Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

Ny Mesia

Ny Mesia

Nilaza mialoha ny Baiboly fa ho tonga etỳ an-tany ny Mesia, mba hanafaka ny olona amin’ny aretina sy ny fijaliana ary ny fahafatesana. I Jesosy Kristy tokoa ve io Mesia io?

Ahoana no amantarana hoe iza ny Mesia?

Mamaly an’izany ny faminanian’ny Baiboly. Voalaza ao fa mizara roa ny asa tokony hataon’ny Mesia, na Kristy. * Ny voalohany tokony hataony etỳ an-tany, ary ny faharoa kosa hataony any an-danitra, ela be atỳ aoriana. Tsy maintsy lasa olombelona aloha izy mba hanatanteraka an’ilay asany voalohany. Nanome famantarana be dia be momba ny fiainany sy ny fanompoany ny mpanoratra Baiboly, amin’izay mora amin’ny olona ny mamantatra ny Mesia. Tsy mahagaga raha ny “fitoriana momba an’i Jesosy” no tena resahina ao amin’ny faminanian’ny Baiboly.—Apokalypsy 19:10.

Rehefa lasa anjely mahery any an-danitra i Jesosy, dia hataony maneran-tany ny fahagagana nataony tamin’izy olombelona tetỳ an-tany

IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY

Ny Mesia dia tsy maintsy...

Tanteraka tamin’i Jesosy daholo ireo faminaniana ireo sy ny maro hafa. Nanasitrana ny marary koa izy, sady nanangana ny maty. Vao mainka izany manaporofo hoe izy no Mesia. Tsy vitan’izay fa manampy antsika hatoky ny fampanantenan’ny Baiboly koa izany, hoe mbola hanasitrana ny marary rehetra sy hanangana ny maty rehetra izy amin’ny hoavy. (Lioka 7:21-23; Apokalypsy 21:3, 4) Rehefa niakatra any an-danitra i Jesosy taorian’ny nananganana azy, dia ‘nipetraka eo ankavanan’Andriamanitra’, mandra-pahatongan’ny fotoana hanatanterahany an’ilay asany faharoa.—Salamo 110:1-6.

“Rehefa tonga i Kristy, hanao famantarana maro noho ny vitan’ity lehilahy ity ve izy?”Jaona 7:31.

Inona avy ny asa mbola hataon’ny Mesia?

Nanantena ny Jiosy tamin’ny andron’i Jesosy fa hanafaka azy ireo amin’ny fitondrana romanina ny Mesia, sady hanjaka eo amin’izy ireo ka hahaleo tena indray ny Israely. (Asan’ny Apostoly 1:6) Tatỳ aoriana anefa vao takatr’ireo Jiosy mpanara-dia an’i Jesosy hoe any an-danitra ny Mesia no hamita tanteraka ny asany, rehefa lasa fanahy mahery izy ka homena fahefana lehibe.—Matio 28:18.

IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY

Rehefa lasa any an-danitra ny Mesia dia...

Efa vitan’i Jesosy tsara ny asa nampanaovina ny Mesia teto an-tany. Azo antoka fa ho vitany koa ny asa nampanaovina azy any an-danitra. Raha hendry àry isika dia handinika tsara ny fiainan’i Jesosy, satria efa nilaza izy hoe: “Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana.”—Jaona 14:6.

‘Amin’ny andro anjakany, dia hiroborobo ny olo-marina, ary ho be ny fiadanana raha mbola misy koa ny volana. Hisy olom-peheziny hatrany amin’ny faran’ny tany.’Salamo 72:7, 8.

^ feh. 5 Avy amin’ny teny hebreo ilay hoe “Mesia”, ary avy amin’ny teny grika kosa ny hoe “Kristy.” Mitovy ihany ny dikan’ireo.—Jaona 1:41.

^ feh. 7 Ny andinin-teny voalohany no faminaniana, ary ny faharoa kosa fomba nahatanterahan’ilay faminaniana.