Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MATOAN-DAHATSORATRA | MBOLA MANDAITRA VE NY TOROHEVITRY NY BAIBOLY?

Manehoa Fitiavana

Manehoa Fitiavana

TORO LALAN’NY BAIBOLY: “Mitafia fitiavana fa fatorana mampiray tonga lafatra izy io.”—Kolosianina 3:14.

MAHASOA VE IZANY? Tsy fitiavana eo amin’ny lehilahy sy vehivavy no tena resahin’ny Baiboly, fa fitiavana hafa mihitsy. Ny olona maneho an’io fitiavana io dia mangoraka, mamela heloka, manetry tena, tsy mivadika, tsara fanahy, malemy fanahy, ary manam-paharetana. Ny toro lalana avy amin’Andriamanitra no mahatonga ny olona hanao izany. (Mika 6:8; Kolosianina 3:12, 13) Afaka mitombo foana ny tena fitiavana, fa tsy mora lefy hoatran’ny fihetseham-po tsapan’ny olona taitaitra fotsiny.

I Brenda, ohatra, tena manaiky an’izany. Efa ho 30 taona nanambadiana izy izao. Hoy izy: “Marina aloha fa mifankatia be ny mpivady vao. Vao mainka anefa mihamafy ny fifankatiavany arakaraka ny fandehan’ny fotoana.”

I Sam koa manamafy an’izany. Efa 12 taona mahery izy izao no nanambady. Hoy izy: “Tsapanay mivady hoe mandaitra foana ny torohevitry ny Baiboly, nefa tsy hoe sarotra be ny mampihatra azy. Gaga mihitsy izahay roa satria vao mampihatra an’ilay torohevitra izahay, dia milamina ny adinay. Satriko aloha hiteny hoe nampihatra foana aho, kanefa tsy maintsy miaiky aho hoe tsy vitako ilay izy indraindray. Mety hoe reraka loatra aho, na tia tena kely, na koa kizitina. Mivavaka amin’i Jehovah aho rehefa hoatr’izany, mba ho tony ny foko sy ny saiko. Fihiniko mafy be ny vadiko avy eo, dia milamina hoatran’ny tsy nisy teo ilay olana!”

‘Ny fahendren’ny olona dia hamarinin’izay ataony’

‘Ny fahendren’ny olona dia hamarinin’izay ataony’, hoy i Jesosy Kristy. (Matio 11:19) Voaporofo àry hoe feno fahendrena ny torohevitry ny Baiboly. Mahasoa foana mantsy izay voalaza ao, sady tsy mety lany andro. Mandaitra amin’ny olona rehetra izy io, na inona na inona fiaviany. Hita mihitsy hoe avy amin’i Jehovah, Mpamorona antsika, ireny torohevitra ireny, ary tena natao ho an’ny olona satria izy no mahalala tsara ny olombelona. Rehefa ampiharina anefa izy ireny vao tena hita hoe mandaitra. Manasa antsika àry ny Baiboly hoe: “Andramo ka jereo fa tsara i Jehovah.” (Salamo 34:8) Hanaiky an’izany ve ianao?