Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miezaka Hampifaly An’Andriamanitra ny Olombelona

Miezaka Hampifaly An’Andriamanitra ny Olombelona

Miezaka Hampifaly An’Andriamanitra ny Olombelona

“NISY heriny teo amin’ny fiainan’ny olona foana ny finoana an’Andriamanitra, izay mazàna heverina ho mpifehy sy mpamorona izao rehetra izao. Marina izany na dia eo amin’ireo firenena milaza ho tsy mino an’Andriamanitra aza.” Izany no nolazain’i John Bowker ao amin’ny bokiny hoe Tantara Fohy Momba An’Andriamanitra (anglisy). Latsa-paka ao amin’ny olombelona rehetra ny faniriana ho akaiky an’Andriamanitra sy hahazo ny fankasitrahany. Maneran-tany, dia maro be no tena maniry hampifaly azy. Mazava ho azy fa miovaova araka ny zavatra inoany ny fomba anaovany izany.

Misy mihevitra fa ampy ny manana fitondran-tena tsara mba hankasitrahan’Andriamanitra. Ny hafa indray mino fa afaka mahazo sitraka aminy izy ireo, rehefa manao asa soa ho an’ny mahantra. Ary zava-dehibe ho an’ny olona maro ireo fombafomba sy fanao ara-pivavahana.

Misy koa anefa mihevitra fa sarotra hatonina Andriamanitra satria lavitra loatra izy, na be atao loatra ka tsy miraharaha ny sarambaben’olona. Nino i Épicure, filozofa grika fahiny, fa ‘lavitra loatra ireo andriamanitra, ka sady tsy afaka manisy ratsy antsika, no tsy afaka manasoa antsika.’ Mpivavaka anefa ny ankamaroan’ny olona mihevitra toy izany. Manolotra fanatitra sy manao fombafomba mba hampitonena ny razana mihitsy aza ny sasany amin’izy ireo.

Ahoana kosa no hevitrao? Tena voamarik’Andriamanitra tokoa ve ny fiezahantsika hahazo ny fankasitrahany? Afaka manohina ny fony sy mampifaly azy ve isika?

[Sary nahazoan-dalana, pejy 2]

FONONY: Courtesy of ROE/Anglo-Australian Observatory, photograph by David Malin