Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sabata, Andro

Sabata, Andro

SABATA, ANDRO

Andro natokan’Andriamanitra hialan’ny olona sasatra amin’ny zavatra fanaony andavanandro. Nomeny ho famantarana teo aminy sy ny zanak’Israely ny Sabata. (Ek 31:16, 17) Avy amin’ny matoanteny hoe shavat midika hoe “miala sasatra, mitsahatra” ny teny hebreo hoe yôhm hash·shabbat. (Ge 2:2; 8:22) Midika hoe “andro sabata” ny teny grika hoe he hemera to sabbato.

Tany an-tany efitra, ny volana faharoa taorian’ny nanafahana ny firenen’Israely avy tany Ejipta tamin’ny 1513 T.K., no voalohany nitandremana ny Sabata isan-kerinandro. (Ek 16:1) Nilaza tamin’i Mosesy i Jehovah fa ho avo roa heny ny mana homeny ny andro fahenina. Izany tokoa no nitranga ka nitatitra izany tamin’i Mosesy ireo mpiadidy teo amin’ny vahoaka. Nambara àry fa hisy fankalazana Sabata isan-kerinandro. (Ek 16:22, 23) Tsy maintsy nitandrina Sabata ny Israely nanomboka teo, araka ny tenin’i Jehovah ao amin’ny Eksodosy 16:28, 29.

Nisy Sabata maromaro nasain’i Jehovah notandreman’ny Israely, rehefa nomeny azy ireo ny Lalàna teo amin’ny Tendrombohitra Sinay taoriana kelin’izay. (Ek 19:1; 20:8-10; 24:5-8) Ireto avy ireo Sabata ireo: Ny andro faha-7, ny taona faha-7, ny taona faha-50 (taon-jobily), 14 Nisana (Paska), 15 Nisana, 21 Nisana, 6 Sivana (Pentekosta), 1 Etanima, 10 Etanima (Andro Fandrakofam-pahotana), 15 Etanima, ary 22 Etanima.

Tsy nasaina nitandrina Sabata ireo mpanompon’Andriamanitra, talohan’ny nialan’ny Israely tany Ejipta. Hoy ny Deoteronomia 5:2, 3 sy Eksodosy 31:16, 17: “Tsy tamin’ny razantsika no nanaovan’i Jehovah izany fifanekena izany fa tamintsika.” “Tsy maintsy tandreman’ny zanak’Israely ny sabata, ... hatramin’ny taranany fara mandimby. ... Famantarana eo amiko sy amin’ny zanak’Israely mandritra ny fotoana tsy voafetra izany.” Fahatsiarovana ny nanafahan’i Jehovah azy ireo tany Ejipta mantsy ny Sabata, araka ny Deoteronomia 5:15. Vaovao tamin’izy ireo ny Sabata, matoa ny sasany mbola nivoaka haka mana ihany tamin’ny andro fahafito, na dia efa voarara aza izany. (Ek 16:11-30) Mbola tsy fantatra koa izay tokony hatao tamin’ilay lehilahy nandika voalohany ny lalàna momba ny Sabata, taorian’ny nanomezana azy io tany Sinay. (No 15:32-36) Andevo koa ny Israelita tany Ejipta, ka tsy ho afaka nitandrina ny Sabata mihitsy tany. Ny telo andro nangatahin’i Mosesy hanaovan’ny Israelita sorona ho an’Andriamanitra aza tsy nahafaly an’i Farao, mainka fa raha hoe hiala sasatra isaky ny fito andro izy ireo! (Ek 5:1-5) Marina fa toa fito andro ny herinandro tamin’ny loham-pianakaviana fahiny, kanefa tsy navahany ny andro fahafito. Zava-dehibe taminy kosa ny isa fito satria isa feno. (Ge 4:15, 23, 24; 21:28-32) Iray ihany ny fototenin’ny teny midika hoe “fito” sy ny teny hebreo hoe shavaʽ midika hoe “mianiana.”

Andro masina ny Sabata (De 5:12), ary niala sasatra sy nifaly ny rehetra na Israelita izy, na mpanompo, na mpivahiny, na ny biby. Tsy nisy niasa mihitsy tamin’izay. (Is 58:13, 14; Ho 2:11; Ek 20:10; 34:21; De 5:12-15; Je 17:21, 24) Nisy fanatitra dorana manokana natolotra niaraka tamin’ny fanatitra varimbazaha sy fanatitra zava-pisotro, ankoatra ny ‘fanatitra dorana natolotra tsy tapaka’ isan’andro. (No 28:9, 10) Nosoloana ireo mofo aseho tao amin’ny toerana masina, ary mpisorona avy amin’ny fizarana hafa indray no nanompo tao. (Le 24:5-9; 1Ta 9:32; 2Ta 23:4) Tsy nahena ny fanompoan’ny mpisorona tamin’ny Sabata. (Mt 12:5) Noforana koa ny lahikely raha tamin’izay izy no feno valo andro. Lasa fitenin’ny Jiosy ny hoe: “Tsy mitandrina sabata ny ao amin’ny toerana masina.” Midika izany fa nanao ny fanompoany foana ny mpisorona.—Jn 7:22; Le 12:2, 3; Ny Tempoly, nataon’i A. Edersheim, 1874, p. 152.

Izao no nitranga tamin’ny andron’i Jesosy, hoy ireo raby: Notsofina intelo ny trompetra ny zoma tolakandro tamin’ny ora fahasivy na tamin’ny telo teo ho eo, ho fampahafantarana fa efa akaiky ny Sabata. Najanona ny asa aman-draharaha rehetra, narehitra ny jiron’ny Sabata, ary nanaovana ny akanjo fitondra amin’ny fety. Notsofina intelo indray ny trompetra rehefa tena nanomboka ny Sabata. Ireo mpisorona efa hahavita ny anjara fanompoany no nanolotra ny fanatitra maraina, ary ireo mpisorona vao niditra no nanolotra ny fanatitra hariva. Samy tao amin’ny toerana masina àry izy ireo ny Sabata. Samy nanome ny antsasaky ny anjara mofony ho an’ny mpisoronabe izy ireo. Nohanin’izy ireo tao amin’ny tempoly ilay mofo tamin’iny Sabata iny. Nanao antsapaka ireo loham-pianakaviana tao amin’ilay fizarana vao niditra, mba hifidianana an’ireo fianakaviana hanompo amin’ny andro manokana tsirairay amin’ny herinandro hanompoany, sy ireo hanao ny asan’ny mpisorona amin’ny Sabata.—Le 24:8, 9; Mr 2:26, 27; Ny Tempoly, p. 151, 152, 156-158.

Tsy nitovy ny zavatra notandremana tamin’ny Sabata isan-kerinandro sy tamin’ireo Sabata izay “fivoriambe masina” na fety. (Le 23:2) Voarara tanteraka ny asa aman-draharaha rehetra tamin’ny Sabata isan-kerinandro (afa-tsy tao amin’ny toerana masina), anisan’izany ny naka kitay sy nandrehitra afo. (No 15:32-36; Ek 35:3) Toa tsy azo natao koa ny nandeha lavitra, araka ny Eksodosy 16:29. Tsy nanao asa na inona na inona koa ny rehetra tamin’ny Andro Fandrakofam-pahotana. (Le 16:29-31; 23:28-31) Azo natao kosa ny nahandro, nanomana ny fety sy ny toy izany rehefa fivoriambe masina na fety, na dia tsy azo natao aza ny niasa mafy sy nivarotra.—Ek 12:16; Le 23:7, 8, 21, 35, 36.

Andro iray ihany indraindray ny Sabata roa, ka nantsoina hoe Sabata “lehibe”, toy ny rehefa nifanindry tamin’ny Sabata nahazatra ny 15 Nisana (izay Sabata koa).—Jn 19:31.

Nahasoa sy zava-dehibe. Afaka niala sasatra ny Israelita rehefa tsy niasa nandritra ny Sabata. Mbola zava-dehibe kokoa anefa ny hoe porofon’ny finoany sy ny fankatoavany izany. Afaka nandentika tao am-po sy tao an-tsain’ny zanany ny lalàna sy didin’Andriamanitra koa ny ray aman-dreny. (De 6:4-9) Nianatra momba an’Andriamanitra sy nanatanjaka ny finoany ny rehetra tamin’ny Sabata. Nisy fotoana, ohatra, niera ho any amin’i Elisa lehilahin’Andriamanitra ny vehivavy sonemita iray. Hoy anefa ny vadiny: “Fa misy inona no hankany aminy ianao anio, nefa tsy tsinam-bolana na sabata izao?” (2Mp 4:22, 23) Azo antoka fa nampianatra ny Lalàna ireo Levita na taiza na taiza nisy azy, tamin’ny Sabata.—De 33:8, 10; Le 10:11.

Tsy maintsy nitandrina ny Sabata ny Israelita tsirairay, satria nikomy tamin’i Jehovah izay tsy nitandrina azy io ka novonoina ho faty. (Ek 31:14, 15; No 15:32-36) Tsy maintsy nitandrina azy io koa ilay firenena. Afaka nonina foana tao amin’ilay tany nomen’Andriamanitra azy ilay firenena, raha nitandrina tamin’ny fony manontolo an’ireo andro sy taona Sabata rehetra. Resin’ny fahavalony kosa izy ireo rehefa tsy nitandrina ny Sabata, ary lao nandritra ny 70 taona ny tanin’i Joda mba hanonitra an’ireo Sabata tsy notandremana.—Le 26:31-35; 2Ta 36:20, 21.

Fitsipika noforonin’ny raby. Tokony ho fotoana mahafaly sy manatanjaka finoana ny Sabata. Te hiavaka be tamin’ny hafa firenena anefa ny mpitondra fivavahana jiosy, indrindra rehefa avy tany an-tsesitany tany Babylona. Nampitomboiny tsikelikely ho 39 ireo fitsipika momba ny Sabata, ary nampiany fitsipika madinika tsy tambo isaina. Nahafeno boky roa lehibe izy ireny rehefa natambatra. Lasa navesatra àry ny fitandremana Sabata. Voarara, ohatra, ny nisambotra parasy fa naman’ny mihaza, hono, izany. Tsy azo notsaboina izay narary mafy raha tsy hoe natahorana ho faty angaha. Voarara koa ny namerina taolana tamin’ny toerany sy ny nanisy fehy lamba an’izay folaka. Tsy fantatry ny olona intsony ny zava-kendren’ny Sabata, satria lasa nandevozin’ny fombafomba noforonin’ireny mpitondra fivavahana ireny izy ireo. Natao ho an’ny olona anefa ny Sabata, mba hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra. (Mt 15:3, 6; 23:2-4; Mr 2:27) Nioty sy nikosokosoka varimbazaha tamin’ny tanany ny mpianatr’i Jesosy mba hohaniny, indray Sabata. Meloka, hono, izy ireo fa toy ny hoe nijinja sy niasa teny am-pamoloana. (Lk 6:1, 2) Hoy ireo raby: “Voavela ny fahotan’izay mitandrina an-tsakany sy an-davany ny lalàna momba ny Sabata, na dia mpanompo sampy aza izy.”

Tsy takina amin’ny Kristianina. Teo ambanin’ny Lalàna i Jesosy satria Jiosy, ka nitandrina ny Sabata araka ny notakin’ny Tenin’Andriamanitra (fa tsy ny Fariseo). Fantany fa azo natao ny nanao soa tamin’ny Sabata. (Mt 12:12) “Kristy [anefa] no faran’ny Lalàna.” (Ro 10:4) “Afaka amin’ny Lalàna” àry ny Kristianina. (Ro 7:6) Tsy navahan’i Jesosy sy ny mpianany ho lalàna momba ny “fombafomba” sy ny “fitondran-tena” ny Lalàna. Samy notononiny ny Didy Folo sy ny lalàna hafa, satria samy tokony hotandreman’ireo teo ambanin’ny Lalàna daholo. (Mt 5:21-48; 22:37-40; Ro 13:8-10; Jk 2:10, 11) Milaza mazava ny Baiboly fa ‘nanafoana ny Lalàna misy didy maro’ ny soron’i Kristy. ‘Novonoin’Andriamanitra ilay sora-tanana nisy didy maro. Nesoriny izy io rehefa nofantsihany tamin’ny hazo fijaliana.’ Ny Lalàn’i Mosesy manontolo no ‘nofoanana’, ‘novonoina’ ary ‘nesorina.’ (Ef 2:13-15; Kl 2:13, 14) Nofoanan’ny soron’i Kristy Jesosy niaraka tamin’ny Lalàna manontolo àry ireo andro sy taona Sabata rehetra. Izany no mahatonga ny Kristianina hihevitra ‘ny andro iray [na Sabata io na tsia] ho toy ny andro rehetra ihany.’ Tsy matahotra ny hotsarain’ny olona momba izany anefa izy ireo. (Ro 14:4-6; Kl 2:16) Hoy ny apostoly Paoly momba an’ireo mbola nitandrina fatratra “andro sy volana sy vanim-potoana ary taona”: “Matahotra ny aminareo aho sao dia sasa-poana taminareo.”—Ga 4:10, 11.

Tsy nandidy ny hitandremana ny Sabata mihitsy ny apostoly, taorian’ny nahafatesan’i Jesosy. Tsy anisan’ireo zavatra notakina tamin’ny Kristianina ao amin’ny Asan’ny Apostoly 15:28, 29 na tatỳ aoriana koa ny Sabata. Tsy nanomboka sabata vaovao, na “andron’ny Tompo” ny apostoly. Marina fa nitsangana tamin’ny maty tamin’ny andro antsoina ankehitriny hoe alahady i Jesosy. Tsy milaza anefa ny Baiboly hoe sabata “vaovao” tokony hotsarovana io andro io. Ny 1 Korintianina 16:2 sy Asan’ny Apostoly 20:7 indray, hoy ny sasany, no porofo fa sabata ny alahady ka tokony hotandremana. Nilaza fotsiny anefa i Paoly ao amin’ny 1 Korintianina 16:2 fa tokony hanokana vola any an-tokantranony avy ny Kristianina isaky ny andro voalohany amin’ny herinandro, mba hanampiana an’ireo rahalahiny sahirana tany Jerosalema. Tsy nentina tany amin’ny toeram-pivoriana ilay vola fa notehirizina mandra-pahatongan’i Paoly. Ara-dalàna koa raha niara-nivory tamin’ireo rahalahy tany Troasy i Paoly tamin’ny andro voalohan’ny herinandro, satria handeha izy ny ampitson’iny.—As 20:7.

Tsy nitandrina andro na taona Sabata àry ny Kristianina voalohany. Efa tamin’ny taona 321 i Constantin vao nandidy hoe andro fialan-tsasatra ho an’ny rehetra, afa-tsy ho an’ny mpamboly sy mpiompy, ny alahady (lat.: dies Solis, anaram-boninahitra misy ifandraisany amin’ny fanandroana sy ny fivavahana amin’ny masoandro, fa tsy hoe Sabbatum [Sabata] na hoe dies Domini [andron’ny Tompo]).

Fidirana amin’ny fitsaharan’Andriamanitra. ‘Nanomboka nitsahatra tamin’ny asa rehetra nataony [asa famoronana teto an-tany] Andriamanitra tamin’ny andro fahafito’, hoy ny Genesisy 2:2, 3, taorian’ny andro famoronana fahenina.—Ge 1.

Nohazavain’i Paoly ao amin’ny Hebreo (toko 3, 4) fa tsy tafiditra tamin’ny fitsaharan’Andriamanitra na Sabata ireo Jiosy tany an-tany efitra, satria tsy nankatò sy tsy nanam-pinoana. (He 3:18, 19; Sl 95:7-11; No 14:28-35) Ireo niditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina kosa notarihin’i Josoa ho ao amin’ny toeram-pitsaharana. Aloky ny zavatra tsara ho avy anefa izany, fa ilay fitsaharana homen’ny Mesia no tena izy. (Js 21:44; He 4:8; 10:1) Na izany aza, dia hoy i Paoly: “Mbola misy sabata fitsaharana ho an’ny olon’Andriamanitra.” (He 4:9) Misy “sabata fitsaharana” ho an’ireo mankatò sy mino an’i Kristy, satria mitsahatra amin’ny “asany” izy ireo, izany hoe tsy manao zavatra hanamarinana ny tenany toy ny taloha intsony. (Ampit. Ro 10:3.) Te hilaza i Paoly hoe mbola nitohy tamin’ny androny ny fitsaharan’Andriamanitra na Sabata, ary niditra tamin’izany ny Kristianina. Maharitra an’arivony taona àry ilay andro fitsaharan’Andriamanitra.—He 4:3, 6, 10.

“Tompon’ny sabata.” Nilaza i Jesosy Kristy fa “Tompon’ny sabata” ny tenany. (Mt 12:8) “Aloky ny zavatra ho avy” ny andro Sabata tokony hitsaharan’ny Israelita tamin’ny asany, “fa ny tena izy dia an’i Kristy.” (Kl 2:16, 17) Anisan’ireo “zavatra ho avy” ny sabata iray, ary ho Tompon’izy io i Jesosy. Hitondra ny tany mandritra ny arivo taona i Kristy Tompon’ny Tompo. (Ap 19:16; 20:6) Tamin’ny Sabata izy no nanao ny sasany tamin’ireo fahagagana tena niavaka, tamin’izy tetỳ an-tany. (Lk 13:10-13; Jn 5:5-9; 9:1-14) Hitondra fanamaivanana ho an’ny olombelona toy izany koa izy, rehefa hanampy azy ireo ho lasa lavorary eo amin’ny lafiny ara-panahy sy ara-batana mandritra ny Fanjakany Arivo Taona. Ho toy ny fitsaharana na sabata ho an’ny tany sy ny olombelona izany.—Ap 21:1-4.