Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

INDONEZIA

Indray Mitopy Maso An’i Indonezia

Indray Mitopy Maso An’i Indonezia

Ilay tany Eo anelanelan’i Aostralia sy ny kontinantan’i Azia no misy azy io, ary lalovan’ny ekoatera. Io no vondronosy lehibe indrindra eran-tany, satria ahitana nosy 17 500 mahery. Misy tendrombohitra mikitoantoana sy ala mikitroka ny ankamaroan’izy ireo. I Indonezia no faritra be volkano indrindra, satria misy volkano 100 mahery any.

Mponina I Indonezia no firenena fahefatra be mponina indrindra eran-tany (aorian’i Chine sy Inde ary Etazonia). Misy foko 300 mahery any. Avy amin’ny foko javaney sy sunda ny antsasany mahery amin’ny Indonezianina.

Fivavahana Silamo ny 90 isan-jaton’ny mponina. Hindoa, na Bodista, na olona milaza azy ho Kristianina ny ambiny. Maro koa no manaraka fivavahana nentim-paharazana.

Fiteny Misy 700 mahery ny fiteny any. Ny teny indonezianina, avy amin’ny teny malezianina, no fiteny ofisialy. Mampiasa fitenim-paritra koa ny ankamaroan’ny olona rehefa ao an-trano.

Fivelomana Maro amin’ny mponina any no tantsaha na mpivarotra. Anisan’ny tany manondrana fingotra sy menaka palmie betsaka indrindra i Indonezia. Ananany betsaka koa ny hazo, harena an-kibon’ny tany, solika mbola tsy voadio, ary gazy.

Sakafo Vary no foto-tsakafo. Be mpitia ny nasi goréng (vary endasina sy atody miaraka amin’ny legioma), satay (karazana masikita), ary gado-gado (salady misy saosy voanjo).

Toetany Mafana sy mando. Misy fizaran-taona roa any, dia ny fahavaratra sy ny main-tany. Be oram-baratra koa any.