Salamo 95:1-11

  • Manompo an’i Jehovah sady mankatò azy

    • “Raha mihaino ny feony ianareo anio” (7)

    • “Aza manamafy ny fonareo” (8)

    • “Tsy hiditra amin’ny fitsaharako ireo” (11)

95  Avia! Andao isika hihoby an’i Jehovah! Andao isika hanao horakora-pandresena ho an’ilay Vatolampy mpamonjy+ antsika.  2  Andao isika hankeo anatrehany* mba hisaotra+ azy.Andao isika hihira sy hanao horakora-pandresena ho azy.  3  Fa Andriamanitra tena miavaka i Jehovah;Mpanjaka lehibe ambonin’ny andriamanitra rehetra izy.+  4  Eo an-tanany ny faritra lalina amin’ny tany,Ary azy ny tampon-tendrombohitra.+  5  Azy koa ny ranomasina fa izy no nanao azy,+Ary ny tanany no nanao ny tany maina.+  6  Avia! Andao isika hanompo azy sy hiankohoka eo anatrehany.Aoka isika handohalika eo anatrehan’i Jehovah Mpanao antsika.+  7  Fa izy no Andriamanitsika,Ary isika no vahoaka ao an-kijanany,Dia ondry karakarainy.*+ Raha mihaino ny feony+ ianareo anio,  8  Dia aza manamafy ny fonareo toy ny tao Meriba,*+Sy hoatran’ilay tao Masa* tany an-tany efitra,+  9  Rehefa nisedra+ ahy ny razambenareo;Nitsapa ahy izy ireo na dia efa hitany aza ny asa nataoko.+ 10  Nandritra ny 40 taona no nankaloiloy ahy izany taranaka izany, ka nilaza aho hoe: “Vahoaka mafy loha ireo sady tsy manao afa-tsy izay tiany foana;Tsy fantany ny lalako.” 11  Koa tezitra aho sady nianiana hoe: “Tsy hiditra amin’ny fitsaharako ireo.”+

Fanamarihana

Abt: “anoloan’ny tarehiny.”
Abt: “ondrin’ny tanany.”
Midika hoe “Filana Ady.”
Midika hoe “Fitsapana; Fisedrana.”