Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2016

 ZAVA-NISONGADINA TAMIN’NY TAON-DASA

Mihamazava Foana ny Hazavana Ara-panahy

Mihamazava Foana ny Hazavana Ara-panahy

AVY amin’i Jehovah ny hazavana ara-panahy. Mivavaka foana àry isika mba hitarika antsika ny ‘fahazavana sy ny fahamarinana’ avy aminy. (Sal. 43:3) Ao anatin’ny haizina ara-panahy izao tontolo izao. Andriamanitra kosa mandefa hazavana eo amin’ny vahoakany foana. Izany no mahatonga ny lalan’izy ireo ho “tahaka ny hazavan’ny maraina izay mihamazava” hatrany. (Ohab. 4:18) Mihatsara foana àry ny fitondran-tenan’ny vahoakany sy ny fomba fiasany, ary mihamazava ny fampianarany. Inona ny sasany tamin’ireo fanazavana nahitsy tato ho ato?