Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2016

 INDONEZIA

Namokatra ny Fitoriana Teto Java Andrefana

Theodorus Ratu

Namokatra ny Fitoriana Teto Java Andrefana

Avy any Sulawesi Avaratra i Theodorus Ratu na Theo. Nasain’i Frank Rice hanampy azy hikarakara ny toerana fanatobiana boky teto Jakarta izy, tamin’ny 1933. Hoy i Theo: “Lasa liana be tamin’ny asan’ilay Fanjakana aho, ka nanomboka nitory niaraka tamin’ny Rahalahy Rice. Niaraka tamin’i Bill Hunter nitety an’i Java aho, tatỳ aoriana. Nandeha tamin’ny sambo Lightbearer koa aho, dia nitory tany Sumatra.” I Theo no Indonezianina voalohany nanaiky ny fahamarinana. Mpisava lalana teto Java sy tany Sulawesi Avaratra ary Sumatra izy nandritra ny am-polony taona.

Nametrahan’i Bill Hunter an’ilay bokikely hoe Aiza moa Ireo Maty? i Felix Tan, tamin’ny 1934. Mbola mpianatra izy ary nipetraka teto Jakarta. Nody tao Bandung, atsinanan’i Jakarta, izy ary nasehony an’i Dodo zandriny lahy ilay bokikely. Gaga be izy roa lahy rehefa hitany tao hoe tsy nanana fanahy tsy mety maty i Adama. Lasa liana be izy ireo, ka nankany amin’ny toerana fivarotana boky tonta tao Bandung mba hitady bokin’ny Vavolombelon’ i Jehovah. Noresahiny tamin’ny havany koa ny zavatra nianarany. Nanoratra tany amin’ny toerana fanatobiana boky teto Jakarta izy ireo, rehefa voavakiny daholo ireo boky sy bokikely hitany. Gaga be izy ireo rehefa nitsidika azy ireo i Frank Rice sady nitondra boky vaovao.

Felix Tan sy ny fianakaviany

Nitsidika an’i Bandung nandritra ny tapa-bolana ry Clem Deschamp mivady, tsy ela taorian’ny niverenan’ny Rahalahy Rice teto Jakarta. Vao mpivady vao izy ireo tamin’io. Hoy i Felix: “Nanontany anay mianakavy ny Rahalahy Deschamp raha te hatao batisa izahay. Nanaiky ny efatra taminay, izany hoe izaho, Dodo, Josephine (Pin Nio) zandriko vavy, ary Neny.” * Niara-nitory tamin’izy mivady nandritra ny sivy andro izy mianakavy rehefa  vita batisa. Natoron’i Clem azy ireo ny fampiasana karatra fitoriana, izay nisy fomba fitory tamin’ny fiteny telo. Tsy ela dia lasa fiangonana ilay antoko-mpitory tao Bandung. Io no fiangonana faharoa teto Indonezia.

Ny satroky ny papa

Efa niely be ny asa fitoriana vao taitra ny mpitondra fivavahana. Namoaka lahatsoratra tao amin’ny gazety izy ireo sy ny mpomba azy, ary nanakiana ny asan’ny Vavolombelona sy ny zavatra inoany. Nampiantso an’i Frank Rice ny manam-pahefana tao amin’ny Minisiteran’ny Raharaha Ara-pivavahana, rehefa nahita an’ireo lahatsoratra ireo, ary nanadihady azy. Nahafa-po azy ireo ny valin-teniny, ka navelany hitohy ny fitoriana. *

Tsy nampaninona ny ankamaroan’ny manam-pahefana mpanjana-tany ny asa fitoriana, taoriana kelin’ny 1930. Niova anefa izany rehefa nahazo vahana tany Eoropa ny fitondrana nazia. Ny Katolika no tena nanao ny nataony. Hoy i Clem Deschamp: “Katolika ny mpiasan’ny doanina iray. Notazoniny ny bokintsika satria manakiana ny fitondrana nazia, hono. Nandeha nitaraina tany amin’ny Sampan-draharahan’ny Doanina àry aho. Tsy niasa anefa ilay mpiasa ratsy fanahy tamin’io. Tsy Katolika ilay nisolo azy sady mba tsara fanahy, ka niteny hoe: ‘Alaivo daholo izay azonao alaina, dieny mbola tsy eo ilay tena tompon-toerana.’”

Hoy ny Anabavy Deschamp: “Nidrikina ny manam-pahefana iray hoe tokony hesorina ny sary roa tao amin’ilay boky hoe Fahavalo. Tsy tiany mantsy ireo sarina bibilava miolanolana (Satana) sy vehivavy mpivaro-tena efa mamo (fivavahan-diso), izay samy nanao ny satroky ny  papa. * Tena te hizara an’ilay boky anefa izahay, ka naleonay telo nipetraka teo amin’ilay seranana sady niaritra hafanana, dia nikosoka an’ireo sarina satroky ny papa tao amin’ireo boky an’arivony.”

Ireo sary roa nasain’ny manam-pahefana nesorina tao amin’ny boky Fahavalo

Nananontanona tany Eoropa ny ady. Vao mainka ny mpitondra fivavahana nanery ny manam-pahefana mba handrara ny asantsika. Nahariharin’ny bokintsika foana mantsy fa mihatsaravelatsihy ny fivavahana sady miditra amin’ny politika. Boky maro àry no voarara.

Tapa-kevitra ny hampandroso ny asa anefa ireo rahalahy ary nampiasainy tsara ilay milina fanontam-pirinty avy any Aostralia. (Asa. 4:20) Hoy ny Anabavy Deschamp: “Isaky ny nanao pirinty bokikely na gazety vaovao izahay, dia nila nandefa anankiray tany amin’ny manam-pahefana mba hahazoana alalana. Vao nanomboka ny  herinandro dia nataonay pirinty ilay izy ary nozarainay tany amin’ny fiangonana. Nanatitra iray tany amin’ny biraon’ny tonian’ny fampanoavana izahay rehefa nifarana ny herinandro. Rehefa tsy nekena ilay izy, dia mody malahelo izahay ary lasa haingana nanao pirinty boky hafa.”

Matetika no nanao fangalampiery tamin’ny polisy ireo rahalahy sy anabavy nizara an’ireo boky voarara. Nitory tany Kediri, any Java Atsinanana, ohatra, i Charles Harris ary nandondòna varavarana iray. Hay inspektera no tao!

Hoy ilay inspektera: “Nitady anareo foana aho androany. Andraso fa halaiko ny lisitry ny bokinareo voarara.”

Nitantara i Charles hoe: “Nasitriko tao amin’ny paosy anatin’ny palitaoko ilay boky voarara, raha mbola variana nikaroka tao an-tranony ilay inspektera. Rehefa niverina izy dia nomeko bokikely 15 mbola tsy voarara. Nanome vola tsy sazoka izy mba hatao fanomezana. Niala teo aho avy eo ary rehefa lasa lavidavitra vao nametraka an’ilay boky voarara.”

Nanao pirinty miafina

Tsy tonga tatỳ Indonezia intsony ny bokintsika avy any Holandy rehefa nanenika an’i Eoropa ny Ady Lehibe II. Efa nampoizin’ireo rahalahy izany, ka orinasa teto Jakarta no nasainy nanao pirinty an’ireo gazety. Tamin’ny Janoary 1939 no nivoaka voalohany tamin’ny teny indonezianina ny Fampiononana (Mifohaza! ankehitriny), ary tsy ela taorian’izay Ny Tilikambo Fiambenana. Nividy milina kely fanontam-pirinty avy eo ireo rahalahy, ary izy ireo ihany no nanao pirinty ny gazety. Nahazo milina lehibe avy any Aostralia izy ireo tamin’ny 1940, ary nanomboka nanao pirinty bokikely sy gazety tamin’ny teny indonezianina sy holandey. Namoaka vola am-paosy izy ireo tamin’izany.

Tonga tao amin’ny fanatobiana boky teto Jakarta ny fitaovana voalohany nanaovana pirinty

 Noraran’ny manam-pahefana ny bokintsika rehetra tamin’ny 28 Jolay 1941. Hoy ny Anabavy Deschamp: “Nitendry masinina tao amin’ny biraoko aho indray maraina no nidanadana tampoka ny varavarana. Niditra ny polisy telo, niaraka tamin’ny manam-boninahitra holandey iray. Nanao satroka misy volom-borona izy io, nitondra sabatra, ary nanao gan-tanana. Tsy taitra izahay satria efa nisy nilaza taminay, telo andro talohan’io, fa ho voarara ny bokintsika. Namaky taratasy lava be ilay manamboninahitra sady nianjonanjona. Nasainy nentinay tany amin’ny toerana fanaovanay pirinty izy avy eo satria tiany hakatona tanteraka izy io. Nilaza anefa ny vadiko fa tara loatra izy satria efa lafo omalin’io ilay milina.”

Ny Baiboly kosa tsy voarara. Nitory isan-trano foana àry ireo rahalahy, fa Baiboly fotsiny no nampiasainy. Mbola nampianatra Baiboly koa izy ireo. Nasaina niverina tany Aostralia anefa ny mpisava lalana vahiny satria nananontanona tatỳ Azia ny ady.

^ feh. 1 Lasa Vavolombelona koa ny dadan’i Felix sy ny zandriny telo lahy, tatỳ aoriana. I Josephine anabaviny indray nanambady an’i André Elias, ary nanatrika ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada. Ao amin’ny Mifohaza! Septambra 2009 ny tantaram-piainany.

^ feh. 1 Nody tany Aostralia i Frank taorian’ny Ady Lehibe II, ary nanam-bady aman-janaka. Nahavita ny fanompoana teto an-tany izy tamin’ny 1986.

^ feh. 3 Miorina amin’ny Apokalypsy 12:9 sy 17:3-6 ireo sary ireo.