Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nampirisihina Hilaza “Asa Lehibe” Ireo Nahazo Diplaoma

Nampirisihina Hilaza “Asa Lehibe” Ireo Nahazo Diplaoma

Nampirisihina Hilaza “Asa Lehibe” Ireo Nahazo Diplaoma

OLONA maro be nisy 6 635, avy any amin’ny tany 52, no nanatrika ny fizarana diplaoma ho an’ny kilasy faha-115 amin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Tilikambo Fiambenana, tamin’ny 13 Septambra 2003.

Nandre ny fampirisihana azon’ireo mpianatra 48 anisan’io kilasy io, ireo olona ireo. Izy io dia fampirisihana hilaza ny “asa lehibe nataon’Andriamanitra”, any amin’ireo mponin’ny tany 17. (Asan’ny Apostoly 2:11) Ireo tany ireo no hanaovan’ireo nahazo diplaoma ny asa misionera.

I Stephen Lett, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, no mpitari-draharaha. Nampahatsiahy ireo mpianatra toy izao izy, teo am-piandohan’ilay fandaharana: “Na aiza na aiza faritany anendrena anareo, ary na inona na inona ho hitanareo any, dia tadidio rehefa hiainga ho any ianareo, fa betsaka kokoa ny momba anareo noho ny manohitra anareo.” Ny Mpanjaka Faharoa toko faha-6 no nampiasain’ny Rahalahy Lett. Nampahatsiahiviny fa mahazo matoky izy ireo hoe tohanan’i Jehovah Andriamanitra sy ny anjeliny maro be izy ireo, rehefa mampahafantatra ny “asa lehibe nataon’Andriamanitra.” (2 Mpanjaka 6:15, 16) Tojo fanoherana sy tsy firaharahana ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany, rehefa nitory sy nampianatra, ary izany koa no hitan’ireo misionera kristianina ankehitriny. Afaka miantehitra amin’ny fanampiana avy any an-danitra sy avy amin’ny fandaminan’i Jehovah eto an-tany anefa izy ireo.​—Salamo 34:7; Matio 24:45.

Lazao ny “asa lehibe nataon’Andriamanitra”

I Harold Corkern, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Etazonia, no nanao ilay lahateny nanaraka hoe: “Falifaly sy Mahita Fahombiazana Ireo Tsy Manantena Zavatra Be Loatra.” Milaza ny Ohabolana 13:12, hoy ny Rahalahy Corkern, fa diso fanantenana ny olona rehefa tsy tanteraka mihitsy izay nantenainy. Mazàna anefa no diso fanantenana izy, satria zavatra tsy tena misy no nantenainy ka tsy tanteraka. Tsy tokony hanantena zavatra tafahoatra, na tsy araka ny tena izy avy amin’ny tenany sy ny hafa àry ireo nahazo diplaoma. Tokony hanampo ny hanao fahadisoana izy ireo, nefa tsy tokony hampalahelo azy ireo be loatra izany, raha mbola eo am-piezahana mafy manampy ny hafa hahatakatra ny “asa lehibe nataon’Andriamanitra” izy. Nampirisihin’ny Rahalahy Corkern ireo misionera vaovao hitoky amin’i Jehovah, ilay “mpamaly soa an’izay mitady azy fatratra.”​—Hebreo 11:6.

I Daniel Sydlik, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, no namelabelatra ilay foto-kevitra manaraka hoe: “Inona moa Ilay Fanantenana Kristianina?” Hoy izy: “Toetra tsara tokony hananan’ny Kristianina ny fanantenana. Izy io no amaritana izay atao hoe mahitsy eo imason’Andriamanitra, ary izay no mahatonga olona iray hanana fifandraisana tsara amin’Andriamanitra. Tsy vitan’ny tsy Kristianina ny manantena toa antsika.” Notanisainy avy eo ireo lafiny maro amin’ny fanantenana kristianina, izay manampy ny olona ho be fanantenana, na eo aza ny zava-manahirana eo amin’ny fiainana. “Be zotom-po sy vonon-kandresy isika eo am-piatrehana ny fiainana isan’andro, raha manana fanantenana.” Ny fanantenany no ahatakaran’ny Kristianina fa Andriamanitra manam-pikasana i Jehovah, ka faly izy manompo azy.​—Romanina 12:12.

Nampirisika ny mpianatra mba ‘handeha hatrany araka ny fanahy’ i Wallace Liverance, mpitan-tsoratry ny Sekolin’i Gileada. (Galatianina 5:16) Nasehony fa saika voavily tsy handeha araka ny fanahy i Baroka, mpitan-tsoratr’i Jeremia. Nisy fotoana nahakivy azy, ary nanomboka nikatsaka zavatra lehibe ho azy izy. (Jeremia 45:3, 5) Nolazain’ny Rahalahy Liverance avy eo, fa tsy nanara-dia an’i Jesosy intsony ny sasany. Nolavin’izy ireny ny fahamarinana, izay tena ilaina mba hahavoavonjy. Tsy takatr’izy ireny mantsy izay nampianarin’i Jesosy, hany ka diso fanantenana izy rehefa tsy tanteraka tamin’izany fotoana izany ny fanantenany hahazo sakafo. (Jaona 6:26, 27, 51, 66) Inona àry no azon’ny misionera ianarana avy amin’izany? Izao izany: Nampirisihina izy ireo tsy hitady toerana ambony, na hila dera amin’olona, na hanararaotra ny maha misionera azy, mba hahazoana tombony. Ny hisarika ny sain’ny olona ho amin’ny Mpamorona sy ny fikasany mantsy no asany.

“Ho Mpanome ve Ianao sa ho Mpandray?”, hoy ny fanontanian’i Mark Noumair, mpampianatra any Gileada. Niorina tamin’ny Mpitsara 5:2 ny lahateniny. Resahina ao ny momba ny Israelita sasany izay noderaina satria tsy tia tena fa nazoto nanolo-tena hiditra tao amin’ny tafik’i Baraka. Noderaina koa ny mpianatr’i Gileada, noho izy ireo vonona hamaly ny antson’ilay Baraka Lehibe, dia i Jesosy Kristy, mba hirotsaka bebe kokoa amin’ilay ady ara-panahy. I Kristy no niantso azy ho miaramila ka ny hahazo sitraka amin’i Kristy no tokony hiezahany. Nampahatsiahy ireo mpianatra toy izao ny Rahalahy Noumair: “Mitsahatra tsy miady amin’ny fahavalo isika rehefa manomboka mifantoka amin’ny fampifaliana ny tenantsika. . . . Tsy ny hitory momba anao no ataonao rehefa manao ny fanompoan’ny misionera, fa ny hitory momba an’i Jehovah sy ny zony hitondra ary ny fanaovana ny sitrapony. Raha manompo amin’ny maha misionera isika, dia tsy hoe satria tiantsika hampifaly antsika i Jehovah, fa noho isika tia azy.”​—2 Timoty 2:4.

Nitarika ny anjara manaraka i Lawrence Bowen, anisan’ny mpampianatra any Gileada. Izao ilay foto-kevitra: “Hamasino Amin’ny Alalan’ny Fahamarinana Izy Ireo.” (Jaona 17:17) Nomarihiny fa mpanompon’Andriamanitra nohamasinina ireo mpianatra tao amin’ny kilasy faha-115. Nandray anjara tamin’ny fanompoana teny amin’ny saha izy ireo nandritra ilay sekoly, ary nitady olona tso-po tia ny fahamarinana. Toa an’i Jesosy sy ireo mpianany voalohany, dia ‘tsy araka ny nahim-pon’izy ireo’ no nitenenany. (Jaona 12:49, 50) Nilaza ny fahamarinana mamonjy aina azo avy tamin’ny fanahy masina, izy ireo. Nataon’izy ireo fampisehoana na notantarainy ny zavatra hitany teny amin’ny fanompoana. Tamin’izany no nahitana fa tena nisy heriny teo amin’ny olona niresahan’izy ireo, ny Baiboly.

Torohevitra sy fitantarana mampahery

Samy anisan’ny Sampan-draharahan’ny Fanompoana any amin’ny sampan’i Etazonia i Anthony Pérez sy Anthony Griffin. Izy ireo no nitarika ny fanadinadinana rahalahy anisan’ny Komitin’ny Sampana, avy any amin’ny tany samihafa. Niresaka momba ireo zava-tsarotra atrehin’ny misionera vaovao izy ireny, sady nanome torohevitra mahasoa, miorina amin’ny zavatra niainany. Anisan’izany zava-tsarotra izany ny fahasamihafan’ny kolontsaina sy ny toetany mafana sy mando mandavantaona, na ny toe-draharaha politika sy fivavahana, izay tsy mitovy amin’ny nahazatra ireo mpianatra. Inona no hanampy ireo misionera vaovao hahavita hizaka ny zava-misy vaovao manodidina azy? Ny fitiavany an’i Jehovah, ny fitiavana ny olona, ny tsy fitodihana ny lasa, ary ny tsy ho maimaika hanao zavatra. Hoy ny rahalahy iray anisan’ny Komitin’ny Sampana: “Ireo olona tao amin’ny faritaninay aza efa taonjato maro be talohanay no niaina tany. Azonay atao koa àry ny miaina sy mizatra amin’ny toe-javatra any. Isaky ny nisy olana nipoitra, dia noheverinay ho fomba hanatsarana ny toetranay izany. Miantehitra amin’ny vavaka sy amin’ny fanahin’i Jehovah ianao, ary hitanao fa marina ny tenin’i Jesosy hoe: ‘Hiaraka aminareo aho.’”​—Matio 28:20.

Tonga teo amin’ny dingana lehibe ilay fandaharana, rehefa novelabelarin’i Samuel Herd anisan’ny Filan-kevi-pitantanana ilay foto-kevitra hoe: “Lazao Foana ny Asa Lehibe Nataon’Andriamanitra.” Nahazo hery hilazana ny “asa lehibe nataon’Andriamanitra” ireo mpianatr’i Jesosy rehefa nilatsaka tamin’izy ireo ny fanahy masina tamin’ny Pentekosta taona 33. Inona kosa no hanampy ireo misionera vaovao ankehitriny, mba hananany zotom-po toy izany rehefa mitory momba ny Fanjakan’Andriamanitra? Io fanahy masina io ihany no hanampy azy ireo. Nampirisihin’ny Rahalahy Herd ireo mpianatra nahazo diplaoma mba “harehitry ny fanahy”, hientam-po noho ny fanendrena azy ireo, ary tsy hanadino na oviana na oviana ny fampiofanana nomena azy. (Romanina 12:11) Hoy ny Rahalahy Herd: “Asa lehibe nataon’Andriamanitra ny Baiboly, ka aza hamaivanina mihitsy ny hasarobidin’izy io. Velona ny hafatr’izy io. Manindrona izy io, ka milentika hatrany anatiny indrindra. Ampiasao izy io mba hanitsiana izay tsy mety eo amin’ny fiainanareo. Avelao izy io hanitsy ny fisainanareo. Ataovy foana izay hahaizanareo misaina ka ianaro sy vakio ary saintsaino ny Soratra Masina . . . Ataovy tanjona ny hampiasa ny fampiofanana azonareo teto amin’ny Sekolin’i Gileada, mba hilazana foana ny ‘asa lehibe nataon’Andriamanitra.’”

Nisy firarian-tsoa maro novakina, ary nozaraina ny diplaoma. Avy eo, dia namaky taratasy fankasitrahana noho ilay fampiofanana ny mpianatra iray. Namarana ilay fotoana nahafaly ny Rahalahy Lett, ary andinin-teny nifanentana tsara tamin’ilay toe-javatra no noresahiny, dia ny 2 Tantara 32:7 sy ny Deoteronomia 20:1, 4. Nampifandraisiny tamin’ny teny fampidirana ny teny farany nataony, ka hoy izy: “Tsarovy, ry rahalahy malala, izay vao nahazo diplaoma, fa miaraka aminareo foana i Jehovah, eo am-pandehananareo ho amin’ilay ady ara-panahy any amin’ny faritany anendrena anareo. Aza hadinoina mihitsy, fa betsaka kokoa ny momba anareo noho ny manohitra anareo.”

[Efajoro, pejy 25]

ANTONTAN’ISA MOMBA ILAY KILASY

Tany nanana solontena: 7

Tany nanendrena: 17

Mpianatra: 48

Salanisan’ny taona: 33,7

Salanisan’ny taona naha tao amin’ny fahamarinana: 17,8

Salanisan’ny taona nanompoana manontolo andro: 13,5

[Sary, pejy 26]

Ny Kilasy Faha-115 Nahazo Diplaoman’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Tilikambo Fiambenana

Amin’ilay lisitra eto ambany, ireo laharana dia asiana nomerao avy eo aloha mankany aoriana, ary ireo anarana dia tononina avy eo ankavia miankavanana isaky ny laharana.

1) Brown, T.; Goller, C.; Hoffman, A.; Bruzzese, J.; Trahan, S. 2) Smart, N.; Cashman, F.; Garcia, K.; Lojan, M.; Seyfert, S.; Gray, K. 3) Beckett, M.; Nichols, S.; Smith, K.; Gugliara, A.; Rappenecker, A. 4) Gray, S.; Vacek, K.; Fleming, M.; Bethel, L.; Hermansson, T.; Hermansson, P. 5) Rappenecker, G.; Lojan, D.; Dickey, S.; Kim, C.; Trahan, A.; Washington, A.; Smart, S. 6) Goller, L.; Burghoffer, T.; Gugliara, D.; Nichols, R.; Washington, S.; Kim, J. 7) Beckett, M.; Dickey, J.; Smith, R.; Garcia, R.; Hoffman, A.; Seyfert, R.; Brown, H. 8) Fleming, S.; Bruzzese, P.; Burghoffer, W.; Bethel, T.; Cashman, J.; Vacek, K.