Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2016

 INDONEZIA

Mpisava Lalana Manokana Nandritra ny 50 Taona

Alisten Lumare

Mpisava Lalana Manokana Nandritra ny 50 Taona
  • TERAKA 1927

  • BATISA 1962

  • TANTARANY Inspekteran’ny polisy izy taloha ary mpisava lalana manokana nandritra ny 50 taona mahery.

VOATENDRY ho mpisava lalana manokana tany Manokwari, any Papouasie Andrefana, aho tamin’ny 1964. Nisy fiangonana kely tany ary nenjehin’ny mpitondra fivavahana mafy izy io. Tsy ela taorian’ny nahatongavako, dia niditra an-keriny tao an-tranoko ny mpitondra fivavahana protestanta iray.

Nivazavaza izy hoe: “Horavako ity trano ity ary hataoko tsisy Vavolombelon’i Jehovah intsony eto Manokwari.”

Tsy nampihontsina ahy izany satria efa zatra an’izany aho tamin’izaho polisy. Novaliako moramora izy dia nisaraka tsy nisy raorao izahay.—1 Pet. 3:15.

Valo monja ny mpitory tany Manokwari tamin’izany, nefa misy fiangonana fito any izao, 50 taona eo ho eo atỳ aoriana. Nisy 1 200 mahery no nanatrika ny fivoriamben’ny vondrom-paritra teo an-toerana, tamin’ny 2014. Tena faly aho rehefa mahita ny fomba nitahian’i Jehovah an’io faritra mitokana io.

Fanampim-panazavana

Inona no Atao hoe Mpisava Lalana?

Mahavita fitoriana 30 na 50 ora isam-bolana ny Vavolombelona sasany, ary misy aza mihoatra an’izany. Nahoana izy ireo no mazoto be toy izany?

Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no Mitety Trano?

Fantaro hoe nasain’i Jesosy nanao inona ny mpianany voalohany.