Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2016

Fiangonana Surabaya, 1954

 INDONEZIA

Tonga ny Misioneran’i Gileada

Tonga ny Misioneran’i Gileada

I Peter Vanderhaegen no misioneran’i Gileada voalohany tonga teto Indonezia. Faly nandray azy ilay fiangonana kely teto Jakarta, tamin’ny Jolay 1951. Misionera 13 no tonga avy any Aostralia sy Alemaina ary Holandy, hatramin’ny faran’io taona io. Lasa avo roa heny latsaka kely àry ny isan’ny mpitory.

Hoy i Fredrika Renskers, misionera holandey: “Nieritreritra aho hoe fihetsika fotsiny no hataoko rehefa hitory isan-trano. Hay be olona nahay teny holandey teto, dia tamin’io fiteny io aloha no tena nitoriako.” Hoy i Ronald Jacka, avy any Aostralia: “Nisy taminay nampiasa karatra fitoriana. Nisy fomba fitory fohy tamin’ny teny indonezianina tao. Nijery an’ilay karatra aho alohan’ny handondonana varavarana, dia niezahako natao tsianjery izay voalaza tao.”

Nazoto nitarika ny asa ny misionera ka lasa 91 ilay mpitory 34, tao anatin’ny herintaona. Nasiana biraon’ny sampana teto tamin’ny 1 Septambra 1951. Tao amin-dry André Elias, teto Jakarta Afovoany, no nasiana azy, ary i Ronald Jacka no voatendry ho mpikarakara ny sampana.

Nitoriana koa ny faritra hafa

Voatendry hanompo tany Manado, any Sulawesi Avaratra, i Peter Vanderhaegen, tamin’ny Novambra 1951. Efa nanangana antoko-mpitory tany ry Theo Ratu mivady. Kristianina ny ankamaroan’ny mponina ary tena nanaja Baiboly. Maro ny olona nampandroso sy niangavy azy ireo mba hanazava ny fampianaran’ny Baiboly. Matetika no olona folo no iresahan’izy ireo, dia lasa 50  eo ho eo rehefa afaka fahefak’adiny. Tafakatra 200 izany ao anatin’ny adiny iray, ka tsy maintsy tohizina eny an-tokotany ny resaka.

I Surabaya, any Java Atsinanana, no tanàna faharoa lehibe indrindra eto Indonezia. Nasiana tranon’ny misionera tao tamin’ny 1952. Ry Albert Maltby mivady no nisantatra azy io, avy eo niampy an’i Gertrud Ott, Fredrika Renskers, Susie sy Marian Stoove, Eveline Platte, ary Mimi Harp. Hoy i Fredrika Renskers: “Silamo ny ankamaroan’ny mponina, ary tsara fanahy be ry zareo. Maro no nangetaheta ny fahamarinana, ka mora ny nitarika  fampianarana Baiboly. Lasa 75 ny mpitory tao amin’ny Fiangonana Surabaya, tao anatin’ny telo taona.”

Tranon’ny misionera teto Jakarta

Tamin’izany i Azis no nanoratra tany amin’ny sampana hoe te hianatra Baiboly. Silamo avy any Padang, any Sumatra Andrefana, izy. Efa nianatra tamin’ny mpisava lalana avy any Aostralia izy tamin’ny 1930 tany ho any, saingy tsy nihaona tamin’izy ireo intsony rehefa nahazo fahefana ny Japoney. Sendra nahita bokikelin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy indray andro. Hoy izy tao amin’ilay taratasy: “Velom-panantenana aho rehefa hitako tao amin’ilay bokikely ny adiresy tany Jakarta.” Tonga dia nirahin’ny sampana ho any Padang i Frans van Vliet, mpiandraikitra ny faritra. Efa nitory tamin’i Nazar Ris, mpiray tanàna taminy, i Azis tamin’izay. Mpiasam-panjakana izy io ary nangetaheta ny fahamarinana. Samy nanaiky ny fahamarinana izy roa lahy sy ny fianakaviany. Lasa anti-panahy i Azis. I Nazar Ris indray lasa mpisava lalana manokana, ary mpitory mazoto izao ny ankamaroan’ny zanany.

Frans van Vliet sy Nel zandriny vavy

Nitsidika rahalahy holandey iray tsy nitory intsony i Frans, taorian’izay. Nipetraka tao Balikpapan, any Kalimantan Atsinanana, izy io ary nanamboatra toerana fanadiovan-tsolitany simban’ny ady. Niara-nanompo taminy i Frans, ary nampirisika azy hampianatra ny olona liana. Efa nisy antoko-mpitory tao Balikpapan, talohan’ny nodian’ilay rahalahy tany Holandy.

Nifindra tany Banjarmasin, any Kalimantan Atsimo, ny anabavy atao hoe Titi Koetin tatỳ aoriana. Vao vita batisa izy tamin’izay. Nitory tamin’ny havany avy amin’ny foko Dayak izy, ary nanampy ny maro taminy hahalala ny fahamarinana. Nody tany an-tanànany ny sasany ary nanorina antoko-mpitory tany. Ireny antoko-mpitory ireny avy eo no lasa fiangonana matanjaka.

 Namoaka boky tamin’ny teny indonezianina

Nandroso haingana ny asa fitoriana, ka vao mainka nila boky betsaka kokoa ireo rahalahy. Tamin’ny 1951 no nadika tamin’ny teny indonezianina ilay boky hoe “Aoka Andriamanitra no ho Fantatra fa Marina.” Nohavaozina anefa ny fitsipi-panoratana ka nila nohavaozina ny fandikan-teny. * Rehefa navoaka ilay boky dia vao mainka betsaka no liana tamin’ilay izy.

Nisy 250 Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny teny indonezianina natao pirinty, tamin’ny 1953. Izay indray vao nisy gazety natao pirinty teto an-toerana, tao anatin’ny 12 taona. Notendrena tamin’ny milina fanoratana io gazety 12 pejy io, ary lahatsoratra fianarana ihany no tao tamin’ny voalohany. Lasa 16 pejy izy io telo taona tatỳ aoriana. Orinasa iray no nanao pirinty azy io ka 10 000 isam-bolana no vitany.

Tamin’ny 1957 no nanomboka nivoaka isam-bolana tamin’ny teny indonezianina ny Mifohaza! Vetivety dia nahatratra 10000 no natao pirinty. Lasa tsy nisy anefa ny taratasy fanaovana pirinty ka nila nangataka fahazoan-dalana  hanafatra taratasy ireo rahalahy. Hoy ilay manam-pahefana nikarakara an’ilay fangatahana: “Anisan’ny gazety tsara indrindra eto Indonezia ny Menara Pengawal (Tilikambo Fiambenana) dia te hanampy anareo aho, amin’izay ianareo afaka manafatra taratasy ho an’ny gazetinareo vaovao.”

^ feh. 1 Nohavaozina indroa ny fitsipi-panoratana indonezianina, nanomboka tamin’ny 1945, mba hanoloana ny fitsipi-panoratana holandey.