Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

MIFOHAZA! NOVAMBRA 2013

 MATOAN-DAHATSORATRA

Mbola Mahasoa Ihany ve ny Manao ny Tsara?

Mbola Mahasoa Ihany ve ny Manao ny Tsara?

Taitra be i Christina nahita harona plastika feno vola! Karamany 20 taona mahery vao mitovy amin’ilay izy. Fantany anefa ny tompon’ilay vola, ka inona no hataony? Raha ianao no nahita an’ilay izy, inona no ho nataonao? Ny valin-teninao no ahitana hoe zava-dehibe aminao ve ny manao ny marina, ary vonona hanao ny tsara foana ve ianao.

Samy manana ny fitondran-tena sy toetra heveriny hoe tsara ny olona. Maro anefa no miaiky fa tsara ny manao ny marina, mamela heloka, tia olona, manaja ny aina, mifehy tena, ary ny toy izany. Miankina amin’izay heverintsika fa tsara ny fitondran-tenantsika sy ny fomba ifandraisantsika amin’ny hafa. Izany koa no ataontsika zava-dehibe, ary ampianarintsika an’ny zanatsika. Na dia tena ilaina aza ny toetra tsara, dia efa betsaka no tsy manana an’izany intsony.

NIOVA BE NY TOE-TSAIN’NY OLONA

Tanora an-jatony tany Etazonia no nanaovana fanadihadiana momba ny fitondran-tena, tamin’ny 2008. “Tena mampalahelo ny hevitr’izy ireo sy ny resany mahakasika ny fitondran-tena”, hoy i David Brooks, mpanao gazety amerikanina. Maro aloha no manaiky fa ratsy ny mametaveta na mamono olona, fa “ny ankoatra izay tsy dia raharahainy loatra. Ohatra hoe mifraody, mitondra fiara nefa mamo, na koa misoloky.” Izao, ohatra, ny tenin’ny tanora iray: “Izaho tsy dia miasa saina loatra  amin’izany tsara sy ratsy izany!” Maro koa no miteny hoe: ‘Ny sainao ihany no mitondra an’io. Izay mahafinaritra ny fonao atao!’ Mety tokoa ve anefa izany?

Marina fa mahay mangoraka sy mahay mitia ny fontsika. Tena ‘mamitaka sy sarotra fehezina’ koa anefa izy io. (Jeremia 17:9) Diniho fotsiny ange ny vokatr’izany e! Lasa niova be mihitsy ny fitondran-tenan’ny olona sy ny toetrany. Tanteraka tokoa ilay faminanian’ny Baiboly hoe: ‘Amin’ny andro farany ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho matin-kambo, hanambony tena, ho masiaka be, tsy ho tia ny tsara, ary ho tia fahafinaretana fa tsy ho tia an’Andriamanitra.’—2 Timoty 3:1-5.

Raha miova be hoatr’izany àry ny zavatra heverin’ny olona fa tsara, ianao ve dia hatoky tanteraka ny fonao fa tsy mba handinika aloha? Ny Baiboly aza milaza fa “tsisy saina izay matoky ny fony.” (Ohabolana 28:26) Mila ampianarintsika àry ny fontsika mba hahay hanavaka an’izay tena tsara sy ratsy. Inona no afaka manampy antsika amin’izany? Maro no nandinika ny Baiboly, ka nahita fa tena marina sy azo itokisana ny toroheviny.

TARI-DALANA TENA MAHASOA

Tena natao hahasoa ny olona ny fitsipiky ny Baiboly. Mampirisika antsika, ohatra, izy io mba ho tia olona, ho tsara fanahy, halala-tanana, ary hanao ny marina.

Tia olona.

“Mifankatiava ihany, raha mbola velon’aina”, hoy ny kalon’ny fahiny. Ilaina tokoa ny fitiavana, satria raha tsy misy azy io isika tsy ho sambatra mihitsy.

Izay lazain’ny Baiboly: “Mitafia fitiavana fa fatorana mampiray tonga lafatra izy io.” (Kolosianina 3:14) Milaza koa ny 1 Korintianina 13:2 fa “tsinontsinona” ny olona raha “tsy manam-pitiavana.”

Tsy toy ny fihetseham-po tsapan’ny mpifankatia io fitiavana io, sady tsy baikoin’ny fo fotsiny. Ny toro lalana avy amin’Andriamanitra kosa no mibaiko azy. Io fitiavana io no mahatonga antsika hanampy olona tsy fantatsika akory, nefa tsy hitady valiny. Hoy ny 1 Korintianina 13:4-7: “Ny fitiavana mahari-po sy tsara fanahy. Ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo, tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady izay hahasoa ny tenany, tsy mora tezitra, tsy mitana lolompo, tsy mifaly noho ny tsy fahamarinana fa mifaly noho ny fahamarinana kosa, mandefitra ny zava-drehetra, ... miaritra ny zava-drehetra.”

Rehefa tsy misy an’io fitiavana io ao an-trano, dia mijaly ny rehetra, indrindra fa ny ankizy. Nitantara, ohatra, i Monica fa nisy nampijaly sy nametaveta izy tamin’ny mbola kely. Hoy izy: “Tsy mba tsapako hoe nisy olona tia ahy. Tsy nisy azo nantenaina mihitsy ny fiainako.” Rehefa 15 taona anefa izy, dia notezain’ny dadabe sy bebeny, izay Vavolombelon’i Jehovah.

Hoy ihany i Monica: “Niova be aho rehefa niara-nipetraka tamin-dry zareo  nandritra ny roa taona. Izaho tsinona saro-kenatra be nefa lasa sariaka sady tia manampy olona.” Notezain’ny dadabe sy bebeny tsara izy, ka lasa vehivavy manana ny maha izy azy. Nahazo vady tsara i Monica, ary telo izao ny zanany. Tia olona izy mianakavy, ka mazoto mitory ny vaovao tsara.

Ny olana matetika dia hoe ny harena sy ny fahafinaretana no lasa ataon’ny olona zava-dehibe eo amin’ny fiainana. Porofoin’ny zava-misy anefa fa na tsy manam-bola firy aza ianao, dia afaka ny ho sambatra. Ny olona tia vola mihitsy aza no tena tsy sambatra. Manamafy an’izany ny Mpitoriteny 5:10 hoe: “Izay tia volafotsy dia tsy ho afa-po amin’izay volafotsy ananany. Ary izay tia harena koa tsy ho afa-po amin’izay harena azony. Zava-poana koa izany.” Mampirisika antsika ny Hebreo 13:5 hoe: “Aoka ny fomba fiainanareo tsy hisy fitiavam-bola.”

Tsara fanahy sy malala-tanana.

Hoy ny lahatsoratra iray: “Mety hahafinaritra angamba raha mba azo vidina ny hasambarana. Nofinofy ve izany, hoy ianao? Tsy nofinofy mihitsy izany, raha toa ka ho an’olon-kafa ny zavatra vidinao.” Fa nahoana? Satria ho sambatra ianao raha tia manome.

Izay lazain’ny Baiboly: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.”—Asan’ny Apostoly 20:35.

Ny tena mahasambatra dia ny mahafoy tena ho an’ny hafa, ohatra hoe mahafoy fotoana na hery. Diniho ny nataon’i Karen. Hitany fa simba ny fiaran’ny ramatoa iray, izay niaraka tamin’ny zanany roa vavy. Maika hamonjy fiaramanidina anefa io ramatoa io sy ilay zanany iray. Efa nisy taxi nantsoina ihany saingy tara koa ilay izy. Nanatitra azy mianaka àry i Karen, na dia 45 minitra niala teo aza ny seranam-piaramanidina. Mbola niandry tao anatin’ilay fiara simba ny iray tamin’ny zanak’ilay ramatoa, rehefa niverina i Karen.

“Efa ho avy eo ny vadiko”, hoy ilay vehivavy.

“Tsara izany”, hoy i Karen. “Aleo àry aho handeha e. Hanadio Efitrano Fanjakana mantsy izahay. Izany no fiantsoana ny toerana fivavahanay.”

“Ianao angaha Vavolombelon’i Jehovah?”, hoy ilay vehivavy.

“Ie”, hoy i Karen. Dia niresaka kely teo izy ireo.

Naharay taratasy i Karen afaka herinandro vitsivitsy, nilaza hoe: “Tsy hadinonay sy Mama ny nataonao ho anay. Lasa ihany izahay satria naterinao! Vavolombelon’i Jehovah, hono, ianao hoy ny zokinay. Izay vao azoko hoe nahoana ianao no tsara fanahy be. Vavolombelona koa izahay sy Mama saingy tsy nivory intsony aho. Fa hiezaka aho izao!” Faly be i Karen ka nirotsaka mihitsy ny ranomasony.

Hoy ilay mpanoratra atao hoe Charles Warner: ‘Rehefa manampy olona ianao,  dia efa manampy ny tenanao koa. Ary izay no valisoa tsara indrindra.’ Isika rahateo efa noforonin’Andriamanitra hanahaka ny toetrany, ka ho tia olona fa tsy ho tia tena.—Genesisy 1:27.

Manao ny marina.

Tena ilaina io toetra io raha tiana hilamina ny fiaraha-monina. Lasa tsy mifampatoky sy matahotra foana mantsy ny olona, rehefa betsaka ny tsy manao ny marina.

Izay lazain’ny Baiboly: “Izay mandeha tsy misy tsiny sy manao ny marina ary milaza ny marina ao am-pony”, no raisin’Andriamanitra ho namany. (Salamo 15:1, 2) Tokony ho avy ao am-pontsika àry ilay izy, izany hoe tokony ho toetrantsika mihitsy ny manao ny marina, fa tsy hoe rehefa teren’ny zava-misy fotsiny.

Tsaroanao ve i Christina, ilay nahita vola be? Tsy ny hanan-karena no tanjony, fa ny hampifaly an’Andriamanitra. Rehefa niverina nitady an’ilay vola àry ny tompony, dia nomen’i Christina azy ilay izy. Gaga be ilay rangahy hoe tsy nangalarin’i Christina ilay vola. Lasa natokisan’ny mpampiasa azy koa izy, ka nasainy niandraikitra ny tahirin’entana. Marina tokoa ilay voalazan’ny 1 Petera 3:10 hoe “hahita andro soa” izay olona tsy mba mamitaka.

MIEZAHA FOANA HO “TSARA TOETRA”

Hita mihitsy hoe tena tia antsika ny Mpamorona matoa nanome ny Baiboly, izay mampianatra antsika mba ho “tsara toetra.” (Ohabolana 2:20; Isaia 48:17, 18) Raha tia an’Andriamanitra àry isika, dia hampihatra izay lazain’ny Baiboly ka handray soa. Mampanantena mihitsy ny Salamo 37:34 hoe: ‘Araho ny lalan’i Jehovah, dia hanandratra anao izy ary handova ny tany ianao. Ho hitanao ny handringanana ny ratsy fanahy.”

Hahafinaritra tokoa ny hoavy satria ho foana ny ratsy rehetra ka hilamina tanteraka ny tany! Izany no miandry ny olona manaraka ny fitsipiky ny Baiboly ka manao ny tsara. Tsy hitanao àry ve hoe mendrika ny hodinihina ny toro lalan’ny Baiboly?