Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Afaka Mampifaly An’Andriamanitra Ianao

Afaka Mampifaly An’Andriamanitra Ianao

Afaka Mampifaly An’Andriamanitra Ianao

AFAKA manohina ny fon’Andriamanitra tokoa ve isika? Afaka ny ho faly ve izy? Milaza ny diksionera iray fa ny teny hoe “Andriamanitra” dia midika hoe “hery miafina ambonin’ny zavaboary.” Hery fotsiny tokoa ve Andriamanitra? Afaka mahatsapa fifaliana ve ny hery? Azo antoka fa tsia. Diniho anefa izay lazain’ny Baiboly momba an’Andriamanitra.

“Andriamanitra dia Fanahy”, hoy i Jesosy Kristy. (Jaona 4:24) Tsy mitovy amin’ny olona ny fanahy. Na dia tsy hita maso aza anefa izy, dia manana vatana, saingy “vatana ara-panahy.” (1 Korintianina 15:44; Jaona 1:18) Mampiasa sarin-teny ny Baiboly rehefa miresaka an’Andriamanitra, ka milaza fa manana maso, sofina, tanana, sy ny toy izany izy. * Manana anarana koa izy, dia i Jehovah. (Salamo 83:18) Koa tsy hery miafina àry ilay Andriamanitra resahin’ny Baiboly, fa tena misy toa antsika olombelona. (Hebreo 9:24) “Izy no Andriamanitra velona sy Mpanjaka mandrakizay.”​—Jeremia 10:10.

Noho izany, dia afaka mieritreritra sy manao zavatra i Jehovah. Manana ny toetrany sy ny fihetseham-pony izy, ary manana ny zavatra tiany sy tsy tiany. Betsaka tokoa ny teny ao amin’ny Baiboly mampiseho ny zavatra mampifaly na mahatezitra an’Andriamanitra. Ny toetran’ireo olona nanamboatra azy ihany no hita taratra ao amin’ireo andriamanitra sy sampy ataon’ny olombelona. Tsy toy izany anefa i Jehovah Andriamanitra, ilay Hery Fara Tampony. Avy aminy mihitsy ireo fihetseham-po napetrany ao anatin’ny olombelona.​—Genesisy 1:27; Isaia 44:7-11.

Tena “Andriamanitra falifaly” tokoa i Jehovah. (1 Timoty 1:11) Tsy vitan’ny hoe mahafaly azy fotsiny ny zavatra nohariny, fa mahafinaritra azy koa ny manatanteraka ny fikasany. Hoy izy tamin’ny alalan’i Isaia mpaminany: “Hefaiko ny sitrapoko rehetra . . . Sady efa niteny izany Aho no hahatanteraka azy koa, sady nikasa Aho no hahefa azy.” (Isaia 46:9-11) Nihira ny mpanao salamo hoe: “Aoka Jehovah hifaly amin’ny asany.” (Salamo 104:31) Mbola misy antony hafa mahafaly azy koa anefa. Hoy izy: “Anaka, hendre, ary ampifalio ny foko.” (Ohabolana 27:11) Eritrereto ange ny dikan’izany e: Afaka mampifaly an’Andriamanitra isika!

Ahoana no ampifaliantsika ny fon’Andriamanitra?

Diniho izay nataon’i Noa mba hampifaliana ny fon’i Jehovah. “Nahita fitia teo imason’i Jehovah” io loham-pianakaviana io, satria “tsy nisy tsiny teo amin’ny olona niara-belona taminy.” Tsy ratsy fanahy toy ny mpiara-belona taminy i Noa. Faly be mihitsy Andriamanitra noho ny finoany sy ny fankatoavany, hany ka azo nolazaina hoe “niara-nandeha tamin’Andriamanitra Noa.” (Genesisy 6:6, 8, 9, 22) “Finoana no nanehoan’i Noa tahotra an’Andriamanitra sy nanamboarany sambo fiara hamonjena ny ankohonany.” (Hebreo 11:7) Nampifaly an’i Jehovah i Noa, ka novonjeny izy mianakavy nandritra izany fotoana feno hotakotaka teo amin’ny tantaran’ny olombelona izany.

Nahalala tsara ny fihetseham-pon’i Jehovah sy ny fomba fiheviny koa i Abrahama, loham-pianakaviana fahiny. Niharihary izany, rehefa nilaza taminy i Jehovah fa horinganina i Sodoma sy Gomora noho ny faharatsiany. Tsy maintsy ho nahafantatra tsara an’i Jehovah mantsy i Abrahama, matoa izy nilaza fa sanatria aminy ny hamono ny marina miaraka amin’ny meloka. (Genesisy 18:17-33) Nankatò ny didin’Andriamanitra i Abrahama, taona maro tatỳ aoriana, ka ‘nanolotra an’i Isaka’, satria ‘nihevitra izy fa hain’Andriamanitra na dia ny manangana azy amin’ny maty aza.’ (Hebreo 11:17-19; Genesisy 22:1-18) “Nantsoina hoe ‘sakaizan’i Jehovah’ izy”, satria fantany tsara ny fihetseham-pony sy nankatò azy izy, ary naneho finoana natanjaka.​—Jakoba 2:23.

Niezaka nampifaly ny fon’Andriamanitra koa i Davida mpanjakan’ny Israely fahiny. Hoy i Jehovah momba azy: “Izaho nahita an’i Davida, zanak’i Jese, lehilahy araka ny foko. Hanao izay iriko rehetra izy.” (Asan’ny Apostoly 13:22) Natoky tanteraka an’i Jehovah i Davida. Talohan’izy nifanandrina tamin’i Goliata goavam-be, dia hoy izy tamin’i Saoly mpanjaka israelita: “Jehovah, Izay namonjy ahy tamin’ny tànan’ny liona sy ny bera, Izy no hamonjy ahy amin’ny tànan’io Filistina io.” Notahin’i Jehovah i Davida noho izy natoky azy, ka nampiany hamono an’i Goliata. (1 Samoela 17:37, 45-54) Tsy ny zavatra nataony ihany no tian’i Davida ‘hankasitrahan’i Jehovah’, fa ny ‘tenin’ny vavany sy ny fisainan’ny fony’ koa.​—Salamo 19:14.

Ary ahoana ny amintsika? Ahoana no ahafahantsika mampifaly an’i Jehovah? Arakaraka ny ahafantarantsika ny fihetseham-pony no ahalalantsika izay azo atao mba hampifaliana ny fony. Tena zava-dehibe àry ny iezahantsika hamantatra ny fihetseham-pon’Andriamanitra rehefa mamaky ny Baiboly isika. Raha manao izany isika, dia ‘hofenoina fahalalana marina tsara ny sitrapony ka hanana ny fahendrena rehetra ary hahatakatra izay tiana hambara, noho ny fanampian’ny fanahy. Amin’izay dia handeha mendrika an’i Jehovah isika mba hankasitrahany tanteraka.’ (Kolosianina 1:9, 10) Hanampy antsika hanam-pinoana izany fahalalana izany. Tena ilaina izany, satria “raha tsy amin’ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka amin’Andriamanitra.” (Hebreo 11:6) Afaka mampifaly ny fon’i Jehovah àry isika, rehefa miezaka hanana finoana matanjaka sy miaina mifanaraka amin’ny sitrapony. Tsy maintsy mitandrina koa anefa isika mba tsy hampalahelo ny fony.

Aza mampalahelo an’Andriamanitra

Manampy antsika hahita izay zavatra mampalahelo an’i Jehovah, ny zava-nitranga tamin’ny andron’i Noa. “Heni-doza” ny tany tamin’izay. “Hitan’Andriamanitra ny tany, ka, indro, efa simba izy; fa ny nofo rehetra samy efa nanimba ny làlany avy tambonin’ny tany.” Inona no tsapany rehefa nahita ny fitondran-tena maloto sy ny herisetra tamin’izany fotoana izany izy? Hoy ny Baiboly: “Jehovah nanenina noho ny nanaovany olona tambonin’ny tany, ka nalahelo ny fony.” (Genesisy 6:5, 6, 11, 12) Nanenina Andriamanitra satria niharatsy be ny fitondran-tenan’ny olona talohan’ny Safodrano, ka voatery nanova ny fomba fiheviny azy ireo izy. Tsy faly intsony izy noho izy namorona azy ireo. Voatery handringana azy ireo kosa izy, satria nahatezitra azy ny faharatsian’izy ireo.

Ory koa i Jehovah rehefa tsy nety niraharaha ny fihetseham-pony sy ny tari-dalany feno fitiavana ny Israelita, vahoakany fahiny. Nitaraina toy izao ny mpanao salamo: “Impiry akory izy ireo no efa niodina taminy tany an-efitra ka nampalahelo Azy tany amin’ny tany foana! Naka fanahy an’Andriamanitra mandrakariva izy ka nampalahelo ny Iray Masin’ny Isiraely.” “Nefa Andriamanitra kosa be famindrampo, dia mamela heloka ka tsy mandringana; eny, nahatsindry fo tokoa Izy, ka tsy nofohaziny avokoa ny fahavinirany.” (Salamo 78:38-41) Na dia nijaly noho ny fahotany ihany aza ny Israelita mpikomy, dia milaza ny Baiboly fa “tamin’ny fahoriany rehetra dia niory koa [Andriamanitra].”​—Isaia 63:9.

Tsy niraharaha ireo porofom-pitiavana maro be avy tamin’Andriamanitra ny vahoakan’ny Israely, fa ‘nihomehy ny irak’Andriamanitra sady nanazimba ny teniny sy namazivazy ny mpaminaniny mandra-pihatry ny fahatezeran’i Jehovah taminy, ka tsy nisy nahavonjy azy.’ (2 Tantara 36:16) Tena ‘nanao izay nampalahelo ny Fanahy Masiny’ ireo mpikomy mafy hatoka ireo, hany ka tsy nankasitrahan’i Jehovah intsony tamin’ny farany. (Isaia 63:10) Inona no vokany? Rariny raha tsy narovan’Andriamanitra intsony izy ireo, ka nijaly rehefa nandresy an’i Joda ny Babylonianina, ka nandrava an’i Jerosalema. (2 Tantara 36:17-21) Mampalahelo tokoa rehefa minia manota foana ny olona, ka manao izay manafintohina ny Mpamorona sy mampalahelo azy!

Voaporofo ao amin’ny Baiboly fa tena mampalahelo an’Andriamanitra ny fitondran-tena ratsy. (Salamo 78:41) Ireto misy zavatra manafintohina azy, na heveriny ho fahavetavetana mihitsy aza: avonavona, lainga, vonoan’olona, fanaovana mazia, fanandroana, fivavahana amin’ny razana, fitondran-tena maloto, firaisan’ny samy lehilahy na ny samy vehivavy, fanitsakitsaham-bady, firaisana amin’olom-pady, ary fampahoriana ny mahantra.​—Levitikosy 18:9-29; 19:29; Deoteronomia 18:9-12; Ohabolana 6:16-19; Jeremia 7:5-7; Malakia 2:14-16.

Ahoana no fiheveran’Andriamanitra ny fanompoan-tsampy? Hoy ny Eksodosy 20:4, 5: “Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin’ny lanitra ambony, na izay etỳ amin’ny tany ambany, na izay any amin’ny rano ambanin’ny tany. Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy.” Fa nahoana? Satria “fahavetavetana eo imason’i Jehovah” ny sampy. (Deoteronomia 7:25, 26) Nampitandrina ny apostoly Jaona hoe: “Ry zanako malalako, mitandrema tena amin’ny sampy.” (1 Jaona 5:21) Nanoratra koa ny apostoly Paoly hoe: “Mandosira ny fanompoan-tsampy, ry malala.”​—1 Korintianina 10:14.

Miezaha hahazo sitraka amin’Andriamanitra

‘Ao amin’ny marina ny fisakaizan’Andriamanitra.’ ‘Ankasitrahany izay mandeha tsy misy tsiny.’ (Ohabolana 3:32; 11:20) Tsy ho ela kosa anefa, dia hiharan’ny fahatezeran’Andriamanitra ny olona mikiry na minia tsy miraharaha ny fihetseham-pony, ka mampahatezitra azy lava. (2 Tesalonianina 1:6-10) Hamarana tsy ho ela ny faharatsiana rehetra manjaka ankehitriny tokoa izy.​—Salamo 37:9-11; Zefania 2:2, 3.

Milaza mazava anefa ny Baiboly fa ‘tsy irin’i Jehovah hisy ho ringana fa mba ho tonga amin’ny fibebahana ny rehetra.’ (2 Petera 3:9) Aleony lavitra maneho fitiavana amin’ny olo-marina tia azy, toy izay hampihatra ny fahatezerany amin’ireo tsy laitra anarina. Tsy sitrak’i Jehovah “ny hahafatesan’ny ratsy fanahy, fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny làlany, mba ho velona izy.”​—Ezekiela 33:11.

Noho izany, dia tsy misy olona voatery hiharan’ny fahatezeran’i Jehovah. ‘Be fitiavana tokoa izy sady mamindra fo.’ (Jakoba 5:11) Afaka matoky izany ianao, ka ‘mametraka aminy izay rehetra mampanahy anao, satria mikarakara anao izy.’ (1 Petera 5:7) Matokia fa hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra sy ho lasa namany ireo mampifaly ny fony. Izao àry isika no vao mainka tokony ‘hamantatra tsara foana izay ankasitrahan’ny Tompo.’​—Efesianina 5:10.

Tena mahafaly tokoa ny hoe noho ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra, dia aharihariny amintsika ireo toetrany sy fihetseham-pony mahatalanjona! Ary afaka mampifaly ny fony ianao. Raha irinao ny hanao izany, dia asainay ianao hifandray amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny faritra misy anao. Ho faly izy ireo hampiseho aminao ny ezaka hitany hoe azo tanterahina, mba hampifaliana an’Andriamanitra.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Jereo ilay efajoro hoe “Nahoana Andriamanitra no Aseho toy ny Olona ao Amin’ny Baiboly?”

[Efajoro, pejy 7]

Nahoana Andriamanitra no Aseho toy ny Olona ao Amin’ny Baiboly?

Tsy afaka mahita an’Andriamanitra isika, satria “Fanahy” izy. (Jaona 4:24) Mampiasa sarin-teny ny Baiboly, mba hahatakarantsika ny herin’Andriamanitra sy ny fahalehibeazany ary ny asany. Ao ny fampitahana, ny teny an’ohatra, ary ny fampisehoana an’Andriamanitra ho toy ny olona. Koa na dia tsy fantatsika aza hoe ohatra ny ahoana ny vatany ara-panahy, dia milaza ny Baiboly fa manana maso izy, sofina, tanana, sandry, tongotra, ary fo.​—Genesisy 8:21; Eksodosy 3:20; 31:18; Joba 40:9; Salamo 18:9; 34:15.

Izany akory tsy midika hoe manana rantsambatana toy ny an’olombelona Andriamanitra. Tsy tokony horaisina ara-bakiteny ireo teny ireo. Manampy ny olona hahatakatra bebe kokoa ny momba azy fotsiny izany. Raha tsy misy sarin-teny toy izany, dia ho sarotra amin’ny olona ary mety tsy ho azony mihitsy ireo filazalazana momba an’Andriamanitra. Tsy midika anefa izany hoe noforomporonin’ny olombelona fotsiny ny toetran’i Jehovah Andriamanitra. Milaza mazava ny Baiboly fa noforonina tahaka ny endrik’Andriamanitra ny olona, fa tsy Andriamanitra no noforonina tahaka ny endriky ny olona. (Genesisy 1:27) Nahazo ny “herin’ny fanahy masin’Andriamanitra” ny mpanoratra ny Baiboly, ka izay nolazain’Andriamanitra momba ny toetrany ihany no nosoratan’izy ireo. Ireo toetrany ireo no nataon’Andriamanitra ao anatin’ny olombelona noforoniny, amin’ny fetrany samy hafa. (2 Timoty 3:16, 17) Tsy ny olona akory no nanome ireo toetra ireo an’Andriamanitra, fa Andriamanitra no nametraka azy ireo tao amin’ny olona.

[Sary, pejy 4]

Nahita fitia teo imason’Andriamanitra i Noa

[Sary, pejy 5]

Nahafantatra tsara ny fihetseham-pon’Andriamanitra i Abrahama

[Sary, pejy 6]

Natoky tanteraka an’i Jehovah i Davida

[Sary, pejy 7]

Ho fantatrao ny fomba hampifaliana an’Andriamanitra, rehefa mamaky Baiboly ianao

[Sary nahazoan-dalana, pejy 4]

Courtesy of Anglo-Australian Observatory, photograph by David Malin