Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2016

 INDONEZIA

Nofehezin’ny Japoney

Nofehezin’ny Japoney

Nibodo an’i Indonezia ny tafika japoney teo am-piandohan’ny 1942. Rahalahy maro no nasaina nanao asa an-terivozona, ohatra hoe nanamboatra lalana na tatatra. Ny hafa nalefa tany amin’ny fonja ratsy be sady maloto, ary nampijalina satria tsy nanohana ny ady. Rahalahy telo, fara fahakeliny, no maty tany am-ponja.

Johanna Harp sy ny zanany roa vavy ary Beth Godenze, naman’izy ireo (afovoany)

Nipetraka tany amin’ny tanàna mitokana tany Java Atsinanana i Johanna Harp, anabavy holandey. Tsy nigadra izy ny roa taona voalohany nisian’ny ady. Nanararaotra an’izany izy sy ny zanany telo, ka nandika ny  boky Famonjena sy ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny teny holandey. * Natao kopia avy eo izay voadika ary nalefa an-tsokosoko tany amin’ireo Vavolombelona eran’i Java.

Niara-nivory ireo Vavolombelona vitsivitsy tsy nigadra, ary malina tsara rehefa nitory. Hoy i Josephine Elias: ‘Nitady fomba hitoriana tsy ara-potoana foana aho. Nitondra kilalao aho isaky ny nitsidika olona liana, amin’izay ny olona mieritreritra hoe handeha hilalao fotsiny aho.’ I Felix Tan sy Bola vadiny kosa mody nanao mpivarotra savony rehefa nitory isan-trano. Hoy i Felix: “Matetika izahay no narahin’ny polisy japoney. Novaovanay àry ny fotoana nitsidihanay ny olona nampianarinay Baiboly. Nandroso tsara ny enina tamin’izy ireo ary natao batisa nandritra ny ady.”

Tsy nifanaraka ny teto Jakarta

Efa mafy ny nanjo an’ireo rahalahy nandritra ny ady, nefa nisy fitsapana hafa indray. Nasain’ny manam-pahefana japoney nisoratra anarana ny vahiny rehetra (anisan’izany ny Indonezianina metisy Sinoa), ary nasainy nitondra kara-panondro misy voady hoe tsy hivadika amin’ny fitondrana japoney. Lasa saina ireo rahalahy raha tokony hisoratra anarana sy hanao sonia an’ilay karatra na tsia.

Josephine Elias sy Felix anadahiny

Hoy i Felix Tan: “Nampirisihin’ireo rahalahy tany Jakarta izahay teto Sukabumi mba tsy hanao sonia an’ilay karatra. Nanontanianay anefa ny manam-pahefana raha azonay ovana ny soratra teo amin’ilay karatra. Hatao hoe ‘Ilay manao sonia eto dia tsy hanakantsakana’ ny tafika japoney fa tsy hoe ‘tsy hivadika aminy.’ Gaga  izahay fa nanaiky ry zareo, dia nahazo karatra daholo izahay. Rehefa henon’ireo rahalahy tany Jakarta izany, dia nolazain-dry zareo fa mpivadi-pinoana izahay ary tsy nifanerasera taminay intsony ry zareo.”

Hentitra loatra ireo rahalahy teto Jakarta, nefa nivadika ny ankamaroany rehefa voasambotra. Tsy nivadika kosa ny rahalahy iray, ary niara-nigadra tamin’i André Elias. Hoy i André: “Nampisaintsaina azy momba an’ilay resaka fisoratana anarana aho, ary nanampy azy tsy hitsara an-tendrony intsony. Nanetry tena izy ka nifona noho izy tsy nifanerasera taminay. Nifampahery foana izahay avy eo, nefa indrisy fa maty izy satria tsy zakany ny fiainana tany am-ponja.”

Merdeka!

Vao mainka nazoto nitory ireo rahalahy rehefa tapitra ny ady tamin’ny 1945. Nanoratra tany amin’ny sampan’i Aostralia ny rahalahy iray avy nigadra sy nampijalina. Hoy izy: “Vonona indray aho izao na dia teo aza  ireny efa-taona nisian’ny olana ireny. Tsy naninon-tsy naninona aho ary mbola hoatran’ny taloha ihany ny toe-tsaiko. Tsy nanadino an’ireo rahalahy aho na dia nijaly aza. Mba azonareo andefasana boky ve aho?”

Tsy ela dia tonga ny boky. Vitsivitsy tamin’ny voalohany fa avy eo be dia be. Niverina nandika boky tamin’ny teny indonezianina koa ireo mpitory folo teto Jakarta.

Nanambara ireo mpitarika ny tolona ho an’ny fahaleovan-tena, tamin’ny 17 Aogositra 1945, fa mahaleo tena i Indonezia. Nitarika fikomiana naharitra efa-taona tamin’ny mpanjana-tany holandey izany. Raikitra ny korontana ka an’aliny no maty, ary fito tapitrisa mahery no voatery nifindra monina.

Na teo aza izany dia nitory isan-trano foana ireo rahalahy. Hoy i Josephine Elias: “Noteren’ireo tia tanindrazana izahay hiantsoantso hoe ‘Merdeka’, izany hoe ‘Fahafahana.’ Nolazainay tamin’izy ireo anefa fa tsy momba an’iza n’iza izahay.” Nilefitra ihany ny Holandey tamin’ny 1949, ka nomeny ny Repoblikan’i Indonezia ny fitondrana, taorian’ireo taona maro nanjanahany azy. *

Efa ho folo taona tamin’ny 1950 no nisian’ny korontana teto Indonezia. Asa be anefa no niandry an’ireo rahalahy. Raha amin’ny fijerin’olombelona dia toa tsy ho vitan’izy ireo ny hitory amin’ireo mponin’i Indonezia an-tapitrisany. Nanam-pinoana anefa ireo rahalahy ka nanohy an’ilay asa. Natoky izy ireo fa “haniraka mpiasa hijinja ny vokatra” i Jehovah, ary izany tokoa no nitranga.—Mat. 9:38.

^ feh. 2 Nanatrika ny Sekolin’i Gileada i Hermine (Mimi) zanak’i Harp faravavy rehefa nifarana ny ady, ary lasa misionera teto Indonezia.

^ feh. 3 Mbola ny Holandey ihany no nitondra tany Papouasie Andrefana (Nouvelle-Guinée Andrefana tatỳ aoriana) hatramin’ny 1962.

Fanampim-panazavana