Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

INDONEZIA

Lehiben’ny Jiolahy Nefa Lasa Olom-banona

Hisar Sormin

Lehiben’ny Jiolahy Nefa Lasa Olom-banona
  • TERAKA 1911

  • BATISA 1952

  • TANTARANY Lehiben’ny jiolahy izy taloha, fa anisan’ny Komitin’ny Sampana ankehitriny.

NASAIN’NY Lehiben’ny Sampam-pitsikilovana nankany amin’ny biraon’ny tonian’ny fampanoavana ny Rahalahy Sormin, indray andro.

Hoy ilay rangahy: “Indonezianina ianao, ka tsory amiko ny marina: Inona no tena ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Indonezia?”

Hoy ny Rahalahy Sormin: “Aleo hotantaraiko anao ny momba ahy. Lehiben’ny jiolahy aho taloha fa mampianatra Baiboly aho izao. Manampy ny olona tsy manjary hoatr’ahy ho lasa olom-banona ny Vavolombelon’i Jehovah. Izany no ataon’izy ireo eto Indonezia.”

Hoy ilay Lehiben’ny Sampam-pitsikilovana, tatỳ aoriana: “Betsaka ny fitarainana reko momba ny Vavolombelon’i Jehovah. Fantatro anefa fa fivavahana tsara izy io matoa vitany ny nampiova an’Atoa Sormin.”