Joba 36:1-33
-
Nilaza i Eliho hoe lehibe tsy takatry ny saina Andriamanitra (1-33)
36 Hoy ihany i Eliho:
2 “Mahareta kely amiko fa hanazava aho.Mbola misy teny asain’Andriamanitra lazaiko mantsy.
3 Holazaiko daholo izay fantatro,Ary hambarako fa manao ny rariny ilay Mpanao ahy.+
4 Tena tsy diso mihitsy ny teniko;Eto anatrehanao Ilay fara tampony amin’ny fahalalana.*+
5 Mahery tokoa Andriamanitra,+ ary tsy manilikilika na iza na iza;Faran’izay mahira-tsaina izy.
6 Tsy hotsimbininy ny ain’ny ratsy fanahy,+Fa omeny rariny kosa ny olona mijaly.+
7 Tsy miala eny amin’ny olo-marina ny masony;+Apetrany eo amin’ny seza fiandrianana miaraka amin’ny mpanjaka izy ireo,*+ ka misandratra mandrakizay.
8 Raha voagejan’ny gadra vy anefa izy ireoKa voafatotry ny fahoriana,
9 Dia ampahafantarin’Andriamanitra azy ireo izay nataony,Izany hoe ny nandikany lalàna noho izy ireo nirehareha.
10 Sokafany ny sofin’izy ireo mba hihaino fanitsiana,Ka teneniny izy ireo mba hiala amin’ny fanao ratsy.+
11 Raha mankatò sy manompo azy izy ireo,Dia hiadana mandritra ny androm-piainany,Ary hahafinaritra ny taona hiainany.+
12 Raha tsy mankatò kosa izy ireo, dia ho fatin’ny sabatra*+Ka ho faty tsy manam-pahalalana.
13 Hitana lolompo ny olona tsy matahotra an’Andriamanitra.*
Tsy miantso vonjy izy ireo na dia fatorany aza.
14 Maty tanora izy ireo.+Lany* niarahana tamin’ireo lehilahy mpivaro-tenan’ny tempoly+ ny fiainany.
15 Mamonjy an’izay mijaly kosa Andriamanitra* mandritra ny fahorian’izy ireo;Sokafany ny sofin’izy ireo mba hihaino azy rehefa misy mampahory azy ireo.
16 Sintoniny hiala eo am-pototry ny fahoriana ianao+Ka entiny any amin’ny toerana malalaka tsy misy maneritery,+Ary sakafo matsiro sady tondraka no eo ambony latabatrao ho fampiononana anao.+
17 Dia ho afa-po ianao rehefa voaheloka ny ratsy fanahy,+Rehefa mivoaka ny didim-pitsarana ary ampiharina ny rariny.
18 Mitandrema anefa sao lasa manao ratsy* ianao noho ny hatezerana,+Ary aza avela hitarika anao any amin’ny lalan-diso ny tsolotra be dia be.
19 Ny antso vonjyNa izay ezaka mafy ataonao ve dia hahatonga anao tsy ho tratran’ny fahoriana?+
20 Aza maniry ny hahatongavan’ny alina,Izay tsy ahitana ny olona eo amin’ny toerany.
21 Tandremo sao lasa manao ratsy,Ka aleonao izany toy izay fampahoriana.+
22 Jereo fa misandratra Andriamanitra noho ny heriny;Iza no mba mpampianatra mitovy aminy?
23 Iza no efa nanoro lalana azy*+Na nilaza taminy hoe: ‘Tsy mety ny nataonao’?+
24 Aza hadinoina ny mankalaza ny asany,+Izay nataon’ny olona hira.+
25 Mahita an’izany ny olombelona rehetra,Ary mitazana avy eny lavitra eny ny olombelona mety maty.
26 Lehibe tsy takatry ny saintsika tokoa Andriamanitra;+Saro-takarina* ny isan’ny taonany.+
27 Ampiakariny ireo piti-drano;+Lasa zavona ireny, ka tonga orana;
28 Dia araraky ny rahona+ izany,Ka mirotsaka amin’ny olombelona.
29 Iza no mahafantatra ny fivelaran’ny rahona,Sy ny kotroka avy ao amin’ny tranolainy?*+
30 Jereo fa aparitany eo ambonin’izany ny tselatra,*+Ary saronany ny fanambanin’ny ranomasina.
31 Ireny no amelomany ny firenena;*Manome sakafo be dia be ho azy ireo izy.+
32 Saronany amin’ny tanany ny tselatra,Ka alefany hamely an’izay kendreny.+
33 Manambara ny momba azy ny kotroka;Na ny biby fiompy aza milaza hoe iza no ho avy.*
Fanamarihana
^ Andriamanitra no tiany horesahina.
^ Na mety hoe “Apetrany eo amin’ny seza fiandrianana ny mpanjaka.”
^ Na: “fitaovam-piadiana (lefom-pohy).”
^ Na: “ny mpivadi-pinoana.”
^ Na mety hoe “Nifarana.”
^ Abt: “Izy.”
^ Na: “mitehaka maneso.”
^ Na mety hoe “nanakiana an’izay nataony; nanao ampamoaka azy noho izay nataony.”
^ Na: “Tsy voaisa.”
^ Abt: “trano rantsankazony.”
^ Abt: “ny hazavany.”
^ Na mety hoe “entiny miady ho an’ny firenena any amin’ny fitsarana.”
^ Na mety hoe “inona no hitranga.”