Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MATOAN-DAHATSORATRA | MBOLA MANDAITRA VE NY TOROHEVITRY NY BAIBOLY?

Hajao ny Vadinao

Hajao ny Vadinao

TORO LALAN’NY BAIBOLY: “Aoka ho mendri-kaja eo imason’ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandrianan’ny mpivady.”—Hebreo 13:4.

MAHASOA VE IZANY? Mihevitra ny olona sasany hoe efa lany andro io torohevitra io. Tena diso hevitra anefa izay mieritreritra an’izany! Na taloha na amin’izao mantsy, dia marary fo foana ny olona raha mamitaka azy ny vadiny.—Ohabolana 6:34, 35.

I Jessie, ohatra, tsy mba nivadika tamin’ny vadiny sady tia ny zanany. Hoy izy: “Mifankatia be izahay mivady, ka sambatra ny fianakavianay. Tena ilaina ny mifampatoky ao an-tokantrano. Raha mamitaka ny vadinao anefa ianao, dia tsy hatoky anao intsony izy.” Hijaly koa ny ankizy raha mitranga izany.

I Ligaya * kosa tsy nanaja ny vadiny ka saika rava mihitsy ny tokantranony. Hoy izy: “Niaraka tamin’ny naman-dratsy aho, ka namonjy alim-pandihizana foana. Niaraka tamina lehilahy hafa koa aho tamin’izany.” Sambatra ve anefa izy? Niady foana izy mivady, ka nijaly be izy. Hoy ihany i Ligaya: “Menatra aho nieritreritra hoe ny nataoko ihany no nanimba ny fiainako. Tadidiko ny tenin’ny ray aman-dreniko hoe: ‘Ny naman-dratsy manimba ny fitondran-tena tsara.’ ”—1 Korintianina 15:33.

Dia inona no nataon’i Ligaya? Hoy izy: “Tapa-kevitra ny hiova aho dieny mbola tsy tara loatra. Nianatra Baiboly àry aho, sady tena nampihatra an’izay nianarako.” Avotra ihany ny tokantranony, ary lasa nanaja azy sy tsara fanahy taminy ny vadiny. “Ny Baiboly no nanova ny fiainako”, hoy izy, “ary tsy nanenina mihitsy aho niala tamin’ny toetra ratsiko sy ireo namako taloha.”

^ feh. 6 Novana ny anarana sasany.