Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tadidinao Ve?

Tadidinao Ve?

Tadidinao Ve?

Tianao ve ny namaky ireo nomerao faramparany tamin’ny Tilikambo Fiambenana? Jereo àry raha hainao ny mamaly ireto fanontaniana ireto:

Misy toko firy ny bokin’i Mika, oviana izy io no nosoratana, ary inona no toe-javatra nisy tamin’izany fotoana izany?

Misy toko fito ny bokin’i Mika. Tamin’ny taonjato fahavalo T.K. ilay mpaminany no nanoratra azy io. Nizara ho firenena roa ilay firenena nanaovan’Andriamanitra fanekena tamin’izay, dia ny Israely sy Joda.​—15/8, pejy faha-9.

Inona no takin’Andriamanitra amintsika, araka ny Mika 6:8?

Tokony “hanao ny marina” na ny rariny, isika. Ny fomba fanaovan’i Jehovah zavatra no mamaritra ny atao hoe rariny. Noho izany, dia tsy maintsy manaraka ny toro lalany momba ny fanaovana ny marina sy ny filazana ny marina foana isika. Nasainy “ho tia famindrampo”, na fitiavana sy hatsaram-panahy isika. Manao izany ny Kristianina rehefa manome izay ilain’ny hafa, ohatra, aorian’ny loza. Tsy maintsy manaiky ny fetran’ny mety ho vitantsika sy miankina amin’i Jehovah isika, raha te ‘hanaraka azy amin’ny fanetren-tena.’​—15/8, pejy faha-20-22.

Inona no tokony hataon’ny Kristianina raha mamoy ny asany izy?

Fahendrena ny mandinika indray ny fomba fiainantsika. Mety ho azo atao ny manatsotra ny fiainantsika, angamba mifindra amin’ny trano kely kokoa na tsy mitahiry ireo entana tsy ilaina. Tena ilaina koa ny tsy manahy intsony momba izay ilaina isan’andro, fa matoky hoe hanome izay ilaintsika Andriamanitra. (Matio 6:33, 34)​—1/9, pejy faha-14, 15.

Inona no tokony hotadidin’izay manolotra fanomezana ho an’ny mpivady vao, na izay mpivady vao mandray fanomezana?

Tsy voatery ho lafo vidy ny fanomezana, ary tsy tokony hanantena izany koa isika. Ny toe-pon’ilay mpanome no tena zava-dehibe. (Lioka 21:1-4) Tsy fanehoana hatsaram-panahy ny mampahafantatra amin’ny besinimaro ny anaran’ilay nanolotra fanomezana. Mety hahasanganehana ny fanaovana izany. (Matio 6:3)​—1/9, pejy faha-29.

Nahoana isika no tsy tokony hitsahatra hivavaka?

Afaka manampy antsika hanamafy ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra sy hanomana antsika hiatrika fisedrana mafy ny fivavahana tsy tapaka. Afaka manao vavaka fohy na lava isika, arakaraka izay ilaintsika sy ny zava-mitranga. Manatanjaka ny finoantsika sy manampy antsika handamina ireo zava-manahirana antsika ny vavaka.​—15/9, pejy faha-15-18.

Ahoana no tokony ho fahazoantsika ny hevitry ny 1 Korintianina 15:29, izay miresaka ny amin’ny batisa ho an’ny maty, ao amin’ny dikan-teny sasany?

Ny tian’ny apostoly Paoly holazaina dia hoe atao batisa, na aroboka ny Kristianina voahosotra, ka hanaraka fomba fiaina, izay hitarika azy ho amin’ny fahafatesana noho ny tsy fivadihany, sahala amin’i Kristy. Hatsangana ho zavaboary ara-panahy toa an’i Kristy izy ireo avy eo.​—1/10, pejy faha-29.

Ahoana no ahafantarantsika fa ny hoe lasa Kristianina, dia tsy midika fotsiny hoe manalavitra ny ratsy izay voalaza ao amin’ny 1 Korintianina 6:9-11?

Tsy ny fanao ratsy toy ny fijangajangana sy ny fanompoan-tsampy ary ny fisotroana tafahoatra fotsiny no nasain’i Paoly halavirin’ny Kristianina. Nasehony tao amin’ny andinin-teny manaraka, fa misy fiovana hafa ilaina hatao. Hoy izy: “Azoko atao ny zava-drehetra, nefa tsy ny zava-drehetra no mahasoa.”​—15/10, pejy faha-18, 19.

Iza ny sasany amin’ireo vehivavy nampifaly ny fon’i Jehovah tamin’ny andro taloha?

Anisan’izy ireo i Sifra sy Poa, mpampivelona izay nanohitra an’i Farao ka tsy namono ireo zazalahy israelita vao teraka. (Eksodosy 1:15-20) Niaro israelita roa lahy mpisafo tany i Rahaba, vehivavy janga kananita. (Josoa 2:1-13; 6:22, 23) Naneho fahendrena i Abigaila, ka namonjy ain’olona sy nisakana an’i Davida tsy hivesatra trosan-dra. (1 Samoela 25:2-35) Modely ho an’ny vehivavy amin’izao fotoana izao izy ireo.​—1/11, pejy faha-8-11.

Ahoana no ‘niadian’ny kintana avy tany an-danitra’ tamin’i Sisera, araka ny Mpitsara 5:20?

Misy milaza fa manondro ny fanampian’Andriamanitra ireo teny ireo. Ny hafa kosa milaza fa manondro ny fanampian’ny anjely izany, na tainkintana niraraka, na koa ireo filazana mialoha nataon’ny mpanandro, izay niankinan’i Sisera. Tsy hazavain’ny Baiboly ny fomba nandraisan’ny kintana anjara tamin’ilay ady. Toa ampy àry ny mihevitra hoe manondro ny sasany tamin’ny fomba namonjen’Andriamanitra ny tafik’Israely ireo teny ireo.​—15/11, pejy faha-30.

Nahoana no mbola maro no milaza fa mino an’Andriamanitra, nefa tsy miraika amin’ny fivavahana ny ankabeazan’ny mponina eran-tany?

Mankany am-piangonana mba hitady fiadanan-tsaina ny olona sasany. Ny hafa manantena fiainana mandrakizay aorian’ny fahafatesana, na mikatsaka fahasalamana sy harena ary fahombiazana. Any amin’ny faritra sasany, dia manantena hahazo fanampiana mba hihavanana amin’Andriamanitra ny olona, satria tsapany ho toa misy banga ny fiainany, noho izy niala tsikelikely tamin’ny Kominisma, ary revo nikatsaka harena, rehefa nanaraka ny Kapitalisma. Manampy ny Kristianina hanao resaka misy heviny izany, rehefa mitory.​—1/12, pejy faha-3.