Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

ZAVA-NISONGADINA TAMIN’NY TAON-DASA

“Tena Tianay ny Tele JW”

“Tena Tianay ny Tele JW”

TAMIN’NY 6 Oktobra 2014 no natomboka ny fanandramana ny tele JW, ilay telentsika ao amin’ny Internet. * Tamin’ny teny anglisy ihany izy io tamin’izany. Nadika tamin’ny fiteny 70 mahery izy io, nanomboka tamin’ny Aogositra 2015, ka betsaka kokoa no afaka mankafy an’ireo fandaharana mampahery ao. Maro no nankasitraka an’io tele io maneran-tany. Inona avy anefa ny fanomanana tsy maintsy natao?

Nilaina aloha ny toerana mety tsara. Tao amin’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah ao Brooklyn no nahitana an’izany, izany hoe tao amin’ny 30 Columbia Heights. Herinandro dia voala ny entana tao, ary tonga dia nanomana an’ilay toerana ireo rahalahy tao amin’ny fikojakojana. Ireo mpanao mari-trano kosa nanamboatra ny planin’ilay studio. Nataony mendrika sy manara-penitra tsara izy io. Rahalahy sy anabavy avy amin’ny lafivalon’i Etazonia no niasa mafy nandritra ny andro maro mba hahavitana an’izany, sady nitady fomba hamitana haingana an’ilay studio. Vitan’izy ireo tao anatin’ny andro vitsivitsy ny fikarohana ataon’ny olona amam-bolana. Ny Sampan-draharahan’ny Fividianana Entana koa nahavita nanafatra entana an-jatony tao anatin’ny fotoana fohy.

Kabla mirefy kilaometatra maromaro no napetaka. Nila natao azo antoka koa hoe mandeha tsara ny fitaovana rehetra. Ny orkesitra kosa efa nandray feo an’ilay feon-kira famantarana, tao amin’ny studio tany Patterson. Efa fotoana fahatongavan’ireo rahalahy sy anabavy mpitendry mozika avy any amin’ny tany maro mantsy tamin’io. Natao an-tsoratra ny zavatra horesahina amin’ilay fandaharana voalohany. Ny tantara sasany koa nila naverina nolalaovina. Samy niezaka namokatra video ny ekipan’ny feo sy video tany Brooklyn, Patterson, Wallkill, ary tany amin’ny firenena maro. Rehefa vita ilay studio ary efa tafapetraka daholo ny fitaovana, dia nomanina amin’izay ny fandaharana ho an’ireo volana vitsivitsy voalohany.

Studio fandraisam-peo an’ny tele JW, Brooklyn, New York

Nanontany olona matihanina izahay hoe hafiriana no ahavitana studio hoatran’io. Herintaona sy tapany, hoy izy. Roa volana fotsiny anefa no nanaovan’ireo rahalahy sy anabavy azy io.

Tena nampahery ny vokatra! Isaky ny alatsinainy voalohany amin’ny volana no mipoitra ao amin’ny Internet ilay fandaharana isam-bolana. Indroa tapitrisa mahery isam-bolana izy io no misy mijery. Impolo tapitrisa mahery isam-bolana kosa no ijeren’ny olona azy io miaraka amin’ireo video hafa ao amin’ilay tele.

“Lasa mifandray akaiky kokoa amin’ny fandaminan’i Jehovah sy ny Filan-kevi-pitantanana aho, noho ilay fandaharana. Tsapako hoe anisan’ny fianakaviana be fitiavana aho.”—Kenya

Ahoana no fahitan’ny vahoakan’i Jehovah an’io fandaharana ara-panahy vaovao io? Ireto misy tenin’olona vitsivitsy:

  • “Nijery ny fandaharana Mey 2015 tao amin’ny tele JW izahay mivady androany alina. Faly be mihitsy aho. Ity no anisan’ny takariva nahafinaritra ahy indrindra teo amin’ny fiainako. Anisan’ny fanomezana sarobidy indrindra noraisiko avy tamin’i Jehovah io fandaharana io. Misaotra ny Filan-kevi-pitantanana izahay. Isaoranay koa ireo rahalahy sy anabavy niasa mafy mba hamoahana an’io fandaharana faran’izay tsara io.”—Indonezia.

  • “Vao haingana ny olona maro vao naheno lahateny nataon’ireo rahalahy anisan’ny Filan-kevi-pitantanana. Tsy hoe maheno azy ireo fotsiny anefa izahay izao fa afaka mahita koa. Mahatsiaro ho akaiky an’ireo rahalahy anisan’ny Filan-kevi-pitantanana izahay izao, sady akaiky an’ireo rahalahy eran-tany.”—Kenya.

  • “Tsy Vavolombelona ny vadiko, dia sarotra amiko ny mitarika fotoam-pivavahana miaraka amin’ny zanako roa. Izany no tena ilako an’ireo fandaharana ao amin’ilay tele. Tsapako hoe anisan’ny fandaminana aho, ary tena mampahery anay telo mianaka ireny fandaharana ireny. Tena fitahiana avy amin’i Jehovah izy ireny.”—Grande-Bretagne.

  • “Tena tianay ny tele JW! Voavaly koa ny vavakay rehefa nadika tamin’ny fiteny hafa ilay izy. Tena mampahery anay ianareo, ry rahalahy. Hitanay mantsy hoe tsara fanahy ianareo sady faly manompo an’i Jehovah. Hatramin’ny nisian’io telentsika io izahay vao tena nahatsapa hoe anisan’ity fandaminana mahafinaritra sy faran’izay tsara ity.”—Repoblika Tseky.

  • “Vao mainka aho lasa nifandray akaiky tamin’i Jehovah rehefa nadika tamin’ny fiteniko ny lahatenin’ireo rahalahy anisan’ny Filan-kevi-pitantanana.”—Brezila.

  • “Efa 16 taona aho izay no nanompo an’i Jehovah. Hoatran’ny tamin’izaho natao batisa ny fifaliana tsapako androany. Misaotra betsaka anareo, ry rahalahy, amin’ity tele JW ity.”—Brezila.

Matoky izahay fa hanampy antsika i Jehovah, ka hitondra fitahiana be dia be ho an’ireo rahalahy maneran-tany foana ny tele JW. Mino koa izahay fa hitondra dera sy voninahitra ho an’i Jehovah izy io.

^ feh. 1 Afaka mahita ny tele JW ianao raha miditra ao amin’ny tv.jw.org.