Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aostralia: Ilay video hoe Inona no Atao hoe Tena Namana?

FITORIANA SY FAMPIANARANA MANERAN-TANY

Oseania

Oseania
  • TANY 29

  • MPONINA 40 642 855

  • MPITORY 98 353

  • FAMPIANARANA BAIBOLY 66 022

Sahy nitory izy

Ankizivavy 12 taona i Emily ary mipetraka any Aostralia. Nilaza ny mpampianatra azy, tao an-dakilasy, fa ilaina ny mifidy namana tsara. Nasehon’i Emily an’ilay madama àry ilay video hoe Inona no Atao hoe Tena Namana? Nasehon’ilay madama an’ireo ankizy tao an-dakilasy ilay izy tatỳ aoriana, ary nifantoka tsara izy ireo. Nisy fiaraha-midinika naharitra adiny iray avy eo. Nasehon’ilay madama tany amin’ny kilasy hafa koa ilay izy. Natoron’i Emily an’ilay madama sy ny iray kilasy aminy avy eo ny jw.org. Hoy izy: “Nampian’i Jehovah aho dia sahy niresaka an’ilay tranonkala tamin’ny mpianatra an-jatony. Tena nitahy an’ahy izy.”

Foara tany amin’ny toerana lavitra be

Nisy foara tany Suai, any Timaoro Atsinanana. Nandeha adiny sivy ny mpitory dimy mba hahatongavana tany, satria te hamelatra tranoheva misy boky ara-baiboly. Gaga izay nitsidika an’ilay tranoheva rehefa nahita boky tamin’ireo fiteny 12 ampiasaina any. Zara raha misy boky mantsy amin’ny ankamaroan’ireo fiteny ireo, na tsy misy mihitsy. Hoy ny vehivavy iray rehefa nahita ny lohatenin’ny bokikely iray amin’ny teny bunak: “Amin’ny fiteniko ity!” Sambany izy vao namaky boky tamin’ny fiteniny. Boky 4 571 no voapetraka tao anatin’ny efatra andro, ary maro no nangataka hotsidihina. Mbola tsy nahita Vavolombelon’i Jehovah mihitsy ny ankamaroan’izy ireo. Nipetraka nandritra ny ora maro koa ny ankizy, mba hijery an’ireo video hoe Ataovy Namanao i Jehovah, amin’ny teny tetun dili. Nisy aza nahay tsianjery ny hira tao amin’ireo video, ary faly erỳ nihira azy ireny.

Timaoro Atsinanana: Tian’ny ankizy ireo video hoe Ataovy Namanao i Jehovah

“Ireny mihitsy no ilain’ny mpianatra”

Misionera ao amin’ny Nosy Belau i Brian sy Roxanne. Nangataka alalana hametraka tabilao fampirantiana tao amin’ny oniversite iray izy ireo. Niresaka tamin’ny direktera izy ireo sady nampiseho azy video tao amin’ny jw.org momba ny fitoriana ampahibemaso ataontsika. Nanome santionany amin’ireo boky noeritreretiny hampirantiana koa izy ireo. Nasain’ilay direktera niresaka tamin’ny tompon’andraikitra iray hafa izy ireo taorian’izay. Avy eo anefa izy ireo mbola nasaina niresaka tamin’ny lehiben’ny oniversite indray.

Hoy i Brian: “Nety tsara ny resakay tamin’ilay lehiben’ny oniversite, nefa nasainy niverina tao amin’ilay direktera indray izahay. Rehefa tonga tao izahay dia nasain’ilay direktera nanao taratasy mba hahazoana alalana hanao an’ilay fampirantiana. Kivy kely izahay satria hoatran’ny navezivezy, nefa nataonay ihany ilay taratasy.”

Belau: Betsaka ny mpianatra liana rehefa nanao fampirantiana teo akaikin’ny oniversite iray i Roxanne sy Brian

Nitsidika fanindroany an’ilay lehiben’ny oniversite i Brian sy Roxanne, taorian’izay, sady efa nieritreritra hoe holavina ny fangatahany. Hoy i Brian: “Gaga be izahay rehefa niteny ilay ramose hoe tsara be, hono, ireo boky nomenay fa efa novakiny. ‘Ireny mihitsy no ilain’ny mpianatra’, hoy izy.” Nekena àry ny fangatahan-dry zareo.

Hoy ihany i Brian: “Nilaza taminay avy eo ilay direktera hoe azo aterina any amin’izay fiangonana tiany ny mpianatra kilasimandry, rehefa alahady. Azo aterina any aminay, hono, ry zareo raha any no tiany. Tsy hitanay sy Roxanne izay holazaina. Nekena ny fangatahanay, nefa mbola vonona hanatitra an’ireo mpianatra any amin’ny Efitrano Fanjakana koa ry zareo.”

Nahapetraka boky 65 sy gazety 8 ary bokikely 11 i Brian sy Roxanne ny andro voalohany nanaovany an’ilay fampirantiana. Mpianatra maro koa no liana. Samy nampirisika azy mivady hiverina any, na ilay lehiben’ny oniversite na ilay tompon’andraikitra.

Mijery ny video-ntsika ny mpividy

Betelita any amin’ny Nosy Salomon i Lipson. Avy nitory izy, indray maraina, no naheno hiran’ilay Fanjakana avy tao amin’ny fivarotana iray. Te hijery izay nitranga tao izy ka niditra. Gaga izy nahita ankizy sy olon-dehibe maro nijery tele. Hay ilay mpivarotra nandefa anankiray tamin’ireo video hoe Ataovy Namanao i Jehovah. Ny hira 55 hoe “Banjino ny Fiainana Mandrakizay!” no nalefany. Hoy izy rehefa vita ilay hira: “Mbola misy video tiako ho hitanareo.” Nalefany avy eo ilay video hoe Ratsy ny Mangalatra. Rehefa tapitra ilay izy, dia noteneniny daholo ny olona mba tsy hangalatra ao amin’ny fivarotany.

Mbola betsaka ny olona tonga rehefa nandeha ilay video, ka hoy ilay mpivarotra: “Tiako hohenoinareo ny hira tiako indrindra.” Dia nalefany indray ilay hira 55. Nasehony koa avy eo ilay video hoe Nahoana Ianao no Tokony Hianatra Baiboly? sy ilay hoe Ahoana no Atao Rehefa Mianatra Baiboly?, amin’ny fiteny pidgin.

Nosy Salomon: Tian’ny mpivarotra iray ny mampiseho video avy ao amin’ny jw.org

Vitsy no afaka mampiasa Internet any amin’ny Nosy Salomon, satria lafo be ny sarany sady tsy ny toerana rehetra no ahazoana azy. Mamafy ny voan’ny fahamarinana amin’ireo mpividy tonga ao aminy anefa io mpivarotra io, na dia tsy Vavolombelona aza.

Hitany ny anaran’Andriamanitra

Manao fampirantiana ao Nouméa, renivohitr’i Nouvelle-Calédonie, ny mpivady tanora iray, isaky ny alatsinainy. Nanatona teo ny vehivavy iray, indray andro, sady menamenatra. Tsy niteny izy fa naka boky Ampianarina fotsiny. Niverina izy rehefa afaka antsasak’adiny, ary teny an-tanany ilay boky. Hoy izy tamin’ilay mpivady: “Efa hitanareo ve ity?” Nosokafany ilay boky ary notondroiny ilay hoe “Jehovah”, sady hoy izy: “Io ny anaran’Andriamanitra! Efa herinandro maromaro aho no nikaroka tany amin’ny tranomboky, satria te hahalala ny marina momba an’Andriamanitra. Dia avy eo nalaiko ny bokinareo, dia niditra tao anaty fiarako aho. Vao nosokafako ilay izy, dia ilay anaran’Andriamanitra hoe Jehovah no hitako. Tsy maintsy niverina tatỳ aho mba hisaotra anareo.” Nahafinaritra ny resak’izy ireo ary natoron’izy mivady azy ilay fanazavana fanampiny hoe: “Ny Fampiasana ny Anaran’Andriamanitra sy ny Dikany.” Mbola te hanohy ny fikarohany any amin’ilay tranomboky ilay vehivavy. Raha manana fanontaniana anefa, hono, izy dia efa hitany ny misy an’ilay fampirantiana, rehefa alatsinainy.