Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2016

Fahatsiarovana: Zoma 3 Aprily 2015

Fahatsiarovana: Zoma 3 Aprily 2015

NANAO ezaka manokana naharitra iray volana ny fiangonana eran-tany, nanomboka tamin’ny asabotsy 7 Martsa 2015. Nanasa olona faran’izay betsaka isika mba hiaraka amintsika hahatsiaro ny nahafatesan’i Jesosy Kristy, sy handre lahateny manazava hoe inona ny soa raisintsika noho i Jesosy maty ho antsika. An-tapitrisany ny fanasana nozaraina, na mivantana izany, na an-telefaonina, na nalefa paositra. Inona ny vokany? Olona 19 862 783 no tonga, ka faly ny Vavolombelon’i Jehovah nandray azy ireo. Iezahana ampiana izao ireo olona ireo mba hiaraka amin’ny vahoakan’i Jehovah sy hanompo an’ilay tena Andriamanitra. Amin’izay izy ireo dia ho tiany sy hotahiny.—Mika 4:2.