Salamo 76:1-12

  • Resin’i Jehovah ny fahavalon’i Ziona

    • Vonjen’Andriamanitra ny mpandefitra (9)

    • Hatao tsinontsinona ny fahavalo mirehareha (12)

Ho an’ny mpitarika; ampiarahina amin’ny zavamaneno fitendry. Salamo nataon’i Asafa.+ Hira. 76  Fantatry ny mponina ao Joda Andriamanitra,+Ary malaza ny anarany+ eo amin’ny Israely.  2  Ao Salema+ ny tranolainy,Ary ao Ziona+ ny fonenany.  3  Tao izy no nanapatapaka ny zana-tsipìka mirehitra,Ny ampinga, ny sabatra, ary ny fitaovam-piadiana hafa.+ (Sela)  4  Mamirapiratra be* ianao;Mbola manerinerina kokoa noho ny tendrombohitra fihazana remby ianao.  5  Voaroba ireo be herim-po.+ Resin-tory izy ireo;Tsy misy mpiaro ny miaramila rehetra.+  6  Ry Andriamanitr’i Jakoba ô, noho ny teny henjana nolazainao,Dia samy renoky ny torimaso ny mpitondra kalesy sy ny soavaly.+  7  Ianao irery no mendrika hatahorana.+ Iza no mahazaka ny hatezeranao rehefa tezitra be ianao?+  8  Avy tany an-danitra ianao no nanambara didim-pitsarana;+Natahotra ny tany ka nangina+  9  Rehefa nitsangana hampihatra didim-pitsarana Andriamanitra,Mba hamonjena ny mpandefitra rehetra eto an-tany.+ (Sela) 10  Fa hitondra dera ho anao ny fahatezeran’ny olona;+Hataonao firavaka eny aminao ny fahatezerana sisa tavela ao amin’izy ireo. 11  Manaova voady amin’i Jehovah Andriamanitrareo ary efao izany,+Aoka izay rehetra manodidina azy hitondra fanomezana amin-tahotra.+ 12  Hataony tsinontsinona ny fireharehan’ny* mpitarika;Ataony matahotra azy ny mpanjakan’ny tany.

Fanamarihana

Na: “Rakotra hazavana.”
Abt: “toe-tsain’ny.”