HO HITANAO ato ny tantaran’ireo Kristianina tsy nivadika, na teo aza ny korontana ara-politika, ady ara-pivavahana, ary fandrarana naharitra 25 taona. Anisan’izany ny tantaran’ny rahalahy iray, izay saika hovonoin’ny Kominista. Eo koa ny tantaran’ny lehilahy iray lehiben’ny jiolahy, nefa lasa rahalahy matotra. Nisy indray tovovavy marenina roa lasa mpinamana, ary nahafantatra tatỳ aoriana hoe mpiray tam-po. Ho fantatrao ato koa hoe ahoana no ahavitan’ny vahoakan’i Jehovah mitory ny vaovao tsara eto Indonezia, na dia eto aza no be Silamo indrindra eran-tany.