Levitikosy 12:1-8

  • Fidiovana ataon’ny vehivavy avy miteraka (1-8)

12  Hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy:  “Ilazao ny Israelita hoe: ‘Raha misy vehivavy bevohoka ka tera-dahy, dia haloto fito andro izy, hoatran’ilay hoe maloto mandritra ny andro maromaro izy rehefa tonga fotoana.*+  Hoforana ilay zaza amin’ny andro fahavalo.+  Mbola hanadio ny tenany mandritra ny 33 andro fanampiny ilay vehivavy aorian’izay, noho izy nandeha ra. Tsy hikasika zava-masina izy, na hiditra ao amin’ny toerana masina mandra-pahatapitry ny andro fidiovany.  “‘Fa raha teraka vavikely kosa izy, dia haloto 14 andro, toy ny rehefa tonga fotoana. Ary mbola hanadio ny tenany mandritra ny 66 andro fanampiny izy aorian’izay, noho izy nandeha ra.  Rehefa tapitra ireo andro fidiovany noho izy niteraka zazalahy na zazavavy, dia hitondra ondrilahy kely tsy mihoatra ny herintaona izy ho fanatitra dorana,+ ary zana-boromailala iray na domohina iray ho fanatitra noho ny ota. Hoentiny any amin’ny mpisorona, eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana, ireo.  Hanolotra an’izany eo anatrehan’i Jehovah ny mpisorona, ka handrakotra ny fahotan’ilay vehivavy. Dia hadio ilay vehivavy nandeha ra. Izany no lalàna momba ny vehivavy teraka lahy na vavy.  Fa raha tsy takatry ny volany ny ondry, dia hitondra domohina roa na zana-boromailala roa izy:+ Ny iray ho fanatitra dorana, ary ny iray ho fanatitra noho ny ota. Ary handrakotra ny fahotan’ilay vehivavy ny mpisorona, ka hadio izy.’”

Fanamarihana

Na: “rehefa fadimbolana.”