Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

INDONEZIA

Ny Bibelkring

Ny Bibelkring

NIFORONA tany akaikin’ny Farihin’i Toba, any Sumatra Avaratra, ny antokom-pivavahana atao hoe Bibelkring, taloha kelin’ny 1940. Avy amin’ny teny holandey midika hoe antokona mpianatra Baiboly io anarana io. Mpampianatra vitsivitsy no namorona azy io rehefa nahazo ny bokintsika, tamin’ny 1936. Ilay mpisava lalana atao hoe Eric Ewins angamba no nitory tamin’izy ireo. Tonga dia niala tao amin’ny Fivavahana Protestanta izy ireo rehefa avy namaky an’ireo boky, ary namorona antokona mpianatra Baiboly. Nitombo ny mpikambana tao ary niparitaka ka lasa an-jatony. *

Lasa anabavintsika i Dame Simbolon, izay mpikambana tao amin’ny Bibelkring

Nianatra fahamarinana be dia be tao amin’ireny boky ireny ny mpikambana voalohany tao amin’ny Bibelkring. Hoy i Dame Simbolon, izay mpikambana tao fa lasa Vavolombelona tamin’ny 1972: “Tsy nanaiky hanangan-tsaina ry zareo sady tsy nanao Krismasy sy aniversera. Nisy mihitsy aza nitory isan-trano.” Tsy nifandray tamin’ny fandaminan’Andriamanitra anefa izy ireo, ka lasa nampianatra hevitr’olona. Hoy ny Anabavy Limeria Nadapdap, efa mpikambana tao koa: “Tsy navela hanao makiazy na firavaka na akanjo maoderina ny vehivavy. Tsy navela hikiraro mihitsy aza izy ireo. Tsy nahazo nanao kara-panondro koa ny mpikambana tao, ka tezitra ny fanjakana.”

Nisara-bazana ny Bibelkring tatỳ aoriana, ary rava tamin’ny farany. Maro tamin’ireo mpikambana tao no nanaiky ny fahamarinana, rehefa niverina tany akaikin’ny Farihin’i Toba ny mpisava lalana.

^ feh. 1 Misy boky milaza fa nahatratra an’arivony ny mpikambana tao amin’ny Bibelkring.