Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

INDONEZIA

Nitatra Niantsinanana ny Asa

Nitatra Niantsinanana ny Asa

Voatendry ho mpiandraikitra ny faritra i Peter Vanderhaegen, tamin’ny 1953. I Indonezia manontolo no faritaniny, izany hoe 5 100 kilaometatra avy any atsinanana hatrany andrefana ary 1 800 kilaometatra avy any avaratra hatrany atsimo. Nampitaintaina ny zavatra sasany niainany, tamin’izy namakivaky an’io faritany midadasika be io.

Peter Vanderhaegen

Nitsidika ny faritra atsinanan’i Indonezia ny Rahalahy Vanderhaegen tamin’ny 1954. Nisy fivavahana samihafa tany. Ny Hindoa no nahazo vahana tao amin’ny Nosy Bali, Silamo ny tao Lombok sy Sumbawa, Katolika ny tao Flores, ary Protestanta ny tany Sumba sy Alor ary Timaoro. Sambo efa ratsiratsy no nandehanan’i Vanderhaegen. Nitory vetivety tao amin’ny nosy maromaro izy mandra-pahatongany tany Kupang, renivohitr’i Timaoro. Hoy izy: “Tapa-bolana aho no nitory tao Timaoro. Voazarako daholo ny boky sy gazety nentiko, na avy be aza ny orana. Nahazo famandrihana gazety 34 aho, ary nanomboka fampianarana maromaro.” Nanampy an’ireo liana ny mpisava lalana manokana, tatỳ aoriana, ka lasa nisy fiangonana tany Kupang. Ny mpitory tao indray no nitory tany amin’ireo nosy manodidina, izany hoe Rotè, Alor, Sumba, ary Flores.

Tezitra be ny pasitera protestanta tany Kupang, rehefa nihaino an’ireo Vavolombelona ny ondriny. Tsy navelan’ny pasitera iray hianatra Baiboly tamin’izy ireo intsony, ohatra, i Thomas Tubulau. Mpanefy efa zokiolona izy ary bory ny tanany ilany. Nilaza ilay pasitera fa hisy ra latsaka eo raha mbola resahiny amin’ny olona ny zavatra nianarany. Hoy i Thomas: “Aiza koa no hisy Kristianina hiteny hoatr’izany! Tsy hahita ahy any am-piangonana any intsony ianao.” Lasa mpitory mazoto i Thomas, ary lasa mpisava lalana manokana ny zanany vavy.

Tena te hisakana ny asan’ny Vavolombelona tany Timaoro anefa ny mpitondra fivavahana. Notereny handrara ny fitoriana isan-trano àry ny Minisiteran’ny Raharaha Ara-pivavahana sy ny manam-pahefana tao amin’ny tafika, ary tratrany ny tanjony tamin’ny 1961. Novan’ireo rahalahy fotsiny anefa ny fomba fiasany. Teny an-tsena sy teny am-pantsakana indray izy ireo no nitory, na tamin’ireo mpanjono hitany teny amin’ny torapasika. Nitoriany koa ireo fianakaviana hitany nanadio fasana. Nilefitra ny manam-pahefana tao amin’ny tafika rehefa afaka iray volana, ka nolazainy tao amin’ny radio hoe nanana fahalalahana ny fivavahana rehetra tany Timaoro. Nanizingizina anefa ny minisitera fa mbola voarara ny fitoriana isan-trano. Nasain’ireo rahalahy natao an-tsoratra izany nefa nolavina, ka niverina nitory isan-trano indray ireo rahalahy.

Notoherin’ny mpitondra fivavahana koa ry Piet sy Nell de Jager ary Hans sy Susie van Vuure, rehefa tonga tany Papouasie, tamin’ny 1962. Mpitondra fivavahana telo no niady tamin’izy ireo sady nandidy azy ireo hitory any an-toeran-kafa. Nanendrikendrika an’ireo Vavolombelona foana izy ireo, na teny amin’ny polipitra, na tamin’ny taratasy, na tamin’ny radio. Mitaona ny olona hikomy amin’ny fanjakana, hono, ny Vavolombelona. Noreseny lahatra, na norahonany, na notambazany vola koa izay mpiangona nanomboka nianatra tamin’ny misionera. Na ireo lehibem-poko aza notereny hanohitra ny asa fitoriana.

Nasain’ny lehibem-poko iray hiresaka tao an-tanànany anefa ireo misionera. Hoy i Hans: “Novorin’ilay lehibem-poko ny fokonolona, dia avy eo izahay sy Piet samy nanao lahateny fohy nanazava ny asantsika. Nanao fampisehoana avy eo ny vadinay. Mody nandondòna varavarana ny iray, dia niditra tao an-trano rehefa nampandrosoina, ary niresaka hafatra fohy ara-baiboly. Nankasitraka an’izany izy rehetra ka navelany hanohy ny asanay izahay.”

Toy izany foana no nitranga. Nahalana vao nanohitra ny asa fitoriana ny Silamo, fa ny mpitondra fivavahana kristianina no tena nanao izany. Mbola mitohy izany hatramin’izao.

“Hotaritarihina hankeo anatrehan’ny governora ... ho vavolombelona”

Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: “Hotaritarihina hankeo anatrehan’ny governora sy ny mpanjaka ianareo noho ny amiko, ka izany dia ho vavolombelona aminy sy amin’ireo firenena.” (Mat. 10:18) Imbetsaka izany no nitranga teto Indonezia.

Fanta-daza teto Jakarta ny teolojianina holandey iray. Namoaka boky izy io tamin’ny 1960, ary nolazainy tao fa Kristianina sandoka ny Vavolombelon’i Jehovah. Nampiasain’ny mpitondra fivavahana hanaratsiana azy ireo io boky io. Nanoratra tany amin’ny Minisiteran’ny Raharaha Ara-pivavahana, ohatra, ny mpitondra fivavahana tao amin’ny tanàna iray, ka nilaza fa “nampikorontan-tsaina ny mpivavaka tao aminy” ny Vavolombelona. Nangataka fanazavana tamin’ireo rahalahy ny manam-pahefana, ka afaka niresaka momba ny asantsika izy ireo. Hoy àry ny mpitondra fivavahana iray tamin’ny namany: “Aleo tsy helingelenina ny Vavolombelon’i Jehovah, fa mba mamoha ny Protestanta amin’ny torimasony!”

Baoritra feno boky Paradisa taterina avy ao anaty kamiao, 1963

Nanoratra tany amin’ny Komitin’ny Parlemanta Momba ny Raharaha Ara-pivavahana sy Ara-tsosialy ny pasitera protestanta vitsivitsy tamin’ny 1964, ary nangataka ny handrarana ny asantsika. Nangataka fihaonana tamin’ilay komity àry ny biraon’ny sampana. Hoy i Tagor Hutasoit: “Efa ho adiny iray izahay no niresaka tamin’ilay komity, ary nanazava tsara ny fampianarana Baiboly ataontsika. Nilaza ny Protestanta iray mpanao politika hoe mahatonga korontana any Papouasie, hono, izahay. Tsara fanahy anefa ny ankamaroan’ny Silamo tao amin’ilay komity. Hoy izy ireo: ‘Manan-jo hitory ianareo satria milaza ny Lalàm-panorenana fa manana fahalalahana ny fivavahana.’” Hoy ny manam-pahefana iray tany Papouasie, taorian’ilay fivoriana: ‘Manaja ny fahalalahana ara-pivavahana ny fitondrana vaovao, ka afaka manana an’izany zo izany koa ny fivavahana vaovao.’