Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fivadiham-pinoana

Fivadiham-pinoana

FIVADIHAM-PINOANA

Ny hoe “fivadiham-pinoana” (gr.: apôstasia) dia avy amin’ilay matoanteny grika hoe afistemi, izay midika ara-bakiteny hoe “miala amin’ny.” Ilay anarana kosa midika hoe “fandaozana, fialana, na fikomiana.” Nampiasaina hilazana fivadihana teo amin’ny resaka politika izy io, tamin’ny teny grika tranainy. Ampiasaina amin’io heviny io ilay matoanteny, ao amin’ny Asan’ny Apostoly 5:37. Voalaza ao fa “nitaona olona” (apestese, endriny hafa amin’ny hoe afistemi) hanaraka azy i Jodasy avy any Galilia. Io teny io koa no ampiasain’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo, ao Genesisy 14:4, mba hilazana fikomiana toy izany. Fivadihana eo amin’ny resaka fivavahana anefa no tena ampiasana azy ao amin’ny Soratra Grika Kristianina, na koa fialana amin’ny hevitra ijoroana na fivavahana na fanompoana an’Andriamanitra, izany hoe fialana tanteraka amin’izay ninoana teo aloha, na amin’izay fitsipika na finoana narahina. Niampanga an’i Paoly ho nivadika tamin’ny Lalàn’i Mosesy ny mpitondra fivavahana tao Jerosalema.

Azo antoka fa ilay Fahavalon’Andriamanitra no mpivadi-pinoana voalohany, araka ny dikan’ilay anarany hoe Satana. Izy no nitarika an’ilay mpivady voalohany hivadi-pinoana. (Ge 3:1-15; Jn 8:44) Nikomy tsy nanaraka ny tenin’ilay Andriamanitr’i Noa ny olona, taorian’ny Safodrano. (Ge 11:1-9) Niampanga an’i Joba ho nivadi-pinoana izy telo lahy, izay mody nampionona azy. (Jb 8:13; 15:34; 20:5) Nila niaro ny tenany àry i Joba, ka nanazava fa tsy misy ho tafiditra eo anatrehan’Andriamanitra ny mpivadi-pinoana (Jb 13:16), sady tsy manana fanantenana satria haringana. (Jb 27:8; ampitahao amin’ny tenin’i Eliho ao amin’ny Jb 34:30; 36:13.) Ilay anarana hebreo hoe hanef no ampiasaina ao amin’ireo andininy ireo. Midika hoe “[olona] tafasaraka amin’Andriamanitra” na mpivadi-pinoana io teny io. Matoanteny mifandray aminy ny hoe hanef, izay midika hoe “tsy te hifandray amin’Andriamanitra intsony” na “mandoto, mitarika hivadi-pinoana.”—Lexicon in Veteris Testamenti Libros, nataon’i L. Koehler sy W. Baumgartner, Leyde, 1958, p. 317.

Nivadi-pinoana ny Israely. Manameloka izay mety ho fivadiham-pinoana ny didy roa voalohany ao amin’ny Lalàna. (Ek 20:3-6) Nomena fampitandremana ny Israely talohan’ny hidirana tao amin’ny Tany Nampanantenaina, satria tena natahorana hivadi-pinoana izy ireo raha nanambady ny mponin’ilay tany. (De 7:3, 4) Hovonoina ho faty izay mitarika olona hivadi-pinoana, na dia havana akaiky na vady aza, satria ‘efa nitaona [olona] hikomy tamin’i Jehovah Andriamanitra.’ (De 13:1-15) Nanorina alitara ny fokon’i Robena sy Gada ary Manase, ka nendrikendrehina ho nivadi-pinoana. Nanazava haingana àry izy ireo hoe tsy mitombina izany.—Js 22:21-29.

Maro tamin’ny mpanjakan’ny Israely sy Joda no nivadi-pinoana, anisan’izany i Saoly (1Sa 15:11; 28:6, 7), Jeroboama (1Mp 12:28-32), Ahaba (1Mp 16:30-33), Ahazia (1Mp 22:51-53), Jorama (2Ta 21:6-15), Ahaza (2Ta 28:1-4), ary Amona (2Ta 33:22, 23). Ilay firenena mihitsy no nivadi-pinoana tamin’ny farany, satria nihaino an’ireo mpisorona sy mpaminany nivadi-pinoana (Je 23:11, 15) sy ireo olona maty eritreritra izay namitaka sy nandainga. Lasa baranahiny sy naloto àry ny fitondran-tenan’ny olona. Nivadika tamin’i Jehovah “loharanon’ny rano velona” izy ireo. (Is 10:6; 32:6, 7; Je 3:1; 17:13) Nanjary “nandoto (hanefah) ny tany ny mponina eo aminy, satria nandika ny lalàna sy nanova ny fitsipika, ary nivadika tamin’ny fifanekena, dia ilay fifanekena mandritra ny fotoana tsy voafetra.” (Is 24:5) Tsy namindrana fo izy ireo rehefa tonga ilay fandringanana voalaza mialoha.—Is 9:17; 33:11-14; Ze 1:4-6.

Inona no mampiavaka ny mpivadi-pinoana amin’ny tena Kristianina?

Nilaza mialoha ny apostoly Paoly fa hisy hivadi-pinoana ireo milaza ho Kristianina. (2Te 2:3) Nosinganiny manokana i Hymeneo sy Aleksandra ary Fileto. (1Ti 1:19, 20; 2Ti 2:16-19) Milaza ny apostoly fa mety hivadi-pinoana ny Kristianina lasa tsy mino (He 3:12), tsy miaritra rehefa enjehina (He 10:32-39), mivaona amin’ny fitsipik’i Jehovah (2Pe 2:15-22), mihaino “teny mamitaka” ataon’ny mpampianatra sandoka sy mihaino “fanambarana mamitaka” (2Pe 2:1-3; 1Ti 4:1-3; 2Ti 2:16-19; ampit. Oh 11:9), ary izay ‘te hambara ho marina amin’ny fankatoavana ny lalàna.’ (Ga 5:2-4). Mbola milaza ho mino ny Tenin’Andriamanitra ny mpivadi-pinoana, saingy mety tsy hanompo an’Andriamanitra intsony izy satria tsy zava-dehibe aminy ny asa fitoriana sy fampianarana nampanaovin’Andriamanitra ny Kristianina. (Lk 6:46; Mt 24:14; 28:19, 20) Mety hilaza koa izy ireny hoe manompo an’Andriamanitra, nefa laviny ireo solontenany sy ny fandaminany hita maso. (Jd 8, 11; No 16:19-21) Matetika ny mpivadi-pinoana no mitaona olona hanaraka azy. (As 20:30; 2Pe 2:1, 3) Miala an-tsitrapo amin’ny fiangonana izy ireny ka lasa anisan’ny “antikristy.” (1Jn 2:18, 19) Naringana ireo Israelita nivadi-pinoana, ka haringana koa izay anisan’ny fiangonana kristianina nefa nivadi-pinoana.—2Pe 2:1; He 6:4-8; jereo NAMAN-DRATSY.

Nisy fotoana nanenjehan’ny fanjakana romanina ny fiangonana kristianina voalohany. Indraindray dia natao izay hampivadika an’ireo nilaza ho Kristianina. Nivadi-pinoana tokoa ny sasany, ka nasaina nandoro emboka manitra ho an’ny sampy na niteny ratsy an-karihary ny anaran’i Kristy.

Azo antoka fa tsy mitovy ny hoe ‘lavo’ noho ny fahalemena sy ny hoe ‘miala’ satria nivadi-pinoana. Mandao an-tsitrapo ny lalan’ny fahamarinana ny olona miala. (1Jn 3:4-8; 5:16, 17) Na inona na inona antony mampivadi-pinoana ny olona iray, na noho ny fahalalany izany, na noho ny fitondran-tenany na ny fahosan’ny finoany, dia efa fikomiana amin’Andriamanitra sy fandavana ny Tenin’ny fahamarinana izany.—2Te 2:3, 4; jereo LEHILAHY MPANDIKA LALÀNA.