Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Midika ve ny tenin’i Jesosy tao amin’ilay vavaka modely fa efa natao tany an-danitra ny sitrapon’Andriamanitra, na dia mbola tsy noroahina avy tany aza ireo anjely ratsy fanahy?

Hoy i Jesosy ao amin’ny Matio 6:10: “Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra.” Azo raisina amin’ny fomba roa io fangatahana io. Voalohany: Mangataka izy io, mba hatao etỳ an-tany ny sitrapon’Andriamanitra, toy ny efa anaovana izany any an-danitra. Na, faharoa: Mangataka izy io, mba hatao amin’ny fomba feno, eto an-tany sy any an-danitra, ny sitrapon’Andriamanitra. * Hoy i Jesosy talohan’izay: “Ho tonga anie ny fanjakanao.” Asehon’ny dikan’ireo teny ireo fa ilay hevitra faharoa no mifanaraka kokoa amin’ny Soratra Masina, sady ahitana taratry ny zava-nisy, tamin’i Jesosy tetỳ an-tany sy ela be taorian’izany. Ahoana izany?

Milaza vokatra roa miavaka tsara hoentin’ny fiorenan’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra, ny bokin’ny Apokalypsy. Mahakasika ny lanitra ny voalohany, ary mahakasika ny tany ny faharoa. Hoy ny Apokalypsy 12:7-9, 12: “Nisy ady nipoaka tany an-danitra: Mikaela sy ny anjeliny niady tamin’ilay dragona. Ary niady koa ilay dragona sy ny anjeliny nefa tsy naharesy, sady tsy nisy toerana ho azy ireo intsony tany an-danitra. Koa natsipy mafy ilay dragona lehibe, ilay menarana tany am-boalohany, ilay antsoina hoe Devoly sy Satana, izay mamitaka ny tany rehetra misy mponina. Natsipy mafy tamin’ny tany izy, ary ny anjeliny koa niara-natsipy taminy. Noho izany, dia mifalia ry lanitra sy ianareo izay monina ao aminy! Loza ho an’ny tany sy ny ranomasina, fa nidina any aminareo ny Devoly sady tezitra mafy, satria fantany fa fohy ny fotoana ananany.”

Faly be ireo anjely maro an’isa, izay tsy nivadika tamin’i Jehovah, satria nodiovina tsy hisy an’ireo fanahy ratsy mpikomy ny lanitra, taorian’ny 1914, rehefa noroahina avy tany i Satana sy ireo demonia. (Joba 1:6-12; 2:1-7; Apokalypsy 12:10) Tanteraka tany an-danitra àry ilay fangatahana tao amin’ny vavaka modely. Anjely tsy mivadika amin’i Jehovah sisa ireo rehetra any an-danitra, sady manaiky tanteraka ny zony hitondra.

Tsy maintsy antitranterina fa na dia talohan’izany aza, dia efa tsy anisan’ny fianakavian’Andriamanitra intsony ireo anjely ratsy fanahy, ary efa nisy fameperana nihatra taminy, na dia mbola afaka nankany an-danitra aza izy ireny. Milaza, ohatra, ny Joda 6, fa na dia tamin’ny taonjato voalohany aza dia efa “notahirizin’Andriamanitra sy nofatorany mandrakizay ao amin’ny haizim-be [ara-panahy], ho amin’ny fitsarana amin’ilay andro lehibe” izy ireo. Hoy koa ny 2 Petera 2:4: “Tsy niahotra Andriamanitra nanasazy an’ireo anjely nanota, fa natsipiny any amin’ny fonja atao hoe Tartara [mietry tanteraka] kosa izy ireo ka natolony ho ao an-davaka maizim-be [ara-panahy], mba hotahirizina ho amin’ny fitsarana.” *

Tsy anisan’ny fianakavian’Andriamanitra intsony ireny anjely ratsy fanahy ireny, na dia mbola tany an-danitra aza. Mbola manana fahefana lehibe kosa izy ireo eto an-tany. Antsoin’ny Tenin’Andriamanitra hoe “mpitondra an’izao tontolo izao” i Satana, ary “mpanjakan’izao tontolo anaty haizina izao” ireo demonia. (Jaona 12:31; Efesianina 6:11, 12; 1 Jaona 5:19) Noho ny fahefana ananan’i Satana, dia azony natao ny nanolotra ny “fanjakana rehetra eo amin’izao tontolo izao sy ny voninahitr’ireny fanjakana ireny” ho an’i Jesosy, raha niankohoka teo anatrehany indray mandeha i Jesosy. (Matio 4:8, 9) Mazava àry, fa hiova be ny fiainana eto an-tany, rehefa “tonga” ny Fanjakan’Andriamanitra.

Hanova tanteraka ny rafitr’ity tontolo ity ny Fanjakan’Andriamanitra, rehefa ho “tonga” eto an-tany. Hanorotoro tanteraka ny fitondran’olombelona ilay Fanjakana, ka izy io ihany sisa no ho fitondram-panjakana eto an-tany. Ho lasa “tany vaovao” kosa ny olona matahotra an’Andriamanitra. (2 Petera 3:13; Daniela 2:44) Hesorin’ilay Fanjakana tsy ho ao amin’ny olona mankatò intsony koa ny fahotana, ary hovany tsikelikely ho paradisa ny tany manontolo, ka ho foana tanteraka ny soritry ny fitondran’i Satana.​—Romanina 8:20, 21; Apokalypsy 19:17-21.

Ho vitan’ny Fanjakan’ny Mesia ny sitrapon’Andriamanitra momba ny Arivo Taona, rehefa hifarana io fotoana io, ka ny “Zanaka mihitsy koa no hanaiky an’Ilay nahatonga ny zava-drehetra hanaiky azy, mba ho Andriamanitra no zava-drehetra ho an’ny rehetra.” (1 Korintianina 15:28) Hisy fitsapana farany avy eo, ary aorian’izay no horinganina tanteraka amin’ny alalan’ny “fahafatesana faharoa” i Satana sy ny demoniany ary ny olona voatarika hikomy. (Apokalypsy 20:7-15) Ho faly mandrakizay sy hanaiky ny fitondrana feno fitiavan’i Jehovah avy eo, ny zavaboary manan-tsaina rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany. Ho tanteraka amin’ny lafiny rehetra amin’izay ny tenin’i Jesosy tao amin’ilay vavaka modely.​—1 Jaona 4:8.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Izao no ilazan’ny Baiboly​Fandikan-teny Amerikanina (anglisy) an’io tapany amin’ny vavaka modely io: “Tonga ny Fanjakanao! Atao etỳ an-tany sy any an-danitra ny sitraponao!”​—Matio 6:10.

^ feh. 6 Noharin’ny apostoly Petera tamin’ny olona “tao am-ponja” ireo ao anatin’io toe-piainana ara-panahy io. Tsy ilay “lavaka mangitsokitsoka” hanipazana ny demonia mandritra ny arivo taona anefa no noresahiny tamin’izany.​—1 Petera 3:19, 20; Lioka 8:30, 31; Apokalypsy 20:1-3.