Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vao Mainka Ilaintsika ny Miambina Ankehitriny

Vao Mainka Ilaintsika ny Miambina Ankehitriny

Vao Mainka Ilaintsika ny Miambina Ankehitriny

“Koa miambena hatrany àry ianareo, satria tsy fantatrareo ny andro hiavian’ny Tomponareo.”​—MATIO 24:42.

1, 2. Inona no mampiseho fa efa hifarana ity tontolo ity?

“NY ADY no tena nampiavaka ny taonjato faharoapolo”, hoy ilay mpanoratra atao hoe Bill Emmott. Niaiky izy fa efa nianjadian’ny ady sy herisetra foana ny olombelona hatramin’izay, nefa hoy koa izy: ‘Tsy ny fisian’ny ady sy herisetra fotsiny no nampiavaka ny taonjato faharoapolo, fa ny hamafin’izany sy ny habetsahan’ny toerana nisehoany. Tamin’io taonjato io vao tena nisy izany hoe ady naneran-tany izany, sady ady roa naneran-tany no nitranga, fa tsy iray monja akory.’

2 Nilaza mialoha i Jesosy Kristy fa hisy ady, ka ny ‘firenena hitsangana hamely firenena ary ny fanjakana hamely fanjakana.’ Lafiny iray monja amin’ilay ‘famantarana ny fanatrehan’i Kristy sy ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity’ anefa izany. Nanambara koa i Jesosy tao amin’io faminaniana lehibe nataony io, fa hisy mosary sy areti-mandringana ary horohoron-tany. (Matio 24:3, 7, 8; Lioka 21:6, 7, 10, 11) Mihamahery vaika ireo loza ireo, ary mihabetsaka ny faritra amelezany. Be dia be ny faharatsian’ny olona, ary hita taratra izany eo amin’ny fiheverany an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona. Miharatsy ny fitondran-tena, ary mitombo ny heloka bevava sy ny herisetra. Lasa tia vola ny olona, fa tsy tia an’Andriamanitra, ary ny fahafinaretana no mibahana ao an-tsainy. Porofoin’izany rehetra izany fa “fotoan-tsarotra” tokoa izao iainantsika izao.​—2 Timoty 3:1-5.

3. Tokony hanosika antsika hanao inona ny “famantarana ny fotoana voatondro”?

3 Ahoana no fiheveranao ny fiharatsian’ny fiainan’ny olombelona? Maro no tsy miraharaha ny fahoriana misy ankehitriny, ary tsy mampihontsina azy akory aza izany. Tsy takatry ny sain’ny olona ambony sy ny manam-pahaizana eto amin’ity tontolo ity ny dikan’ny “famantarana ny fotoana voatondro.” Tsy manome tari-dalana tsara momba izany koa ny mpitondra fivavahana. (Matio 16:1-3) Nananatra ny mpanara-dia azy anefa i Jesosy hoe: “Koa miambena hatrany àry ianareo, satria tsy fantatrareo ny andro hiavian’ny Tomponareo.” (Matio 24:42) Mampirisika antsika ‘hiambina hatrany’ i Jesosy eto, fa tsy hoe hiambina vetivety fotsiny akory. Tsy maintsy mailo sy mitandrina foana isika, raha te hiambina hatrany. Tsy ampy fotsiny ny miaiky hoe andro farany sy fotoan-tsarotra izao iainantsika izao. Tsy maintsy miaiky mafy isika fa ‘manakaiky ny faran’ny zava-drehetra.’ (1 Petera 4:7) Amin’izay ihany isika vao hahatsapa fa vao mainka ilaina ny miambina ankehitriny. Tsy maintsy eritreretintsika àry hoe: ‘Ahoana no hanamafisana ny finoantsika hoe efa akaiky ny farany?’

4, 5. a) Inona no hanamafy ny finoantsika hoe efa hifarana ity tontolo ratsy ity, ary nahoana? b) Inona ny lafiny iray mampitovy ny andron’i Noa sy ny fanatrehan’ny Zanak’olona?

4 Eritrereto ny toe-piainana talohan’ny fisehoan-javatra niavaka iray teo amin’ny tantaran’ny olombelona, dia ilay Safodrano lehibe tamin’ny andron’i Noa. Ratsy fanahy be ny olona, ka ‘nalahelo ny fon’i’ Jehovah. Hoy izy: “Haringako tsy hisy ambonin’ny tany ny olona izay noforoniko.” (Genesisy 6:6, 7) Izany tokoa no nataony. Nampitovin’i Jesosy tamin’ny andron’i Noa ny androntsika, ary hoy izy: “Toy ny tamin’ny andron’i Noa, dia ho toy izany koa ny fanatrehan’ny Zanak’olona.”​—Matio 24:37.

5 Azo inoana fa toy ny fiheveran’i Jehovah an’ilay tontolo talohan’ny Safodrano, no fiheverany ity tontolo ity. Nandringana ny olona tsy tia azy tamin’ny andron’i Noa izy, ka azo antoka fa handringana ny ratsy fanahy miaina amin’izao andro izao koa. Rehefa mazava tsara amintsika ny mampitovy ny andron’i Noa sy ny androntsika, dia hiaiky mafy kokoa isika hoe efa hifarana ity tontolo ity. Inona àry no mampitovy azy ireo? Misy lafin-javatra dimy, fara fahakeliny. Voalohany, dia nisy fampitandremana nazava tsara fa ho avy ny fandringanana.

Nampitandremana ny amin’ny ‘zavatra mbola tsy hita’

6. Inona no nokasain’i Jehovah hatao tamin’ny andron’i Noa?

6 Hoy i Jehovah tamin’ny andron’i Noa: “Tsy mba hanapaka mandrakariva ao amin’ny olona ny Fanahiko, fa amin’ny faniavany dia nofo izy; nefa ho roa-polo amby zato taona ny androny.” (Genesisy 6:3) Tamin’ny 2490 T.K. no nanambaran’Andriamanitra an’io didim-pitsarana io, ary tamin’izay no nanomboka ny andro faran’ilay tontolo tsy tia azy. Mba eritrereto ange ny dikan’izany ho an’ny olona niaina tamin’izany andro izany e! Roapolo amby zato taona sisa i Jehovah dia hahatonga “safodrano ambonin’ny tany handringana ny nofo rehetra izay manam-pofonaina ambanin’ny lanitra.”​—Genesisy 6:17.

7. a) Ahoana no nandraisan’i Noa ilay fampitandremana momba ny Safodrano? b) Ahoana no tokony handraisantsika ny fampitandremana momba ny fiafaran’ity tontolo ity?

7 Am-polo taona mialoha i Noa no efa nahazo fampitandremana momba ilay loza nananontanona. Nampiasainy tamim-pahendrena àry ny fotoanany, ka niomana izy mba hiarovana ny ainy. Nilaza ny apostoly Paoly fa ‘naneho tahotra an’Andriamanitra sy nanamboatra sambo fiara hamonjena ny ankohonany’ i Noa, “rehefa nahazo fampitandremana avy tamin’Andriamanitra ny amin’ny zavatra mbola tsy hitany.” (Hebreo 11:7) Ahoana ny amintsika? Sivifolo taona teo ho eo izay no lasa hatramin’ny nanombohan’ny andro faran’ity tontolo ity tamin’ny 1914. Tena miaina amin’ny “andro farany” tokoa isika. (Daniela 12:4) Ahoana àry no tokony handraisantsika ny fampitandremana nomena antsika? “Izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay”, hoy ny Baiboly. (1 Jaona 2:17) Izao àry no fotoana hanaovana ny sitrapon’i Jehovah, ary tokony ho dodona isika hanao izany.

8, 9. Inona avy no fampitandremana omen’i Jehovah ankehitriny, ary ahoana no anambarana izany?

8 Hitan’ny olona tso-po nianatra ny Soratra Masina, fa voaozona ho rava ity tontolo ity. Mino izany ve ianao? Mariho izao teny mazava nataon’i Jesosy Kristy izao: “Hisy fahoriana lehibe izay mbola tsy nisy toa azy hatramin’ny niandohan’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony.” (Matio 24:21) Nilaza koa i Jesosy fa notendren’Andriamanitra ho Mpitsara izy, ary ho avy hanavaka ny olona, toy ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy. “Ho any amin’ny fandringanana mandrakizay” ny olona tsy mendrika, “fa ny olo-marina kosa ho any amin’ny fiainana mandrakizay.”​—Matio 25:31-33, 46.

9 Ampahatsiahivin’i Jehovah ny vahoakany ireo fampitandremana ireo, amin’ny alalan’ny sakafo ara-panahy omen’ny “mpanompo mahatoky sy malina.” (Matio 24:45-47) Asaina ‘hatahotra an’Andriamanitra ka hanome voninahitra azy’ koa ny firenena sy foko sy olona samy hafa fiteny ary vahoaka rehetra, “satria tonga ny ora fitsarany.” (Apokalypsy 14:6, 7) Tapany tsy misaraka amin’ny hafatra torin’ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany, ilay fampitandremana hoe kely sisa dia handrava ny fitondran’olombelona ny Fanjakan’Andriamanitra. (Daniela 2:44) Tsy tokony hohamaivanina io fampitandremana io. Mitana ny teniny foana ilay Andriamanitra manana ny hery fara tampony. (Isaia 55:10, 11) Nitana ny teniny izy tamin’ny andron’i Noa, ary hanao izany koa izy amin’izao androntsika izao.​—2 Petera 3:3-7.

Miely patrana ny fitondran-tena maloto

10. Nanao ahoana ny fitondran-tenan’ny olona tamin’ny andron’i Noa?

10 Misy lafiny hafa mampitovy ny androntsika amin’ny andron’i Noa. Nibaiko ny mpivady voalohany i Jehovah Andriamanitra mba ‘hameno ny tany.’ Nomeny fahafahana hanao firaisana àry izy ireo, mba hanatanterahana izany. (Genesisy 1:28) Nisy anjely tsy nankatò anefa tamin’ny andron’i Noa, ary nitaona ny olona hanao firaisana mamoafady izy ireo. Nidina tetỳ an-tany izy ireo, naka endrik’olombelona, ary niara-nipetraka tamin’ny vehivavy tsara tarehy. Niteraka izy ireo, ary Nefilima no anaran’ny taranany, izay sady olombelona no demonia. (Genesisy 6:2, 4) Ampitovina amin’ny fanao mamoafady tany Sodoma sy Gomora ny fahotan’ireo anjely nanana filan-dratsy ireo. (Joda 6, 7) Noho izany, dia niely patrana ny fitondran-tena maloto tamin’izany andro izany.

11. Nahoana no lazaina fa mitovy amin’ny andron’i Noa ny androntsika, raha ny fitondran-tenan’ny olona no jerena?

11 Ary manao ahoana ny fitondran-tenan’ny olona ankehitriny? Mibahan-toerana eo amin’ny fiainan’ny maro ny resaka firaisana ara-nofo, amin’izao andro farany izao. Nilaza i Paoly fa “tsy mahalala menatra intsony” ireny olona ireny. Maro no manaram-po “amin’ny fitondran-tena mahamenatra hanao izao karazam-pahalotoana rehetra izao, sady tsy mety afa-po fa mbola te hanao foana.” (Efesianina 4:19) Fahita ny boky sy sary vetaveta, ny fanaovana firaisana alohan’ny fanambadiana, ny fametavetana ankizy, ary ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy. Efa ‘mandray ao amin’ny tenany ny valin’izany rehetra izany’ ny sasany, satria voan’ny aretina azo avy amin’ny firaisana, rava ny tokantranony, ary mahita olana hafa izy eo amin’ny fiaraha-monina.​—Romanina 1:26, 27.

12. Nahoana isika no tokony hankahala ny ratsy?

12 Nampisy Safodrano lehibe i Jehovah tamin’ny andron’i Noa, ka nandrava ilay tontolo adalana firaisana. Tsy tokony hohadinointsika na oviana na oviana fa tena mitovy amin’ny andron’i Noa ny androntsika. Ho ringana ny ‘mpijangajanga, ny mpanitsakitsa-bady, ny lehilahy manaiky hanaovan-dehilahy firaisana, ary ny lehilahy miray amin’ny lehilahy’, mandritra ilay “fahoriana lehibe” efa mananontanona. (Matio 24:21; 1 Korintianina 6:9, 10; Apokalypsy 21:8) Tena ilaintsika maika àry ny mankahala ny ratsy sy manalavitra ny toe-javatra mety hitarika antsika haloto fitondran-tena!​—Salamo 97:10; 1 Korintianina 6:18.

Feno herisetra ny tany

13. Nahoana no feno herisetra ny tany tamin’ny andron’i Noa?

13 Nampiavaka ny andron’i Noa koa ny herisetra, araka ny voalazan’ny Baiboly hoe: “Simba ny tany teo anatrehan’Andriamanitra sady heni-doza.” (Genesisy 6:11) Tsy tamin’izay akory vao nisy ny herisetra. Namono ny rahalahiny, izay olo-marina, ohatra, i Kaina zanak’i Adama. (Genesisy 4:8) Tia herisetra toy ny olona tamin’ny androny koa i Lameka, ary hita taratra izany ao amin’ny tononkalo nataony. Mirehareha erỳ izy ao amin’ilay tononkalo hoe nahafaty tovolahy, mba hiarovan-tena, hono. (Genesisy 4:23, 24) Ny habetsahan’ny herisetra tamin’ny andron’i Noa no tsy nampitovy azy tamin’ny teo aloha. Rehefa nanambady vehivavy tetỳ an-tany ny anjely tsy nankatò, ka niteraka ny Nefilima, dia nitombo be tsy nisy toy izany ny herisetra. “Mpanjera”, na “mampianjera ny olon-kafa” no dikan’ny anaran’ireo lehilahy goavana sy nahery setra ireo, amin’ny teny hebreo. (Genesisy 6:4) Noho izany, dia “heni-doza” ny tany. (Genesisy 6:13) Eritrereto ange ny olana tsy maintsy natrehin’i Noa rehefa nitaiza ny zanany teo anivon’izany tontolo izany izy e! ‘Marina teo anatrehan’i Jehovah’ anefa i Noa, teo anivon’ireo ‘olona niara-belona taminy.’​—Genesisy 7:1.

14. Nahoana no lazaina fa feno herisetra ny tany ankehitriny?

14 Efa nisy foana ny herisetra hatramin’izay. Toy ny tamin’ny andron’i Noa anefa, dia tena betsaka tsy misy toy izany izy io ankehitriny. Matetika isika no mandre momba ny herisetra an-tokantrano, asa fampihorohoroana, fandripahana foko manontolo, ary vonoan’olona maro be tsy amin’antony. Eritrereto koa ny ra mandriaka noho ny ady. Nanjary feno herisetra indray ny tany. Nahoana? Inona no nampitombo ny herisetra toy izany? Ny valin’izany dia ahitana lafiny hafa mampitovy ny androntsika amin’ny andron’i Noa.

15. a) Inona no nampitombo ny herisetra amin’izao andro farany izao? b) Inona anefa no azontsika antoka?

15 Nandray fepetra lehibe i Jesosy Kristy, rehefa natao Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra tany an-danitra, tamin’ny 1914. Noroahina avy tany an-danitra i Satana Devoly sy ny demoniany, ary nazera tetỳ amin’ny manodidina ny tany. (Apokalypsy 12:9-12) Ninia nandao ny toerany tany an-danitra ny anjely tsy nankatò, talohan’ny Safodrano. Noroahina mihitsy anefa izy ireo tatỳ aoriana. Tsy afaka maka endrik’olombelona intsony koa izy ireo izao, ka tsy afaka manaram-po amin’ny fahafinaretan’ny nofo, izay andrarana azy. Diso fanantenana sy tezitra àry izy ireo, sady matahotra ny didim-pitsarana hihatra aminy, hany ka mitarika ny olona sy ny fikambanana sasany hanao heloka bevava sy herisetra tsy mifaditrovana sy betsaka kokoa noho ny tamin’ny andron’i Noa. Rehefa nofenoin’ny anjely tsy nankatò sy ny taranak’izy ireo faharatsiana ny tany, dia noringanin’i Jehovah ilay tontolo. Matokia fa hanao izany koa izy amin’izao androntsika izao! (Salamo 37:10) Fantatry ny olona miambina hatrany anefa fa efa akaiky ny fanavotana azy ireo.

Torina ilay hafatra

16, 17. Inona no lafiny fahefatra mampitovy ny androntsika amin’ny andron’i Noa?

16 Ny asa nasaina nataon’i Noa no lafiny fahefatra mampitovy ny androntsika amin’ny fiainana talohan’ny Safodrano. Nanao sambo fiara goavambe i Noa, ary ‘nitory’ koa izy. (2 Petera 2:5) Inona no hafatra notoriny? Azo inoana fa nitaona ny olona hibebaka izy, ary nampitandrina azy ireo fa ho avy ny fandringanana. Nilaza i Jesosy fa ‘tsy niraharaha’ izany ny olona tamin’ny andron’i Noa, “mandra-pahatongan’ny safodrano, izay nifaoka azy rehetra.”​—Matio 24:38, 39.

17 Voambara eran-tany koa ny hafatra momba ny Fanjakan’Andriamanitra, satria mazoto manao ny asa fitoriana nanirahana azy ny Vavolombelon’i Jehovah. Afaka mandre na mamaky an’io hafatra io amin’ny fiteniny ny olona, saika amin’ny faritra rehetra eran-tany. Maherin’ny 25 000 000 ny isan’ny Tilikambo Fiambenana indray mivoaka. Atao pirinty amin’ny fiteny maherin’ny 140 io gazety manambara ny Fanjakan’i Jehovah io. Torina “manerana ny tany onenana” tokoa ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra, mba “ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra.” Azo antoka fa ho tonga ny farany, rehefa vita araka izay mahafa-po an’Andriamanitra io asa io.​—Matio 24:14.

18. Toy ny tamin’ny andron’i Noa, ahoana no fandraisan’ny olona maro ny hafatra torintsika?

18 Tsy niraharaha ny zavatra ara-panahy ny olona talohan’ny Safodrano, sady ratsy fitondran-tena. Tsy mahagaga àry raha tsy nino ilay hafatra notorin’i Noa ny mpiara-belona taminy, sady nihomehy sy niteny ratsy ary naneso azy mianakavy. Tena tonga anefa ny farany. Be dia be koa ny ‘mpaneso tonga maneso’ amin’izao andro farany izao. “Ho avy tahaka ny mpangalatra anefa ny andron’i Jehovah”, hoy ny Baiboly. (2 Petera 3:3, 4, 10) Azo antoka fa ho avy izy io amin’ny fotoana voatondro. (Habakoka 2:3) Tena hendry àry isika raha miambina hatrany!

Vitsy no voavonjy

19, 20. Inona no mampitovy ny Safodrano sy ny fandringanana an’ity tontolo ity?

19 Tsy ny faharatsian’ny olona sy ny fandringanana azy ireo ihany no mampitovy ny androntsika amin’ny andron’i Noa. Nisy olona voavonjy tamin’ilay Safodrano, ary izany koa no hitranga rehefa hifarana ity tontolo ity. Ny mpandefitra, izay tsy nanaraka ny fomba fiainan’ny ankamaroan’ny olona, no voavonjy tamin’ny Safodrano. Nanaraka ny fampitandreman’Andriamanitra izy ireo, ary nisaraka hatrany tamin’ilay tontolo ratsy tamin’izany andro izany. ‘Nahita fitia teo imason’i Jehovah’ i Noa, hoy ny Baiboly. “Tsy nisy tsiny teo amin’ny olona niara-belona taminy” izy. (Genesisy 6:8, 9) Tamin’ny olombelona rehetra, dia fianakaviana iray, ‘olom-bitsy, eny, olona valo no nentina ka tafita soa aman-tsara avy tamin’ny rano.’ (1 Petera 3:20) Nibaiko azy ireo i Jehovah Andriamanitra hoe: “Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany.”​—Genesisy 9:1.

20 Manome toky antsika ny Tenin’Andriamanitra fa hisy “vahoaka be” ho voavonjy ‘amin’ny fahoriana lehibe.’ (Apokalypsy 7:9, 14) Firy izy ireo? Hoy i Jesosy: ‘Tery ny vavahady ary ety ny lalana mankany amin’ny fiainana, ka vitsy no mahita azy.’ (Matio 7:13, 14) Ho vitsy ny olona voavonjy amin’ilay fahoriana lehibe, izay mananontanona, raha oharina amin’ireo olona an’arivo tapitrisa miaina eto an-tany ankehitriny. Mety homena tombontsoa mitovy amin’ny an’ireo voavonjy tamin’ny Safodrano anefa izy ireo. Mety hisy fotoana hamelana azy ireo hiteraka, ary ho anisan’ilay tontolo vaovao ny taranany.—Isaia 65:23.

“Miambena hatrany”

21, 22. a) Inona no soa azonao avy tamin’ny fandinihana ny tantaran’ny Safodrano? b) Inona no andinin-teny ho an’ny taona 2004, ary nahoana isika no tokony hanaraka ny torohevitra omen’izy io?

21 Fampitandremana tsy azontsika odiana tsy fantatra ny Safodrano, na dia toa efa ela be aza no nisehoany. (Romanina 15:4) Ireo lafiny mampitovy ny androntsika amin’ny andron’i Noa, dia tokony hampieritreritra antsika bebe kokoa momba ny dikan’ny zava-mitranga ankehitriny. Tokony hahatonga antsika ho mailo koa izany, satria ho avy toy ny mpangalatra i Jesosy, mba handringana ny ratsy fanahy.

22 Toy ny mitarika asa fanorenana goavana koa i Jesosy Kristy amin’izao andro izao. Misy paradisa ara-panahy ankehitriny, izay azo oharina amin’ny sambo fiara, ary natao hiarovana ny tena mpivavaka sy hamonjena ny ainy. (2 Korintianina 12:3, 4) Tsy maintsy mijanona ao amin’io paradisa io isika raha tiantsika ho voatsimbina ny aintsika amin’ilay fahoriana lehibe. Manodidina an’io paradisa io ny tontolon’i Satana, izay vonona handrapaka ny olona rendremana ara-panahy. Tena ilaintsika àry ny ‘miambina hatrany’ sy miomana ho amin’ny andron’i Jehovah.​—Matio 24:42, 44.

Tadidinao Ve?

• Inona no fananarana nomen’i Jesosy momba ny fahatongavany?

• Noharin’i Jesosy tamin’ny inona ny fanatrehany?

• Inona avy no mampitovy ny androntsika amin’ny andron’i Noa?

• Tokony hanosika antsika hanao inona ny fandinihana ny fitovian’ny andron’i Noa sy ny androntsika?

[Fanontaniana]

[Teny notsongaina, pejy 18]

Izao no andinin-teny ho an’ny taona 2004: “Miambena hatrany . . . Miomàna.”​—Matio 24:42, 44.

[Sary, pejy 15]

Nanaraka ny fampitandreman’Andriamanitra i Noa. Manao izany koa ve isika?

[Sary, pejy 16, 17]

“Toy ny tamin’ny andron’i Noa, dia ho toy izany koa ny fanatrehan’ny Zanak’olona”