Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2016

Niara-niasa akaiky tamin’ny Rahalahy Russell ireo mpitety fiangonana

Zato Taona Lasa Izay: 1916

Zato Taona Lasa Izay: 1916

EFA herintaona mahery no nanombohan’ny Ady Lehibe I, rehefa nigadona ny 1916. Tsy hita pesipesenina ny maty teo amin’ireo firenena mpifanandrina.

Hoy Ny Tilikambo Fiambenana 1 Janoary 1916: “Maro no lasa mpivavaka sy manahy momba ny hoaviny noho ilay ady lehibe any Eoropa.” Nilaza koa ilay lahatsoratra fa tombontsoa ny hoe afaka manompo an’i Jehovah, ka tsy tokony hatahotra ny vahoakany, fa hazoto hanompo azy sy hizara ny hafatra avy aminy.

Nalaina tao amin’ny Romanina 4:20, tao amin’ny Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques, ny andinin-teny ho an’ny taona 1916. Nampirisika an’ireo rahalahy mba “hatanjaka amin’ny finoana” foana izy io. Maro no nanao an’izany ka tena notahin’i Jehovah.

Nampahery ireo mpitety fiangonana

Mpitety fiangonana no nahalalana ny solontena mpitety faritany tamin’izany. Nitety tanàna izy ireo ary nampahery sy  nanome toromarika an’ireo Mpianatra ny Baiboly. Efa ho iray tapitrisa kilaometatra ny dia nataon’ny mpitety fiangonana, tamin’ny 1916, ary tsy latsaky ny 69 ny isan’izy ireo.

Mpitety fiangonana i Walter Thorn. Nanao lahateny izy tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra iray tany Virginie, any Etazonia. Nampitoviny tamin’ilay Ady Lehibe ny ady ataon’ny Kristianina. Hoy izy: “Tombanana ho roapolo ka hatramin’ny telopolo tapitrisa izao ny miaramila any an’ady. ... Misy [miaramila] hafa anefa tsy fantatr’izao tontolo izao. Miaramilan’ny Tompo izy ireo, ary miady koa nefa tsy mampiasa fitaovam-piadiana tena izy, hoatran’ny miaramilan’i Gideona ihany. Miady ho an’ny fahamarinana sy ny fahitsiana izy ireo ary miady ny ady tsaran’ny finoana.”

Nanompo foana na teo aza ny zava-tsarotra

Tamin’ny faramparan’ny 1916 no nipoaka ny Ady Voalohany tao Somme, any Frantsa. Iray tapitrisa mahery no maty na naratra. Niezaka mafy nikarakara an’ireo kilasy, na  fiangonana, anefa ireo rahalahy tany amin’ny faritra hafa tao Frantsa. Navoaka tao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Janoary 1916 ny taratasin’ny Rahalahy Joseph Lefèvre. Nipetraka tany Denain izy, nefa voatery nandositra rehefa nanafika ny tanànany ny miaramila alemà tamin’ny 1914. Nianatsimo nankany Paris i Joseph ary nanomboka nifandray tamin’ilay antokona Mpianatra ny Baiboly tao. Tsy ela izy dia lasa nitarika ny fivoriana rehetra, na dia tsy salama aza.

Nandositra avy tany Denain koa ny Rahalahy Théophile Lequime. Nankany Auchel, any Frantsa, aloha izy ary nanomboka nandika lahatsoratra tao amin’ny Tilikambo Fiambenana. Nalefany tany amin’ireo rahalahy tany amin’ny faritra mbola tsy nisy nanafika izy ireny. Noteren’ny miaramila hiala tao Auchel i Theophile satria nampiahiahy azy ireo ny zavatra nataony. Nankany Paris àry izy, ary nanampy an’i Joseph. Noraisin’i Joseph ho valim-bavaka ny fahatongavany.

Nandroso ny asan’izy ireo tany Paris. Hoy i Joseph: “Misy 45 eo ho eo izao ny mpivory ... Mandroso be ny sasany amin’izy ireo satria tsapany hoe mahafinaritra sady tombontsoa ny manolo-tena ho an’i Jehovah. Saika ny rehetra no manatrika ny fivoriana fijoroana ho vavolombelona, isan-kerinandro (fivoriana natao hizarana traikefa).”

Tsy nety nanao miaramila izy ireo

Maro tamin’ny rahalahintsika no nasaina nanao miaramila rehefa nandroso ny ady. Nisy lalàna nivoaka, ohatra, tany Grande-Bretagne hoe tsy maintsy manao miaramila daholo ny lehilahy 18 ka hatramin’ny 40 taona. Betsaka anefa ny Mpianatra ny Baiboly tsy nety nanao an’izany.

Navoaka tao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Aprily 1916 ny taratasy nosoratan’ny Rahalahy W. Warden, avy any Ekosy. Izao no nolazainy: “Feno 19 taona izao ny zanako lahy iray. Efa afaka nampiseho izy hoe mpanompon’ny Tompo, rehefa tsy nety nanao miaramila. Ary raha sanatria ka  tsy maintsy hotifirina izy, dia mino aho fa hanampy azy i Jehovah mba hahatonga azy tsy hivadika amin’ny toro lalan’ny fahamarinana sy ny fahitsiana.”

Mpisava lalana tanora avy any Ekosy i James Scott. Tsy tonga izy tamin’ny fiantsoana hanao miaramila ka niakatra fitsarana. Rehefa nandre ny porofo rehetra anefa ny fitsarana, dia nahita fa tsy meloka izy satria “anisan’ireo olona lazain’ny lalàna fa mahazo tsy manao miaramila.”

Tsy ny rehetra anefa no hoatr’izany. Nisy 264 ny rahalahy nangataka tsy hanao miaramila, tamin’ny Septambra. Dimy ihany no afaka tsy nanao miaramila. Ny 23 natao miaramila tsy mandeha miady. Ny ambiny kosa nasaina nanao “asa ho an’ny fanjakana, ohatra hoe nanamboatra lalana na namaky vato. Niaritra fampijaliana samihafa” ny sasany tamin’izy ireo, araka Ny Tilikambo Fiambenana 15 Oktobra 1916.

Maty i Charles Russell

Nanao dia fitoriana tany amin’ny faritra andrefan’i Etazonia i Charles Russell, tamin’ny 16 Oktobra 1916. Izy no nitarika ny asan’ny Mpianatra ny Baiboly tamin’izany. Tsy nody intsony izy. Maty izy ny talata 31 Oktobra tolakandro, tamin’izy 64 taona. Tao anaty fiarandalamby tany Pampa, any Texas, izy tamin’izay.

Maro tamin’ireo rahalahy no nieritreritra fa tsy hisy hahasolo an’ny Rahalahy Russell mihitsy. Navoaka tao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Desambra 1916 ny didim-pananana nataony. Voaresaka tao ny faniriany momba an’ilay asa efa notarihiny nandritra ny ela be. Iza anefa no hahavita handimby azy?

Voavaly tamin’ny fivoriana fanao isan-taona nataon’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenan’i Pennsylvanie izany, teo am-piandohan’ny 1917. Nisy fifidianana tamin’izay ary nitovy ny olona nofidin’ny mpanatrika. Niharihary anefa, volana vitsivitsy tatỳ aoriana, hoe tsy tia azy io ny olona sasany. Nananontanona ny fitsapana mivaivay.