Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2016

 INDONEZIA

Miharihary ny Fitiavana Kristianina Rehefa Misy Loza

Miharihary ny Fitiavana Kristianina Rehefa Misy Loza

MATETIKA no misy horohoron-tany sy tsunami ary volkano eto Indonezia. Tsy mangataka andro ny Vavolombelon’i Jehovah fa tonga dia manampy an’ireo tra-boina, indrindra fa ny mpiara-mivavaka aminy. Nisy horohoron-tany lehibe, ohatra, tany Gunungsitoli tamin’ny 2005. Ravarava tanteraka ilay tanàna lehibe indrindra ao amin’ny Nosy Nias, any Sumatra Avaratra. Nandefa fanampiana avy hatrany ny biraon’ny sampana sy ny fiangonana teny amin’ny manodidina. Tonga tany koa ny mpiandraikitra ny faritra teo an-toerana sy ny solontenan’ny sampana mba hampahery an’ireo rahalahy. Hoy i Yuniman Harefa, anti-panahy ao Nias: “Natahotra ny mpiray tanàna taminay ka tsy nahavita n’inona n’inona. Izahay kosa tsy nahatsiaro ho irery satria tonga dia nanampy anay ny fandaminana.”

Fanampim-panazavana

Tia Namana Izahay ka Manampy Rehefa Misy Loza

Manome fanampiana any amin’ny tany maro ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa misy loza.