Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2016

 INDONEZIA

Tsy Menatra Mitory ny Anaran’i Jehovah

Tsy Menatra Mitory ny Anaran’i Jehovah

Hoy i Jesosy: “Aoka ianareo ho malina tahaka ny bibilava, nefa tsy hanan-tsiny tahaka ny voromailala.” (Mat. 10:16) Nanao an’izany ireo rahalahy teto nandritra ny fandrarana. Maro anefa no nila nianatra nitory “tamim-pahasahiana” rehefa foana ny fandrarana.—Asa. 4:31.

Tsy sahy nitory isan-trano, ohatra, ny rahalahy sasany, fa naleony nanao fitsidihana sy fampianarana. Ny hafa indray tsy sahy nitory tamin’ny Silamo. Nisy tsy sahy niteny hoe Vavolombelon’i Jehovah izy, fa nilaza fotsiny hoe Kristianina. Baibolin’ny fivavahana hafa koa no nampiasainy fa tsy ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. * Teo koa ireo tsy sahy nizara ny bokintsika.

Fahazarana efa raiki-tampisaka nandritra ny fandrarana ny sasany amin’ireo. Ny hafa indray avy tamin’ny kolontsaina teo an-toerana. Aleon’ny olona eto mantsy mampandefitra ny heviny toy izay hiady. Tsy tia misehoseho koa izy ireo. Inona no nanampy an’ireo rahalahy hiova?

Nampiasa rahalahy matotra i Jehovah mba hanome azy ireo torohevitra feno fitiavana. (Efes. 4:11, 12) Tonga teto, ohatra, i Stephen Lett, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, tamin’ny 2010. Nampirisihiny ireo rahalahy mba hanome voninahitra ny anaran’Andriamanitra, ka ho sahy hampiasa ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao rehefa manompo. Hoy i Misja Beerens, misionera: “Nisy vokany be teo amin’ny mpitory ny lahatenin’ny Rahalahy Lett. Hitan-dry zareo fa tokony hampahafantatra  ny tenany hoe Vavolombelon’i Jehovah ry zareo, ary ho sahy hiaro ny Tenin’Andriamanitra.”

Matetika ny Silamo eto no mihevitra fa anisan’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina ny Vavolombelon’i Jehovah. Hoy àry ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana: “Tonga dia lazao amin’ny olona itorianao hoe Vavolombelon’i Jehovah ianao. Io matetika no fomba fitory tsara indrindra. ... Tsy menatra isika misolo tena an’i Jehovah, ary tiantsika ho fantatry ny olona ao amin’ny faritanintsika ny anarany sy ny fikasany.” Hoy i Shinsuke Kawamoto, izay manompo ao amin’ny Betela: “Mandaitra io fomba fitory io satria mivantana nefa voalanjalanja. Betsaka ny Silamo liana amin’ny fivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Lasa mora itoriana ry zareo satria te hahafantatra hoe maninona isika no hafa.”

Nampirisihina koa ny mpitory mba hazoto hizara Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! Hoy i Lothar Mihank, mpandrindra ny Komitin’ny Sampana: “Mila mamaky ny gazetintsika ny olona mba hahafantarany antsika. Manalefaka ny fony ny gazety, ka lasa mora kokoa aminy ny mandray ny fahamarinana. Afaka mianatra momba an’i Jehovah ny olona rehefa aelintsika izy ireny.”

Mahomby ny fitoriana ampahibemaso

Nampiasa fomba fitory vaovao ny sampan’i Indonezia, tamin’ny 2013. Tsy inona izany fa ny fitoriana eny amin’ny toerana be olona any an-tanàn-dehibe sy ny fitoriana ampahibemaso ataon’ny fiangonana. Nihamaro àry ny olona afaka mandre ny vaovao tsara.

Tao amin’ny tranobe iray fivarotana fitaovana elektronika no natao voalohany ilay fitoriana eny amin’ny toerana be olona. Taorian’izay dia samy nametraka latabatra sy tabilao fampirantiana tany amin’ny faritaniny  ny fiangonana. Latabatra sy tabilao 400 mahery no nampiasaina eran’i Indonezia, tao anatin’ny herintaona. Inona no vokany?

Hoy i Yusak Uniplaita, anti-panahy eto Jakarta: “Gazety 1 200 isam-bolana no nohafaran’ny fiangonanay, tamin’izahay mbola tsy nanao fitoriana ampahibemaso. Lasa 6 000 isam-bolana izany, enim-bolana tatỳ aoriana. Dia izao lasa 8 000 isam-bolana. Be dia be koa ny boky sy bokikely voapetrakay.” Nametraka tabilao fampirantiana tany amin’ny toerana telo ny mpisava lalana vitsivitsy tany Medan, any Sumatra Avaratra. Nahapetraka boky 115 sy gazety 1 800 teo ho eo izy ireo ny volana voalohany. Mpisava lalana 60 teo ho eo tany amin’ny toerana fito no lasa nanao an’ilay izy, roa volana tatỳ aoriana. Nahapetraka boky 1 200 mahery sy gazety 12 400 mahery izy ireo. Hoy i Jesse Clark, misionera: “Tian’ireo rahalahy ilay fomba fitory vaovao, sady ahitana hoe tia zavatra ara-panahy ny olona eto Indonezia. Efa mahazatra ny olona izao ny fitoriana ampahibemaso.”

Ny fitenin-drazana no ampiasaina

Anisan’ny firenena manana fiteny betsaka indrindra eran-tany i Indonezia. * Ny teny indonezianina no fiteny ofisialy, nefa betsaka koa no mampiasa fitenim-paritra satria izay no fitenin-drazany.

Ekipa mpandika teny amin’ny teny batak-toba, any Sumatra Avaratra

Tian’ny biraon’ny sampana ho fantatra, tamin’ny 2012, hoe inona no tena ilain’ireo olona samy hafa fiteny ireo. Hoy i Tom Van Leemputten: “Natao tamin’ny fiteny 12 aloha ny fandikan-teny. Olona 120 tapitrisa eo ho eo no mampiasa an’ireo fiteny ireo. Latsa-dranomaso ny mpandika teny javaney rehefa nahita ny taratasy  mivalona voalohany tamin’io fiteny io. Ela ny ela ka nahazo sakafo ara-panahy amin’ny fiteniny ry zareo!”

Mbola tamin’ny teny indonezianina anefa ny fivorian’ny fiangonana maro, na dia tany amin’ny toerana be olona mampiasa fitenim-paritra aza. Hoy i Lothar Mihank: ‘Namonjy fivoriambe roa andro tany amin’ny Nosy Nias, any Sumatra Avaratra, izahay sy Carmen vadiko, tamin’ny 2013. Nisy 400 ny mpanatrika ary niteny nias ny ankamaroany. Tamin’ny teny indonezianina daholo anefa ny lahateny. Niresaka tamin’ireo mpandahateny àry aho, dia nilazanay ny mpanatrika fa hatao amin’ny teny nias ny fandaharana ny ampitso. Olona 600 mahery no tonga.’ Hoy i Carmen: ‘Nifantoka kokoa ry zareo, nefa tsy hoatr’izany tamin’ny mbola tamin’ny teny indonezianina ny lahateny. Faly ry zareo satria  henony tamin’ny fiteniny izay lazain’ny Baiboly sady azony tsara.’

Fitoriana amin’ny olona marenina

Afaka “mandre” ny fahamarinana amin’ny fiteniny koa izao ny marenina. Nanomboka tamin’ny 2010 ny fandikan-teny amin’ny tenin’ny tanana ary bokikely fito sy taratasy mivalona valo izao no efa vita. Ankoatra izay, dia nandamina kilasy 24 fianarana tenin’ny tanana ny biraon’ny sampana, ka olona 750 mahery no nampiofanina. Misy 23 izao ny fiangonana sy antoko-mpitory amin’ny tenin’ny tanana. Tombanana ho telo tapitrisa ny marenina ampian’izy ireo hahalala ny fahamarinana.

Misy ekipa mandika teny amin’ny fiteny 37 izao ao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fandikan-teny. Misy 117 ny mpandika teny ary 50 no manao asa hafa. Toerana 19 eto Indonezia no iasan’izy ireo.

^ feh. 2 Navoaka tamin’ny 1999 ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny teny indonezianina. Nandritra ny fandrarana izy io no nadika ary fito taona no namitana azy. Navoaka tamin’ny teny indonezianina koa ny Fandalinana ny Soratra Masina sy ny Watchtower Library amin’ny CD-ROM, tatỳ aoriana. Zava-bita tena niavaka ireo!

^ feh. 2 Misy fiteny 707 eto, fa 838 kosa ny ao Papouasie-Nouvelle-Guinée.