Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2016

 INDONEZIA

Fivoriambe Niavaka

Fivoriambe Niavaka

MPITORY an-jatony avy any amin’ny faritra maro eran’i Indonezia no tafavory tao Bandung, atsinanan’i Jakarta, tamin’ny 15-18 Aogositra 1963. Nisy vahiny 122 avy any amin’ny tany maro koa tao. Hanatrika ny fivoriambe “Vaovao Tsara Mandrakizay” izy ireo. Io no fivoriambe iraisam-pirenena voalohany teto Indonezia.

Nila nandresy vato misakana maro ireo rahalahy rehefa nanomana azy io. Intelo novana ny toerana hanaovana an’ilay izy, noho ny fankalazana fetim-pirenena. Nidangana be koa ny vidim-piainana ka nitombo efajato isan-jato ny saran-dalana. Novan’ireo rahalahy fotsiny anefa ny fitaterana nandehanany. Nandeha an-tongotra enina andro ny rahalahy iray mba hanatrehana an’ilay fivoriambe. Nisy solontena 70 avy any Sulawesi nandeha sambo nandritra ny dimy andro, ary teo amin’ny tokotanin-tsambo feno olona no nisy azy ireo.

Faly erỳ ireo rahalahy sy anabavy teto Indonezia rehefa nihaona tamin’ireo mpiara-manompo vahiny. Teo, ohatra, ry Frederick Franz sy Grant Suiter, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana. Hoy ny rahalahy vahiny iray: “Hita hoe falifaly ireo rahalahy eto. Mihomehy sy miramirana foana ry zareo.”

Nisy 750 mahery ny mpanatrika ary 34 no natao batisa. Hoy i Ronald Jacka: “Niavaka iny fivoriambe iny, ka maro tamin’ny olona liana no nanaiky ny fahamarinana. Ireo rahalahy teto an-toerana kosa vao mainka nazoto nanompo.”

Ronald Jacka (havanana) nanao lahateny tamin’ny fivoriambe “Vaovao Tsara Mandrakizay”, 1963, miaraka amin’ny mpandika teny

Fanampim-panazavana

Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no Manao Fivoriambe?

Manao fivoriambe intelo isan-taona izahay. Inona ny soa horaisinao raha manatrika izany?