ary mitonona anarana izy. Avy eo izy manolotra an’ilay taratasy mivalona hoe Tianao ve ny Hahafantatra ny Marina? Hoy izy: “Mizara an’ity amin’ny olona rehetra eto amin’ity faritra ity izahay androany. Mamaly fanontaniana enina mahalasa saina olona maro izy ity. Intỳ ny anjaranao.” Milaza io rahalahy io fa tony kokoa ny ankamaroan’ny olona rehefa fantany ny anton-dianao. Matetika no mora kokoa ny manohy ny resaka aorian’izay. Manontany an’ilay olona ilay mpiandraikitra avy eo hoe: “Efa nieritreritra ny iray amin’ireo fanontaniana ireo ve ianao?” Raha mifidy fanontaniana iray ilay olona, dia sokafan’ilay rahalahy ilay taratasy mivalona ary resahiny izay voalazan’ny Baiboly momba an’ilay fanontaniana. Raha tsy mifidy fanontaniana ilay olona, dia ataony izay tsy hahasanganehana azy ka mifidy anankiray izy ary tohiziny ny resaka. Mazava ho azy fa maro ny fomba azo anombohan-dresaka. Any amin’ny faritra sasany, dia misy fombafomba tsy maintsy arahina alohan’ny hilazana ny anton-dia. Ilaintsika ny mampifanaraka ny fomba fitorintsika amin’izay mahazatra ny olona eo amin’ny faritra misy antsika.

AMPIHARO FOANA NY MATIO 7:12

17. Ahoana avy no azontsika ampiharana ny Matio 7:12, araka ny hita tato amin’ity lahatsoratra ity?

17 Raha fintinina àry, ahoana no ampiharana ny Matio 7:12 rehefa manompo? Mila mihevitra ny olona tsirairay itoriantsika isika, ary mila manaja ny tranony sy ny fananany. Ilaina ny miezaka mitory rehefa ao an-tranony sy vonona hihaino ny ankamaroan’ny olona. Ataontsika mahafinaritra ny olona koa ny fomba anombohantsika resaka.

18. Inona no vokany rehefa mitondra ny olona itoriantsika araka ny fomba tiantsika hitondrana ny tenantsika isika?

18 Misy vokany tsara maro rehefa mitondra ny olona itoriantsika araka ny fomba tiantsika hitondrana ny tenantsika isika. Rehefa tsara fanahy sy mihevitra ny hafa isika, dia mamela ny hazavantsika hamirapiratra, mampiseho amin’ny olona fa tena tsara ny manaraka ny toro lalan’ny Baiboly, ary manome voninahitra an’ilay Raintsika any an-danitra. (Mat. 5:16) Mety ho maro kokoa no ho liana amin’ny fahamarinana, raha manaja olona isika. (1 Tim. 4:16) Afa-po koa isika na mandray ny olona na tsia, satria fantatsika fa nanao izay tsara indrindra vitantsika isika. (2 Tim. 4:5) Enga anie isika rehetra hanahaka ny apostoly Paoly, izay nanoratra hoe: “Ataoko noho ny vaovao tsara ny zava-drehetra, mba hitoriako azy io amin’ny hafa.” (1 Kor. 9:23) Aoka àry isika hampihatra foana ny Matio 7:12 rehefa manompo.