Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FANADINADINANA | ANTONIO DELLA GATTA

Nahoana Izy no Niala Tsy ho Pretra?

Nahoana Izy no Niala Tsy ho Pretra?

NIANATRA tany Roma nandritra ny sivy taona i Antonio Della Gatta, ary voatendry ho pretra tamin’ny 1969. Tatỳ aoriana izy lasa talen’ny sekoly fiofanana ho pretra, tany akaikin’i Naples, any Italia. Nandinika sy nisaintsaina lalina izy tany, ka nanatsoaka hevitra hoe tsy mifanaraka amin’ny Baiboly ny fampianaran’ny fivavahana katolika. Niresaka an’izany tamin’ny Mifohaza! izy.

Nanao ahoana ny fiainanao tamin’ny mbola kely?

Tany Italia aho no teraka, tamin’ny 1943. Tanàna kely tany ambanivohitra no nisy anay. Fito mianadahy izahay, ary mpamboly sady nandrafitra i Dada. Fivavahana katolika no nitaizana anay.

Nahoana ianao no te ho lasa pretra?

Nahafinaritra ahy ny nihaino ny feon-dry mompera rehefa manao lamesa. Tiako koa ny fombafomba be dia be atao ao am-piangonana. Tapa-kevitra àry aho fa hanao mompera. Nampidirin’i Neny tany amin’ny kilasimandry ho an’ny zazalahy te hanao mompera aho, rehefa feno 13 taona.

Nianatra Baiboly ve ianareo?

Tsy dia izany loatra. Nisy mpampianatra anay nanome ahy Evanjely, tamin’izaho 15 taona. Novakiko imbetsaka ilay izy satria misy tantaran’i Jesoa sy ny fitoriana nataony. Nianatra tany amin’ny oniversite katolika tany Roma aho, rehefa 18 taona. Teo ambany fahefan’ny papa ireo oniversite ireo. Nianatra teny latinina sy grika aho tany, ary koa tantara, filozofia, psikolojia, ary teolojia. Namerimberina andinin-teny izahay tany, sady nihaino famakiana Baiboly tamin’ny toriteny isan’alahady. Tsy tena hoe nianatra Baiboly anefa izahay.

Inona avy ny asanao rehefa lasa tale ianao?

Niasa birao no tena nataoko tamin’izany. Nisy fotoana ihany anefa aho nampianatra taranja momba ny Konsily Faharoan’i Vatikana.

Nahoana ianao no lasa tsy natoky ny eglizy intsony?

Zavatra telo no nanahirana ny saiko. Voalohany, nanao politika ny eglizy. Faharoa, tsy voasazy akory ny pretra na mpiangona ratsy fitondran-tena. Ary fahatelo, hoatran’ny tsy mitombina ny fampianarana sasany ao amin’ny fivavahana katolika. Ohatra hoe Andriamanitra fitiavana ve dia hanasazy olona mandrakizay any amin’ny afobe? Dia Andriamanitra koa ve tena mitaky amintsika hoe hampiasa sapile ka hamerimberina vavaka in-jato mahery? *

Dia ahoana no nataonao?

Sady nitomany aho no nivavaka mba hatoron’Andriamanitra ahy ny tena marina. Nividy Baiboly katolika tamin’ny teny italianina koa aho, ary nanomboka namaky an’ilay izy. Nanatona ny akanjoko aho indray alahady rehefa avy nanao lamesa, ary ireny nisy lehilahy roa tonga tao amin’ilay toerana nisy anay. Nilaza izy ireo hoe Vavolombelon’i Jehovah. Niresaka nandritra ny adiny iray mahery izahay, momba ny Baiboly sy ny fomba amantarana ny fivavahana marina.

Inona no nahafinaritra anao tamin’izy ireo?

Tena resy lahatra tamin’ny zavatra ninoany izy ireo, sady mora taminy ny nitady andinin-teny na dia Baiboly katolika aza no nampiasaina. Nisy Vavolombelona atao hoe Mario koa nitsidika ahy tatỳ aoriana. Nanam-paharetana tamiko izy, sady tonga foana na tsara na ratsy ny andro. Sady izy marim-potoana an! Vao mipaika ny amin’ny sivy dia efa io izy fa mampaneno ny lakolosy eny am-bavahady.

Ahoana ny fahitan’ireo pretra sasany an’izany?

Nasaiko hanatrika an’ilay fianarana ry zareo, nefa tsy nisy tena vonona hianatra Baiboly. Izaho anefa tia an’ilay izy. Be dia be ny zavatra tsara nianarako. Ohatra hoe nahoana no avelan’Andriamanitra hisy ny fijaliana sy ny zavatra ratsy. Sady efa ela izany no nanahiran-tsaina ahy.

Nisakana anao tsy hianatra Baiboly ve ny lehibenareo?

Nankany Roma imbetsaka aho tamin’ny 1975, mba hanazava ny zavatra ninoako. Niezaka nandresy lahatra ahy ireo lehibenay, nefa tsy nisy nampiasa Baiboly. Nanoratra tany Roma àry aho tamin’ny 9 Janoary 1976, hoe hiala tsy ho Katolika intsony. Niala tao amin’ilay tranona mompera aho, roa andro taorian’izay. Nandray lamasinina aho ka nankany amin’ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah. Io no fivoriana voalohany natrehiko. Hay fivoriambe ilay izy, ka fiangonana maromaro no niaraka tao. Hafa mihitsy ny zavatra hitako tany. Samy nanana Baiboly ny rehetra, ary nanaraka an’izay andinin-teny novakin’ireo mpandahateny, izay nanazava foto-kevitra samihafa.

Ahoana hoy ny fianakavianao?

Tezitra be ny ankamaroan’izy ireo sady nanohitra an’ahy. Henoko anefa hoe mianatra Baiboly amin’ny Vavolombelona koa ny zandriko lahy iray, tany Lombardie, any amin’ny faritra avaratr’i Italia. Nankany àry aho, ka nanampy ahy hahita asa sy trano hipetrahana ny Vavolombelona tany. Natao batisa aho herintaona taorian’izay ka lasa Vavolombelon’i Jehovah.

Ela ny ela ka nahatsiaro ho akaiky an’Andriamanitra aho!

Tsy nanenina ve ianao?

Tsy nanenina mihitsy aho na ny kely aza! Ela ny ela ka nahatsiaro ho akaiky an’Andriamanitra aho! Tena avy ao amin’ny Baiboly mantsy ny zavatra nianarako momba azy, fa tsy avy amin’ny filozofia na lovantsofina. Izao vao tena milamina ny saiko, satria zavatra marina no ampianariko ny olona.

^ feh. 13 Valian’ny Baiboly mazava tsara izany, sy ny fanontaniana hafa. Jereo ny www.jw.org/mg, ao amin’ilay hoe FAMPIANARAN’NY BAIBOLY > VALIN’IREO FANONTANIANA ARA-BAIBOLY.