Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Rosia: Mitory ny vaovao tsara any Moscou

ZAVA-NISONGADINA TAMIN’NY TAON-DASA

Raharaha Ara-pitsarana

Raharaha Ara-pitsarana

Fanoratana ho ara-dalàna

Tsy voatery hosoratana ho ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah vao afaka manao ny fanompoany. Ilaina anefa izany mba hahafahantsika mividy na manofa toerana ivoriana, sy manafatra ny bokintsika avy any amin’ny firenen-kafa.

  • Nofoanan’ny fitsarana tany Rosia ny fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Moscou, tamin’ny 2004. Vao mainka àry nankahalain’ny olona ireo rahalahy tany. Nampijalin’ny polisy izy ireo. Ny sasany nisy nanafika teny amin’ny fanompoana. Tsy nomen’ny tompony intsony ireo trano nohofana, ka lasa tsy manana trano ivoriana ireo rahalahy. Nilaza ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona, tamin’ny 2010, fa tsy manaja ny zon’ny Vavolombelon’i Jehovah ao Moscou i Rosia. Nasainy nosoratana ho ara-dalàna indray ilay fikambanana. Faly izahay milaza aminareo fa nampihatra an’io didy io ny Minisiteran’ny Fitsaran’ny Federasionan’i Rosia, tamin’ny 27 Mey 2015.

Hetra

Tsy mandoa hetra ny ankamaroan’ny fikambanana ara-pivavahana sy fikambanana mpanao asa soa. Hoatr’izany koa, amin’ny ankapobeny, ireo fikambanana ara-dalàna ampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah. Misy fitondram-panjakana tsy manaiky an’izany anefa.

  • Milaza ny manam-pahefana any Soeda fa manao raharaham-barotra ny Betela, ary “manakarama” an’ireo Betelita. Tsy ekeny hoe olona manompo an’Andriamanitra manontolo andro izy ireo. Nitakian’ny fanjakana hetra àry ny Betela sy ny Betelita tsirairay, ary an’aliny euros ny fitambarany. Nametraka fitoriana enina tany amin’ny Fitsarana Eoropeanina isika, mba handaminana an’io raharaha io.

Tsy mety manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretana

Milaza ny Baiboly hoe tsy tokony “hianatra ady intsony” ny vahoakan’i Jehovah ary “hanefy ny sabany ho angadinomby.” (Isaia 2:4) Mankatò an’izany isika ka tsy manaiky hanao miaramila, na dia tsy manisy fanompoana sivily ho solon’ny raharaha miaramila aza ny fanjakana.

  • Tsy mamela ny olona tsy hanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretana ny lalàna any Korea Atsimo. Vavolombelona 18000 mahery no efa nigadra, tao anatin’ny 60 taona lasa, satria tsy nety nanao miaramila. Saika ny Vavolombelona eran’ilay firenena no nanana namana na havana nigadra. Nilaza ny Fitsarana Momba ny Lalàm-panorenana any Korea Atsimo, tamin’ny 2004 sy 2011, fa mifanaraka amin’ny lalàm-panorenana ireny fanagadrana ireny. Nandinika an’ilay raharaha indray anefa ilay Fitsarana tamin’ny Jolay 2015. Mivavaka ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany mba hilamina amin’izay io olana io, ka tsy higadra noho ny finoany intsony ny rahalahy tanora any.

  • Feno 22 taona izao no nigadran’i Paulos Eyassu sy Negede Teklemariam ary Isaac Mogos, any Érythrée. Tsy mety manao miaramila mantsy izy ireo noho ny feon’ny fieritreretany. Mbola tsy notsaraina mihitsy anefa izy ireo, sady mbola tsy nisy zavatra niampangana azy. Misy 50 mahery ny rahalahy sy anabavy migadra any. Ampijalina izy ireo sady ratsy be ny toerana igadrany. Miezaka tsy hivadika anefa izy ireo. Matoky izahay fa henon’i Jehovah ny senton’ireo migadra noho ny finoany, ary hanafaka azy ireo izy.—Sal. 79:11.

  • Niomana ho amin’ny ady i Ukraine vao haingana, ka nanao fiantsoana miaramila. Anisan’ireo voantso i Vitaliy Shalaiko tamin’ny Aogositra 2014. Tsy nety nanao miaramila izy noho ny feon’ny fieritreretany, nefa vonona hanao fanompoana sivily. Nampangain’ny mpampanoa lalàna izy hoe mandositra tsy hanao miaramila. Samy niaiky anefa ny fitsarana ambaratonga voalohany sy faharoa fa tsy meloka izy. Nilaza ilay fitsarana ambaratonga faharoa fa tokony hohajaina foana ny zon’olombelona na dia tsy mandry aza ny tany. “Tsy hoe rehefa voatohintohina”, hono, “ny filaminam-pirenena dia tsy hohajaina ny zo tsy hanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretana.” Nampakatra fitsarana indray ilay mpampanoa lalàna. Resy anefa izy tamin’ny 23 Jona 2015. Nanohana ny fanapahan-kevitr’ireo fitsarana ambany kokoa mantsy ny Fitsarana Ambony Manokana Mikarakara Ady Madio sy Ady Heloka any Ukraine. Vao mainka àry niharihary fa tokony hohajaina foana ny zo tsy hanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretana sy ny zo hanao fanompoana sivily, na dia latsaka an-katerena aza ny firenena.

Ukraine: Tia mandray anjara amin’ny fanompoana i Vitaliy Shalaiko

Hoy ny Rahalahy Shalaiko: “Nampahery ahy ny voalazan’ny Jeremia 1:19. Efa vonona foana aho n’inona n’inona didim-pitsarana nivoaka teo, fa ny zava-dehibe indrindra dia hoe tsy mivadika amin’i Jehovah. Matoky aho fa tsy handao ahy mihitsy izy, ary hanampy ahy tsy hivadika. Tena tsy nampoiziko anefa ilay didim-pitsarana. Samy nanafaka ahy madiodio ireo fitsarana telo. Tsapako koa hoe nanohana ahy ireo rahalahy nandritra an’ireo fitsarana. Tsy nahatsiaro ho irery mihitsy aho.”

Tsy manao fombafomba mampiseho fitiavan-tanindrazana

Olana ho an’ny Kristianina koa ny fombafomba mampiseho fitiavan-tanindrazana, indrindra fa ho an’ny tanora. Mety hoteren’ny tompon’andraikitra any an-tsekoly hanao hiram-pirenena na hiarahaba saina izy ireo.

  • Tsy nety nanao hiram-pirenena ny mpianatra Vavolombelona maromaro tao amin’ny sekoly iray any Karongi, any Rwanda. Nampangain’ireo tompon’andraikitry ny sekoly hoe tsy manaja ny hiram-pirenena izy ireo, ka noroahiny ary nogadraina mihitsy aza. Nafahan’ny Fitsarana Mpanelanelana any Karongi anefa izy ireo, ny 28 Novambra 2014. Namoaka didy mihitsy aza ilay fitsarana fa tsy hoe tsy manaja ny hiram-pirenena akory ireo ankizy ireo rehefa tsy manao azy io. Efa sendra olana toy izany koa ny mpianatra Vavolombelona tany Cameroun, Repoblika Demokratikan’i Congo, Guinée équatoriale, ary Malawi, ary voaroaka tany an-tsekoly ny sasany. Efa miresaka amin’ny mpitondra fanjakana sy ny tompon’andraikitry ny sekoly izao ireo rahalahy any, mba hanazavana ny toerana tanantsika.

  • Honduras: Nahazo diplaoma ihany i Mirna Paz sy Bessy Serrano tamin’ny farany

    Tsy nomena diplaoma ny mpianatra Vavolombelona roa tany Honduras, tamin’ny Desambra 2013. Tsy nanao hiram-pirenena mantsy izy ireo, sady tsy nivoady hoe tsy hivadika amin’ny sainam-pirenena. Nihaona tamin’ny solontenan’ny Minisiteran’ny Fampianarana àry ny rahalahy roa mpisolovava. Noresahin’izy ireo fa efa niakatra fitsarana ny raharaha hoatran’io tany an-tany hafa, ary nahazo rariny ireo mpianatra Vavolombelona. Tsara fanahy ilay manam-pahefana, ka nasainy nanao fitarainana an-tsoratra ireo mpianatra sy ny ray aman-dreniny, ary nasainy nitondra an’izany teo anatrehan’ny tompon’andraikitra momba ny lalàna ao amin’ny minisitera. Namoaka didy ilay tompon’andraikitra, tamin’ny 29 Jolay 2014, fa “natao ho an’ny olona” rehetra ny fampianarana “ka tsy misy tokony havakavahana na amin’ny inona na amin’ny inona.” Nasainy nomena diplaoma koa ireo ankizy.

Fanavakavahana fivavahana

Mankatò ny didin’i Jesosy ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny firenena rehetra, ka mitory ny vaovao tsara amin’ny mpiara-belona aminy sy miara-mivory ary mianatra tsy tapaka ny Tenin’Andriamanitra. Ampianarintsika ny zanatsika koa ilay didin’i Jehovah hoe tokony ‘hifady ny ra’ isika. (Asa. 15:20; Deot. 6:5-7) Tsy tena mahazo ny zavatra inoantsika anefa ny manam-pahefana, indraindray, ary miteraka olana izany.

  • Manan-janaka telo ny rahalahy iray any Floride, any Etazonia, ary tsy Vavolombelona ny vadiny. Rehefa nisaraka izy mivady, dia ilay ramatoa irery no navelan’ny mpitsara hampianatra ny zanany momba ny fivavahana. Tsy navela hampianatra zavatra mifanohitra amin’ny finoana katolika ilay raim-pianakaviana. Nampakatra fitsarana àry izy, ka nahazo rariny tamin’ny 18 Aogositra 2014. Izao no nolazain’ilay fitsarana: “Efa nisy didy nivoaka taloha, ka tsy nomena zo hampianatra ny zavatra inoany ara-pivavahana izay ray na reny tsy miara-mipetraka amin’ny zanany, rehefa nisara-panambadiana izy mivady. Nofoanana anefa ireny didy ireny, rehefa tsy nisy porofo mazava hoe mampidi-doza an’ilay zaza ny zavatra fanaon’ilay fivavahana.”

    Lasa afaka mandray soa amin’ny fampianaran’i Jehovah ireo ankizy, noho iny didy iny. Miaraka amin’ny fiangonana eo an-toerana izy ireo izao ary mandroso tsara. Hoy ny rainy: “Tena nahasoa ahy iny zava-nitranga iny. Niaritra fitsapana maromaro aho tato ho ato, fa nampian’i Jehovah tsy hivadika. Fantatro hoe anisan’ny zavatra tsy maintsy atrehintsika ny fanenjehana rehefa manapa-kevitra ny hanompo an’i Jehovah isika.”

  • Namibia: Efigenia Semente sy ny zanany telo

    Niharam-pitsapana mafy ny Anabavy Efigenia Semente, any Namibia, rehefa niteraka ny zanany fahatelo tany amin’ny hopitaly. Saro-piterahana mantsy izy, ka naka alalana tany amin’ny fitsarana ny mpitsabo sy ny havany tsy Vavolombelona mba hanerena azy hampidiran-dra. Tsy nanaiky mihitsy anefa ny Anabavy Semente ary nitory tany amin’ny fitsarana mba hiarovany ny zony hifidy izay fitsaboana tiany. Nanome rariny azy ny Fitsarana Tampony any Namibia, tamin’ny 24 Jona 2015, ary nilaza fa “manana zo hifidy izay tiany hatao na tsy tiany hatao amin’ny vatany ny tsirairay, na manan-janaka izy na tsia, ary tsy azo ovana izany zo izany.” Hoy ny Anabavy Semente: ‘Tena nanohana anay mihoatra noho ny hatramin’izay i Jehovah. Mahafinaritra koa ny manana an’ireo ranadahy sy rahavavy. Mikarakara tokoa i Jehovah.’

  • Tia manao fitoriana ampahibemaso ny Vavolombelona any Soisa. Namoaka didy anefa ny manam-pahefana ao Genève, fa tsy azo atao ny mampiasa “talantalana eny an-kalamanjana, mba hampielezana fanazavana ara-pivavahana, na mivantana izany na an-kolaka.” Nametraka fitarainana tany amin’ny fitsarana ireo rahalahy, ary nanamafy fa “manakantsakana ny fahalalahana ara-pivavahana sy ny fahalalahana haneho hevitra” ny fandrarana toy izany. Niombon-kevitra tamin’izy ireo ilay fitsarana. Afaka nifanaraka tamin’ny manam-pahefana izy ireo avy eo mba hamaritana ny toerana sy fotoana anaovany fitoriana ampahibemaso.

  • Vao mainka mitady fomba hanakantsakanana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny mpitondra fanjakana any Azerbaïdjan. Ampanantsoin’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena foana ireo rahalahy mba halaina am-bavany. Ataony savahao koa ny tranon’izy ireo mba hitadiavana an’ireo boky tsy avelan’ny fanjakana hafarana. Nalahelo ny olona tany amin’ny firenena maro rehefa nosamborin’ilay minisitera i Irina Zakharchenko sy Valida Jabrayilova, tamin’ny Febroary 2015. Noho izy ireo nitory tamin’ny mpiray tanàna taminy fotsiny mantsy no nisamborana azy ireo. Marina aloha hoe mampalahelo ilay zava-nitranga. Faly koa anefa isika fa mbola mazoto mitory foana ireo Vavolombelona any Azerbaïdjan, ary tsy matahotra mizara ny “vaovao tsaran’ilay fanjakana” amin’ny mpiara-belona aminy.—Mat. 24:14.

  • Mbola manakantsakana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah foana ny mpitondra any Rosia. Efa 80 amin’ny bokintsika izao no lazain’ny Federasionan’i Rosia fa “mampidi-doza.” Voararan’ny lalàna àry ny mizara na ny manana azy ireny, anisan’izany Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly. Nilaza koa ny Fitsarana Tampon’ny Federasionan’i Rosia, tamin’ny Desambra 2014, fa “mampidi-doza” ny jw.org. Voasakana io tranonkalantsika io, ka tsy misy tafiditra ao izay rehetra mampiasa Internet any Rosia. Tsy azo atao koa ny mampirisika olona hiditra ao amin’izy io. Tsy navelan’ny doanina nampiditra boky avy any ivelany intsony ny Vavolombelona, nanomboka tamin’ny Martsa 2015. Na ny Baiboly sy ireo boky hafa tsy voararan’ny fanjakana aza tsy avelany ampidirina intsony.

Mbola mitohy ny ady ara-pitsarana any Taganrog. Nomelohin’ny manam-pahefana tany mantsy ny mpitory 16, noho izy ireo nandamina fivoriana sy nanatrika an’izany. Navelan’ny fitsarana hanafoana ny fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah ao Samara koa ny manam-pahefana tao, satria “mampidi-doza”, hono, izy io. Na izany aza, dia tsy kivy mihitsy ireo rahalahy sy anabavy any Rosia, fa tapa-kevitra ny handoa ‘amin’Andriamanitra izay an’Andriamanitra.’—Mat. 22:21.