Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Marka

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Marka

Velona ny Tenin’i Jehovah

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Marka

FOHY indrindra amin’ireo Filazantsara efatra ny Filazantsaran’i Marka. I Jaona Marka no nanoratra azy io, 30 taona teo ho eo taorian’ny nitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty. Misy tantara maro mampientanentana momba ny fanompoan’i Jesosy nandritra ny telo taona sy tapany ao. Tsy dia be tsipiriany izy ireny.

Hita fa nosoratana ho an’ny tsy Jiosy, indrindra fa ny Romanina, ny bokin’i Marka. Aseho ao fa Zanak’Andriamanitra i Jesosy, ary mpanao fahagagana sy nafana fo tamin’ny fitoriana. Ny asa nataon’i Jesosy no tena asongadina ao fa tsy ny fampianarany. Hihamatanjaka ny finoantsika ny Mesia, ary ho be zotom-po amin’ny fitoriana ny hafatr’Andriamanitra isika, raha mandinika ny Filazantsaran’i Marka.—Heb. 4:12.

FITORIANA NIAVAKA TANY GALILIA

(Marka 1:1–9:50)

Miresaka momba ny asan’i Jaona Mpanao Batisa sy ny nankanesan’i Jesosy 40 andro tany an-tany efitra i Marka, ao amin’ireo andininy 14 voalohany. Nitantara momba ny fanompoan’i Jesosy tao Galilia izy, avy eo. Miverimberina ao amin’ireo fitantarana ny teny hoe “raha vantany vao” sy ny hoe “avy hatrany.” Asehon’izany fa maika ilay asa nataon’i Jesosy.—Marka 1:10, 12.

Intelo i Jesosy no nitory tao Galilia, tao anatin’ny telo taona latsaka. Milahatra araka ny fotoana nisehoany ny ankamaroan’ireo zavatra tantarain’i Marka. Tsy noresahiny ny Toriteny teo An-tendrombohitra sy ireo toriteny lava hafa nataon’i Jesosy.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

1:15—Inona ilay “fotoana voatondro” tapitra? Tapitra ny fotoana niandrasan’i Jesosy, ka hanomboka ny fanompoany amin’izay izy. Efa nanakaiky àry ny Fanjakan’Andriamanitra tamin’izay, satria teo i Jesosy, ilay voatendry ho Mpanjakan’izy io. Afaka nanao zavatra mba hahazoana sitraka tamin’Andriamanitra ny olona tso-po nino ny hafatra notoriny.

1:44; 3:12; 7:36—Nahoana no tsy tian’i Jesosy holazalazaina etsy sy eroa ny fahagagana nataony? Tsy tian’i Jesosy hanatsoaka hevitra avy amin’ny fitantarana tsy marina na nitarina ny olona. Tiany raha izy ireo mihitsy no hahita ny porofo fa izy no Kristy, ka handray fanapahan-kevitra avy amin’izany. (Isaia 42:1-4; Matio 8:4; 9:30; 12:15-21; 16:20; Lioka 5:14) Naningana kosa ny tamin’ilay lehilahy nisy demonia tao amin’ny faritra nisy ny Gerasianina. Nasain’i Jesosy nody sy nitantara tamin’ny havany izay nitranga izy. Niangaviana hiala tao amin’ilay faritra mantsy i Jesosy, ka zara raha afaka nifandray, na tsy nifandray mihitsy tamin’ny mponina tao. Io lehilahy nositraniny io àry no ho afaka hamaly ny fanaratsiana mety hataon’ny olona momba ny nahafatesan’ireo kisoa.—Marka 5:1-20; Lioka 8:26-39.

2:28—Nahoana i Jesosy no antsoina hoe “Tompon’ny sabata”? Hoy ny apostoly Paoly: “Aloky ny zavatra tsara ho avy ny Lalàna.” (Heb. 10:1) Araka ny Lalàna, dia taorian’ireo andro enina niasana ny Sabata, ary matetika i Jesosy no nanasitrana tamin’io andro io. Mampiseho mialoha ny fotoam-piadanana sy ny fitahiana ho azon’ny olombelona mandritra ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy izany. Tsy hampahory ny olona intsony amin’izay ny fitondran’i Satana. “Tompon’ny sabata” àry ilay Mpanjakan’ny Fanjakana Arivo Taona.—Matio 12:8; Lioka 6:5.

3:5; 7:34; 8:12—Ahoana no nahalalan’i Marka ny fihetseham-pon’i Jesosy tamin’ny toe-javatra samihafa? Tsy anisan’ny apostoly 12 i Marka, sady tsy niara-niasa akaiky tamin’i Jesosy. Araka ny lovantsofina fahiny anefa, dia nifandray akaiky tamin’i Petera izy, ka izany no nahalalany zavatra maro momba an’i Jesosy.—1 Pet. 5:13.

6:51, 52—Inona no “dikan’ireo mofo” izay tsy nazava tamin’ireo mpianatra? Vao avy namahana lehilahy 5 000 sy zaza amim-behivavy tamin’ny mofo dimy sy trondro roa i Jesosy, ora vitsivitsy talohan’izay. Tokony ho azon’ireo mpianatra àry fa ny “dikan’ireo mofo”, dia hoe nomen’i Jehovah Andriamanitra hery hanaovana fahagagana i Jesosy. (Marka 6:41-44) Tsy tokony ho nahagaga azy ireo ny nahita an’i Jesosy nandeha teo ambony rano, raha takany ny halehiben’ny hery nomena an’i Jesosy.

8:22-26—Nahoana no nositranin’i Jesosy miandalana ny mason’ilay lehilahy jamba? Porofon’ny hatsaram-panahin’i Jesosy tamin’ilay lehilahy angamba izany. Tao anatin’ny haizina foana mantsy izy io nandritra ny taona maro. Nanampy azy hifankazatra tsikelikely tamin’ny hazavan’ny masoandro àry ny fanasitranana azy miandalana.

Lesona ho antsika:

2:18; 7:11; 12:18; 13:3. Nohazavain’i Marka ny fombafomba, ny teny, ny zavatra inoana, ary ny toerana mety tsy ho fantatr’ireo mpamaky tsy Jiosy. Nataony mazava tsara fa “nifady hanina matetika” ny Fariseo, “fanomezana voatokana ho an’Andriamanitra” ny hoe korbana, fampianaran’ny Sadoseo ny hoe ‘tsy hisy ny fitsanganan’ny maty’, ary ‘tazana’ avy eo amin’ny “Tendrombohitra Oliva” ny tempoly. Tsy niresaka momba ny tantaram-pirazanan’ny Mesia izy, satria ny Jiosy ihany no tena liana tamin’izany. Namela modely ho antsika àry i Marka. Tokony hihevitra ny fahalalan’ny olona mihaino antsika isika, rehefa mitory na manao lahateny.

3:21. Tsy nino azy ny havan’i Jesosy. Tsapany àry ny fihetseham-pon’ireo enjehina na esoin’ny mpianakavy tsy Vavolombelona.

3:31-35. Lasa Zanak’Andriamanitra ara-panahy i Jesosy Kristy rehefa natao batisa, ary “Jerosalema any ambony” no reniny. (Gal. 4:26) Nanomboka teo, dia ny mpianany no akaiky azy sy tiany kokoa noho ny fianakaviany ara-nofo. Ny fivavahana marina àry no tokony ho zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainantsika.—Matio 12:46-50; Lioka 8:19-21.

8:32, 34. Tokony ho mailo isika mba tsy ho voafitaky ny hatsaram-panahy diso toerana asehon’ny hafa amintsika. Tokony ho vonona ‘handa tena’ ny mpanara-dia an’i Kristy, izany hoe hahafoy tena sy tsy hanaiky ho resin’ny faniriana hitady izay hahasoa ny tena fotsiny. Tokony ho vonona “hitondra ny hazo fijaliany” izy, izany hoe hiaritra fijaliana, fanalam-baraka, fanenjehana na fahafatesana mihitsy aza, noho izy Kristianina. Tsy maintsy ‘manaraka’ an’i Jesosy “mandrakariva” izy, izany hoe mampifanaraka ny fiainany amin’ny modely nomeny. Ny hoe mpianatr’i Kristy Jesosy àry, dia midika hoe miezaka hahafoy tena hatrany toa azy.—Matio 16:21-25; Lioka 9:22, 23.

9:24. Tsy tokony ho menatra isika hanambara amin’ny hafa ny finoantsika sy hivavaka mba hitombo finoana.—Lioka 17:5.

NY VOLANA FARANY

(Marka 10:1–16:8)

Tonga teo amin’ny “sisin-tanin’i Jodia teny ampitan’ny Reniranon’i Jordana” i Jesosy tamin’ny faramparan’ny taona 32. Vory teo aminy indray ny vahoaka. (Marka 10:1) Nankany Jerosalema izy rehefa avy nitory teo.

Tao Betania izy ny 8 Nisana taona 33. Nandry nitehina ila nisakafo izy, no tonga nandraraka menaka manitra tamin’ny lohany ny vehivavy iray. Voatantara araka ny fotoana nisehoany ny zava-nitranga, nanomboka tamin’ny nidirany tamim-boninahitra tao Jerosalema ka hatramin’ny nitsanganany tamin’ny maty.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

10:17, 18—Nahoana no nahitsin’i Jesosy ny lehilahy iray niantso azy hoe “Mpampianatra tsara”? Nolavin’i Jesosy io anaram-boninahitra mandoka io. Nasehony tamin’izany fa i Jehovah no tokony homem-boninahitra, satria izy no tena Andriamanitra sy loharanon’ny zavatra tsara rehetra. Nisarika ny saina ho amin’ny fahamarinana iray lehibe koa izy, dia ny hoe i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpamorona ny zava-drehetra, ihany no manana zo hametra ny fitsipika momba izay tsara sy ratsy.—Matio 19:16, 17; Lioka 18:18, 19.

14:25—Hoy i Jesosy tamin’ireo apostoliny mahatoky: “Tsy hisotro intsony amin’ny vokatry ny voaloboka aho, mandra-pahatongan’ny andro hisotroako divay vaovao ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.” Inona no tiany holazaina? Tsy te hilaza i Jesosy hoe misy divay any an-danitra. Fifaliana no tiana holazaina amin’ny hoe divay, indraindray. Niresaka momba ny fifaliana ho tsapany àry izy, rehefa ho tafaraka aminy any amin’ny Fanjakany ireo voahosotra tafatsangana amin’ny maty.—Sal. 104:15; Matio 26:29.

14:51, 52—Iza ilay tovolahy “nandositra nitanjaka”? I Marka ihany no nitantara momba izany. Azo inoana àry fa niresaka momba ny tenany izy.

15:34—Nampiseho tsy fahampiam-pinoana ve ilay tenin’i Jesosy hoe: “Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no nahafoy ahy ianao?” Tsia. Tsy tena fantatsika mazava ny antony nilazan’i Jesosy an’io. Mety hidika anefa ireo teniny ireo, fa fantany hoe tsy niaro azy intsony i Jehovah mba hahitana raha tena tsy hivadika ilay Zanany. Mety ho naniry hanatanteraka izay voalaza mialoha momba azy ao amin’ny Salamo 22:1 koa izy.—Matio 27:46.

Lesona ho antsika:

10:6-9. Fikasan’Andriamanitra ny tsy hisarahan’ny mpivady mihitsy. Tsy tokony ho maimaika hisaraka àry izy ireo rehefa misy olana, fa hiezaka hampihatra ny toro lalan’ny Baiboly.—Matio 19:4-6.

12:41-44. Tokony hanahaka an’ilay vehivavy mpitondratena mahantra isika, ka halala-tanana rehefa manome vola hanohanana ny fivavahana marina.

[Sary, pejy 29]

Nahoana io lehilahy io no nasain’i Jesosy nitantara tamin’ny havany ny zava-nitranga taminy?