Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nitady ny Lalana Ety Izy Ireo

Nitady ny Lalana Ety Izy Ireo

Nitady ny Lalana Ety Izy Ireo

NANDAO ny fonenany tany Prague, Chelčice, Vilémov, Klatovy, ary ny tanàna hafa tany amin’ny Repoblika Tseky, ny antokon’olona vitsivitsy nitonona ho Kristianina, efa ho 550 taona lasa izay. Nanorim-ponenana tany amina lohasaha any avaratratsinanan’i Bohême, akaikin’ny tanànan’i Kunwald izy ireo. Nanao trano kely izy ireo, namboly, namaky ny Baiboliny, ary niantso ny tenany hoe Fikambanan’ny Mpirahalahy, na Unitas Fratrum amin’ny teny latinina.

Olona maro samihafa izy ireo, toy ny tantsaha, andriana, mpianatry ny oniversite, mpanankarena sy mahantra, lehilahy sy vehivavy, ary mananotena sy kamboty. Iray ihany ny tanjon’izy rehetra. Izao no nosoratan’izy ireo: “Nivavaka tamin’Andriamanitra izahay, ary nitalaho taminy mba hambarany aminay ny tena sitrapony amin’ny zava-drehetra. Naniry handeha tamin’ny lalany izahay.” Hita, araka izany, fa nitady ny ‘lalana ety mankany amin’ny fiainana’ ny Fikambanan’ny Mpirahalahy na ny Mpirahalahy Tseky, araka ny niantsoana azy tatỳ aoriana. (Matio 7:13, 14) Inona avy no fahamarinana ara-baiboly hitan’izy ireo tamin’ny fikarohana lalina nataony? Inona no nampiavaka ny zavatra ninoan’izy ireo tamin’ireo nekena tamin’izany, ary inona no azontsika ianarana avy amin’izy ireo?

Tsy nanao herisetra sy tsy nilefitra

Fivavahana maromaro tamin’ireo taona 1450 no nahatonga ny Fikambanan’ny Mpirahalahy hiforona. Iray tamin’ireny ny Vaudois, izay efa nisy tamin’ireo taona 1100. Tamin’ny voalohany, ny Vaudois dia niala tamin’ny Katolika, izay ny fivavahana nekena tany Eoropa

Afovoany. Nanaraka ny fampianarana katolika sasany indray anefa izy ireo tatỳ aoriana. Teo koa ny fivavahana naorin’ny mpanara-dia an’i Jan Hus. Nanaraka azy io ny ankamaroan’ny Tseky, nefa tsy nifanara-tsaina mihitsy izy ireo. Ny asa fanasoavana mantsy no nimasoan’ny sasany, fa ny hafa kosa nampiasa ny fivavahana mba hampandrosoana ny hevitra ara-politika notohanany. Anisan’ny nahatonga ny Fikambanan’ny Mpirahalahy hiforona koa ny fivavahana mino ny Fanjakana Arivo Taona. Teo koa ireo manam-pahaizana momba ny Baiboly teo an-toerana sy tany ivelany.

Nahay tsara ny fampianaran’ny Vaudois sy ny mpanara-dia an’i Jan Hus i Peter Chelčický (t. 1390-t. 1460), manam-pahaizana tseky momba ny Baiboly sy mpitondra fanavaozana. Tsy nanaraka ny mpanara-dia an’i Jan Hus anefa izy satria lasa nahery setra izy ireo. Tsy nanaraka ny Vaudois koa izy satria nampandefitra ny fampianarany izy ireo. Nilaza i Chelčický fa tsy tokony handray anjara amin’ny ady ny Kristianina. Ny “lalàn’i Kristy” no tokony hifehy azy, araka ny heviny, na inona na inona mety ho vokany. (Galatianina 6:2; Matio 22:37-39) Nosoratany tao amin’ilay boky hoe Ny Tena Finoana (tseky) ny fampianarany, tamin’ny 1440.

Voataonan’ny fampianaran’i Chelčický i Gregory, tanora avy any Prague niara-belona taminy, ka tsy niaraka tamin’ny mpanara-dia an’i Hus intsony. Nandresy lahatra olona maromaro, nanara-dia an’i Hus taloha, i Gregory tamin’ny 1458, mba handao ny tranon’izy ireo tany amin’ny faritra samy hafa nanerana ny Repoblika Tseky. Anisan’ny nanaraka azy tany amin’ny tanànan’i Kunwald ireo olona ireo. Namorona fivavahana vaovao izy ireo tany. Nisy Vaudois tseky sy alemà koa nanaraka azy ireo tatỳ aoriana.

Jery todika ny lasa

Vao haingana ilay antokon’olona no niforona, nefa nihanitombo. Nanana synoda maromaro tany amin’ny faritr’i Kunwald izy ireo, nanomboka tamin’ny 1464 ka hatramin’ny 1467, ary nandany fanapahan-kevitra maromaro, mba hamaritana ilay fivavahany vaovao. Nosoratana tsara tao anaty boky maromaro, antsoina ankehitriny hoe Acta Unitatis Fratrum (Asan’ny Fikambanan’ny Mpirahalahy) ny fanapahan-kevitra rehetra. Manazava tsara ny zavatra ninoan’ny Mpirahalahy ireo boky ireo, ka toy ny manao jery todika ny lasa izay mamaky azy. Ahitana taratasy sy lahateny ao anatiny, ary na dia ny tsipiriany tamin’ny adihevitr’izy ireo aza.

Izao no lazain’ireo boky ireo momba ny zavatra ninoan’ny Mpirahalahy: “Tapa-kevitra izahay fa hampifanaraka ny zavatra ataonay amin’izay vakinay ao amin’ny Baiboly. Hanaraka ny ohatry ny Tompo sy ny apostoly masina koa izahay, ka hisaintsaina izay novakinay, hanetry tena sy hahari-po, ho tia ny fahavalonay, hanao soa aminy sy hitso-drano azy, ary hivavaka ho azy.” Voalazan’ireo boky ireo koa fa nitory ny Mpirahalahy, tamin’ny voalohany. Nandeha tsiroaroa izy ireo, ka ny vehivavy no tena nahomby. Tsy nanao politika sy tsy nanao fianianana ny Mpirahalahy. Tsy nanao raharaha miaramila na nitondra fitaovam-piadiana koa izy ireo.

Lasa tsy niray saina

Nanjary tsy niaina nifanaraka tamin’ny anarany intsony anefa ny Fikambanan’ny Mpirahalahy, am-polo taona tatỳ aoriana. Nampisara-bazana azy ireo ny adihevitra momba ny hoe ahoana marina no tokony hampiharana ny zavatra ninoany. Nizara roa izy ireo tamin’ny 1494, ka lasa Antoko Lehibe sy Antoko Madinika. Tsy dia nampihatra ny zavatra ninoany tamin’ny voalohany intsony ny Antoko Lehibe. Ny Antoko Madinika kosa anefa nitory fa tsy tokony hanao politika na hinamana amin’izao tontolo izao, toy ny hatramin’izay ihany izy ireo.​—Jereo ilay efajoro hoe “Nanao Ahoana ny Antoko Lehibe?”

Izao, ohatra, no nosoratan’ny mpikambana iray tao amin’ny Antoko Madinika: “Tsy azo inoana mihitsy hoe tsy hivadika amin’Andriamanitra ny olona mandeha amin’ny lalana roa, satria tsindraindray ihany sy amin’ny zavatra madinika izy ireo vao manolo-tena ho azy sy manaiky hofeheziny. Manao izay tiany kosa izy ireo amin’ny zava-dehibe. . . . Ny olona tianay hiarahana, dia izay tsy mivadika sy manana eritreritra madio, izany hoe manara-dia an’i Kristy Tompo isan’andro eo amin’ny lalana ety sy mitondra ny lakroany.”

Hery ampiasain’Andriamanitra sy “rantsantanany” ny fanahy masina, araka ny hevitry ny Antoko Madinika. Ninoan’izy ireo koa fa novidin’i Jesosy tamin’ny ainy lavorary ny zava-drehetra nafoin’i Adama. Tsy nivavaka tamin’i Maria, renin’i Jesosy ny Antoko Madinika. Narahin’izy ireo indray ilay fampianarana hoe mpisorona daholo ny mpino rehetra, nefa tsy voatery hivoady tsy hanambady. Nampirisika ny mpikambana rehetra hitory amin’ny besinimaro izy ireo, ary nandroaka izay mpanota tsy nibebaka. Tsy nanao raharaha miaramila na politika mihitsy izy ireo. (Jereo ilay efajoro hoe “Ny Zavatra Ninoan’ny Antoko Madinika.”) Nihevitra ny Antoko Madinika fa izy no tena mpandimby ny Fikambanan’ny Mpirahalahy tany am-boalohany, satria narahiny tsara ny fanapahan-kevitra tao amin’ireo boky Acta.

Sahy niteny ka nenjehina

Sahy nitsikera ny Antoko Lehibe sy ny fivavahana hafa ny Antoko Madinika. Hoy ny nosoratan’izy ireo momba ireny fivavahana ireny: “Mampianatra ianareo fa tokony hatao batisa ny ankizikely, nefa tsy manam-pinoana akory izy ireny. Manahaka ny eveka iray antsoina hoe Denys ianareo amin’izany. Nampirisihin’ny olona kely saina izy, ka nanatitrantitra fa tokony hatao batisa ny zazakely. . . . Mino an’io fampianarana io ny ankamaroan’ny mpampianatra sy ny teolojianina malaza rehetra, toa an-dry Luther, Melanchthon, Bucer, Korvín, Jiles, Bullinger, . . . ary ny Antoko Lehibe.”

Tsy mahagaga raha nenjehina ny Antoko Madinika. Nokapohina sy nodorana i Jan Kalenec, iray tamin’ny mpitarika azy io, tamin’ny 1524. Nodorana teo amin’ny tsato-kazo ny mpikambana telo tao amin’ny Antoko Madinika, tatỳ aoriana. Toa tsy nisy intsony ny Antoko Madinika tamin’ny 1550 tany ho any, rehefa maty ny mpitarika azy ireo farany.

Nisy heriny teo amin’ny fivavahana tany Eoropa tamin’ny taonjato faha-5 ka hatramin’ny faha-15 tany ho any anefa ny Antoko Madinika. Marina aloha fa tsy nahavita nanala ny haizina ara-panahy efa nisy hatry ny ela izy ireo, satria mbola tsy nitombo ny “fahalalana” marina tamin’izany. (Daniela 12:4) Tokony ho fantatry ny Kristianina ankehitriny anefa ny fanirian’izy ireo hitady ny lalana ety sy hanaraka azy io, na dia nisy fanoherana aza.

[Teny notsongaina, pejy 13]

Voalaza fa nosoratan’ny Fikambanan’ny Mpirahalahy ny 50 tamin’ireo boky tseky 60 nivoaka nanomboka tamin’ny 1500 ka hatramin’ny 1510

[Efajoro, pejy 11]

Nanao Ahoana ny Antoko Lehibe?

Inona no niafaran’ny Antoko Lehibe? Mbola nisy izy io, rehefa foana ny Antoko Madinika, ary mbola Fikambanan’ny Mpirahalahy no niantsoana azy. Nanova ny zavatra ninoany io antoko io, tatỳ aoriana. Lasa nikambana tamin’ny Loteranina Utraquistes * tseky izy io tamin’ny faran’ireo taona 1500. Na izany aza, dia mbola nazoto nandika sy namoaka Baiboly sy boky ara-pivavahana hafa ihany ny Antoko Lehibe. Tsara homarihina fa nisy ny litera hebreo efatra mampiseho ny anaran’Andriamanitra, ny fonon’ireo boky voalohany navoakany.

Noterena hanaiky ny fifehezan’ny Eglizy Katolika ny fanjakana tseky, tamin’ny 1620. Maro àry ny Mpirahalahy tao amin’ny Antoko Lehibe no nandao ilay tany ary nanohy ny asany tany ivelany. Lasa nantsoina hoe Eglizin’i Moravia (faritra any amin’ny Repoblika Tseky) izy io tatỳ aoriana, ary mbola misy hatramin’izao.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 24 Avy amin’ny teny latinina hoe utraque, izay midika hoe “iray amin’izy roa.” Nizara mofo sy divay ny Utraquistes (iray amin’ireo antokon’olona nanara-dia an’i Jan Hus), fa tsy toy ny mompera katolika, izay tsy nanome divay ho an’ny mpivavaka tsotra nandritra ny Kominio Masina.

[Efajoro, pejy 12]

Ny Zavatra Ninoan’ny Antoko Madinika

Ireto ny sasany amin’ireo zavatra ninoan’ny Antoko Madinika, izay nalaina tao amin’ny boky Acta Unitatis Fratrum tamin’ny taonjato faha-15 ka hatramin’ny taonjato faha-16. Ny mpitarika ny Antoko Madinika no nanoratra azy ireo, ka ny Antoko Lehibe no tena nandefasana azy.

Andriamanitra telo izay iray: “Raha mijery ao amin’ny Baiboly manontolo ianareo, dia tsy hahita mihitsy hoe telo izay iray na olona telo miavaka araka ny noeritreretin’ny olona, Andriamanitra.”

Fanahy masina: “Ny fanahy masina, dia rantsantanan’Andriamanitra na fanomezana avy aminy, na mpampionona, na Herin’Andriamanitra. Omen’ny Ray an’izay mino azy izy io, noho ny soron’i Kristy. Tsy hitantsika ao amin’ny Soratra Masina fa tokony hantsoina hoe Andriamanitra ny fanahy masina; tsy hita ao amin’ny fampianaran’ny apostoly koa izany.”

Fisoronana: “Omen’izy ireo anaram-boninahitra hoe “mpisorona” na pretra ianareo, nefa tsy marina izany. Ny tampon-dohanareo nosolaina sy ny fampiasanareo an’ilay diloilo lazaina fa manasitrana no hany mampiavaka anareo amin’ny mpivavaka tsotra. Nilaza i Masindahy Piera fa ny Kristianina rehetra no tokony ho mpisorona. Hoy izy: Mpisorona masina manolotra fanati-panahy ianareo. (1 Piera 2)”

Batisa: “Hoy i Kristy Tompo tamin’ny apostoliny: Mandehana eran’izao tontolo izao, torio amin’ny zavaboary rehetra ny Filazantsara, dia any amin’izay mino. (Marka, toko 16) Aorian’izay vao ataovy batisa izy, mba ho voavonjy. Ianareo anefa mampianatra hoe tokony hatao batisa ny ankizikely, izay tsy manam-pinoana akory.”

Tsy manao raharaha miaramila: “Nino ny rahalahinareo taloha fa ratsy sady tsy mendrika ny manao raharaha miaramila sy mamono olona ary mandeha eny an-dalana mirongo fiadiana. Ianareo anefa mino fa tsara izany rehetra izany . . . Tsy mazava tsara aminareo sy ny mpampianatra hafa àry, araka ny hevitray, ilay faminaniana hoe: Notapatapahiny ny zana-tsipìka sy ny ampinga sy ny sabatra ary ny fiadiana. (Salamo 75, na Salamo 76 ao amin’ny Fandikan-teny Protestanta) Hoy koa ny andininy hafa: Tsy handratra na hanimba eran’ny tendrombohitro masina izy, fa ny tanin’ny Tompo ho henika ny fahalalana azy. (Isaia, toko 11) Mbola misy andininy milaza toy izany koa.”

Fitoriana: “Fantatsika tsara fa nahomby kokoa ny vehivavy teo amin’ny fitoriana, raha oharina tamin’ny pretra rehetra sy ny eveka. Mipetrapetraka fotsiny any amin’ny trano nomen’ny fiangonana azy anefa izao ny pretra. Tsy mety mihitsy izany! Mandehana eran’izao tontolo izao. Mitoria . . . amin’ny zavaboary rehetra.”

[Sarintany, pejy 10]

(Jereo ny gazety)

ALEMAINA

POLONINA

REPOBLIKA TSEKY

BOHÊME

Reniranon’i Elbe

PRAGUE

Reniranon’i Vltava

Klatovy

Chelčice

Kunwald

Vilémov

MORAVIA

Reniranon’i Danube

[Sary, pejy 10, 11]

Ankavia: Peter Chelčický; eo ambany: pejy avy amin’ny boky “Ny Tena Finoana”

[Sary, pejy 11]

Gregory avy any Prague

[Sary nahazoan-dalana, pejy 13]

Sary rehetra: S laskavým svolením knihovny Národního muzea v Praze, C̆esko