Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nohararaotin’ireo rahalahy hanaovana fivoriambe ny mariazy

INDONEZIA

Niara-nivory Foana Izy Ireo

Niara-nivory Foana Izy Ireo

Nivory tany an-tranon’olona ny ankamaroan’ny fiangonana, nandritra ny fandrarana. Maro taminy no tsy nanao hiran’ilay Fanjakana mba tsy ho tratra. Nanao bemidina tany amin’ny toeram-pivoriana sasany ny polisy, nefa tony foana ireo rahalahy.

Nanararaotra nanao fivoriambe izy ireo rehefa nisy fivoriam-pianakaviana na mariazy. Hoy i Tagor Hutasoit: “Nisora-panambadiana ireo mpivady vao, dia avy eo naka alalana tamin’ny polisy mba hahafahana manasa olona maro hanatrika ny lanonam-panambadiany. Nipetraka teo amin’ny lampihazo niaraka tamin’ny fianakaviany izy ireo nandritra an’ilay lanonana, dia nifandimby nanao lahateny ara-baiboly ireo rahalahy.”

Nanatona an’i Tagor ny polisy iray tamin’ny fivoriambe iray, ary nanontany hoe:

“Adiny roa na telo dia efa tapitra ny ankamaroan’ny mariazy. Fa maninona ny anareo no maraina mandra-paharivan’ny andro?”

Namaly i Tagor hoe: “Manana olana be dia be ny mpivady sasany, dia mila torohevitra be dia be avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra.”

Niaiky ilay polisy hoe marina izany.

Nisy mpivady maromaro niara-natao mariazy tao amin’ny kianja be iray teto Jakarta, tamin’ny 1983. Afaka nanao ampahany tamin’ilay fivoriambe hoe “Tafaray Noho Ilay Fanjakana” ireo rahalahy tamin’izany. Efa ho 4 000 ireo Vavolombelona sy olona liana nanatrika azy io, ary 125 no natao batisa an-tsokosoko talohan’ilay fandaharana. Nanao fivoriamben’ny vondrom-paritra lehibe kokoa ireo rahalahy rehefa lefilefy ny fandrarana. Nisy mpanatrika 15 000 mahery ny iray tamin’izany.

Biraon’ny sampana naorina nandritra ny fandrarana

Nangataka ny hanafoanana an’ilay fandrarana foana ny biraon’ny sampana, teo anelanelan’ny 1980 sy 2000. Nanoratra tany amin’ny fitondrana indonezianina sy ny masoivohony koa ireo rahalahy tany an-tany hafa, ary nanontany hoe nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah eto Indonezia no tsy ekena ho ara-dalàna. Manam-pahefana maro no nanaiky hanafoana an’ilay fandrarana. Tsy nahatohitra ny Sampan-draharaha Momba ny Raharaha Kristianina anefa izy ireo.

Nieritreritra ireo rahalahy, tamin’ny 1990, fa mety ho azo atao ny hanorina biraon’ny sampana vaovao any amin’ny toerana mitokana. Nanaiky hividy tany tao akaikin’i Bogor ny Filan-kevi-pitantanana, tamin’io taona io. Tanàna kely 40 kilaometatra eo ho eo any atsimon’i Jakarta izy io. Vitsy anefa ny rahalahy nahay nanao trano. Ahoana àry no hamitana an’ilay tetikasa?

Soa fa teo ireo rahalahy maneran-tany! Ny Biraon’ny Fanorenana any Brooklyn sy ny Biraom-paritra Momba ny Fitantanana Ara-teknika any Aostralia no nanao ny planina. Mpiasa an-tsitrapo iraisam-pirenena 100 teo ho eo no nampiasa ny fahaizany, nandritra ny roa taona nanaovana an’ilay tetikasa.

Ilay rahalahy indonezianina atao hoe Hosea Mansur no nifampiraharaha tamin’ireo manam-pahefana teto an-toerana rehefa nisy zavatra natao. Hoy izy: “Nisy hoe H.M. teo amin’ny satroka aro loha nanaovako. Fanafohezana ny anarako ilay izy, nefa nihevitra ireo manam-pahefana silamo fa ‘Hājjī’ no fanalavana an’ilay H. Anaram-boninahitra iantsoana an’ireo manao fivahiniana masina any Lameka izy io. Nohajain-dry zareo tsara àry aho, ka mora kokoa ny nandamina ny asa.”

Naorina nandritra ny fandrarana ity biraon’ny sampana ity

Notokanana tamin’ny 19 Jolay 1996 ireo tranon’ny sampana vaovao. I John Barr, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, no nanao ny lahateny fitokanana. Nisy 285 ny mpanatrika, ka anisan’izany ireo Betelita 59. Teo koa ireo solontenan’ny sampana sy misionera 118. Nisy fivoriamben’ny vondrom-paritra roa andro teto Jakarta, taorian’izay. “Iraka Milaza Fiadanana Araka An’Andriamanitra” no foto-kevitr’izy io ary 8 793 ny mpanatrika.

Nanafaka ny vahoakany i Jehovah

Nametra-pialana i Soeharto, filohan’i Indonezia, tamin’ny 1998 ka niova ny governemanta. Vao mainka àry ireo rahalahy nangataka ny hanafoanana an’ilay fandrarana.

Tonga tany New York Atoa Djohan Effendi, Sekreteram-panjakanan’i Indonezia, tamin’ny 2001 ary nitsidika ny Betelan’i Brooklyn. Nihaona tamin’ny rahalahy telo anisan’ny Filan-kevi-pitantanana izy tamin’izay. Nahagaga azy ny zavatra hitany, ary niaiky izy hoe tsara laza eran-tany ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanaiky hanafoana an’ilay fandrarana Atoa Effendi. Nilaza anefa izy fa Atoa Marzuki Darusman, tonian’ny fampanoavana teto Indonezia, no tompon’ny teny farany.

Nanaiky hanafoana an’ilay fandrarana koa Atoa Darusman. Nangataka andro foana anefa ireo manam-pahefana ratsy fanahy teo ambany fiadidiany, satria efa nampoizin’izy ireo hoe hosoloana tsy ho ela izy. Nampanantsoina tao amin’ny biraon’Atoa Darusman i Tagor Hutasoit, ny 1 Jona 2001. Hoy izy: “Tao amin’io birao io aho, 25 taona teo ho eo talohan’io, no nomena taratasy nilaza hoe voarara ny Vavolombelon’i Jehovah. Tamin’io kosa aho nomena taratasy nilaza hoe foana ilay fandrarana, ary io no andro farany niasan’ilay tonian’ny fampanoavana.”

Nosoratan’ny Minisiteran’ny Raharaha Ara-pivavahana ho ara-dalàna ny fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ny 22 Martsa 2002. Hoy ny tale jeneralin’ilay minisitera tamin’ny solontenan’ny sampana: “Tsy hoe manome anareo fahalalahana ara-pivavahana ity taratasy ity, satria Andriamanitra ihany no manome an’izany. Resahina ato kosa hoe eken’ny fanjakana ho ara-dalàna ny fivavahanareo. Mitovy zo amin’ny fivavahana rehetra izao ianareo ary vonona hanampy anareo ny fitondrana.”