Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manorena Fianakaviana Matanjaka Ara-panahy

Manorena Fianakaviana Matanjaka Ara-panahy

Manorena Fianakaviana Matanjaka Ara-panahy

“Manohiza mitaiza azy ao amin’ny lalàm-pifehezana sy ny fanabeazana ara-tsaina izay an’i Jehovah.”​—EFESIANA 6:4, NW.

1. Inona no fikasan’Andriamanitra ho an’ny fianakaviana, nefa inona no nitranga?

“MAROA fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany”. (Genesisy 1:28) Tamin’ireo teny nataony tamin’i Adama sy i Eva ireo no nanorenan’i Jehovah Andriamanitra ny fandaharana ny amin’ny fianakaviana. (Efesiana 3:14, 15) Rehefa naka sary an-tsaina ny hoaviny io mpivady voalohany io, dia afaka nahita tany iray feno ny taranany​—fianakaviam-be iray voaforon’olombelona lavorary, miaina amim-pifaliana ao amin’ny tany iray zary paradisa, sady tafaray ao amin’ny fivavahana amin’ny Mpamorona Lehibe azy ireo. Latsaka tao amin’ny fahotana anefa i Adama sy i Eva, ka nanjary tsy feno olona mahitsy sy matahotra an’Andriamanitra ny tany. (Romana 5:12) Nihasimba vetivety kosa aza ny fiainam-pianakaviana, ka nanjary nanjaka ny fankahalana sy ny herisetra ary ny tsy ‘fananam-pitiavana’, indrindra fa amin’izao ‘atỳ am-parany’ izao.​—2 Timoty 3:1-5; Genesisy 4:8, 23; 6:5, 11, 12.

2. Fahaizana inona avy no nananan’ireo taranak’i Adama, nefa inona no hilaina mba hanorenana fianakaviana matanjaka ara-panahy?

2 Noforonina araka ny endrik’Andriamanitra i Adama sy i Eva. Navelan’i Jehovah hanan-janaka ihany anefa i Adama, na dia efa mpanota aza izy tamin’izay. (Genesisy 1:27; 5:1-4) Sahala amin’i Adama rain’izy ireo, ny taranany dia nanana fahaizana hanavaka ny fitondran-tena tsara sy ratsy. Azo nampianarina ny fomba hivavahana tamin’ny Mpamorona azy, sy ny maha zava-dehibe ny hitiavany azy tamin’ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra sy ny sainy rehetra ary ny heriny rehetra, izy ireo. (Marka 12:30; Jaona 4:24; Jakoba 1:27) Fanampin’izany, dia azo nampiofanina izy ireo mba ‘hanao ny marina sy ho tia famindram-po ary hanaraka an’Andriamanitra amin’ny fanetren-tena’. (Mika 6:8) Mpanota anefa izy ireo ka hila ny haneho fitandremana be mba hanorenana fianakaviana matanjaka ara-panahy.

Makà fotoana

3. Ahoana no azon’ny ray aman-dreny ‘akana fotoana’ mba hitaizana zanaka ho lasa Kristianina?

3 Amin’izao fotoan-tsarotra tsy mora atrehina izao, dia misy ezaka be tsy maintsy atao mba hahatonga ny zanaka ho “tia an’i Jehovah” ka tena ‘hankahala ny ratsy’. (Salamo 97:10) ‘Haka fotoana’ ny ray aman-dreny hendry mba hiatrehany io zava-tsarotra io. (Efesiana 5:15-17, NW ) Ahoana no azonao anaovana izany, raha ray na reny ianao? Voalohany, dia aoka ianao hametra izay tokony hatao loha laharana, ka asio fiheverana “ireo zavatra lehibe kokoa”, anisan’izany ny fampianarana sy ny fampiofanana ny zanakao. (Filipiana 1:10, 11, NW ) Faharoa, dia aoka ianao hanatsotra ny fomba fiainanao. Mety ho voatery hamela asa tsy tena ilaina ianao. Na, mety hilainao koa ny hanilika fananana tsy ilaina izay mitaky fikojakojana be. Amin’ny maha ray na reny kristianina anao, dia tsy hanenenanao mihitsy ny nanaovanao ny ezaka nilaina mba hitaizana zanaka hatahotra an’Andriamanitra.​—Ohabolana 29:15, 17.

4. Ahoana no ahafahan’ny fianakaviana ho tafaray hatrany?

4 Tena mendrika ny hanaovana ezaka ny fiarahanao mandany fotoana amin’ny zanakao, indrindra fa raha mihodinkodina amin’ny raharaha ara-panahy ilay izy. Izany koa no iray amin’ireo fomba tsara indrindra hahatafaray hatrany ny fianakaviana. Aza avela hiankina amin’ny kisendrasendra anefa izany. Manaova fandaharana mba hisian’ny fotoana sasantsasany hiarahanareo. Tsy midika akory izany hoe miray trano fotsiny ary samy manao izay mahafinaritra azy ny tsirairay. Miroborobo tsara tokoa ny ankizy raha anehoam-piheverana manokana isan’andro. Ilaina ny maneho fitiavana sy fiahiana be dia be. Na dia alohan’ny hanapahan’ny mpivady hevitra ny hiteraka aza, dia tsy maintsy mihevitra amim-pitandremana an’io andraikitra lehibe io izy ireo. (Lioka 14:28) Amin’izay, dia tsy hoheverin’izy ireo ho asa manorisory ny fitaizan-janaka. Hoheveriny ho tena tombontsoa kosa izany.​—Genesisy 33:5; Salamo 127:3.

Mampianara amin’ny alalan’ny teny sy ny ohatra

5. a) Manomboka amin’inona ny fampianarana an’ireo zanaka ho tia an’i Jehovah? b) Torohevitra inona no omena ny ray aman-dreny ao amin’ny Deoteronomia 6:5-7?

5 Manomboka amin’ny fitiavan’ny tenanao an’i Jehovah ny fampianaranao ny zanakao ho tia azy koa. Hanosika anao hanaraka amim-pahatokiana ny toromarik’Andriamanitra rehetra ny fitiavanao lalina azy. Tafiditra amin’izany ny fitaizana ny zanaka “ao amin’ny lalàm-pifehezana sy ny fanabeazana ara-tsaina izay an’i Jehovah”. (Efesiana 6:4, NW ) Manoro hevitra ny ray aman-dreny Andriamanitra mba hanome ohatra ho an’ireo zanany, sy hifampiresaka amin’izy ireo, ary hampianatra azy ireo. Manambara toy izao ny Deoteronomia 6:5-7: “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny herinao rehetra. Ary aoka ho ao am-ponao izao teny andidiako anao anio izao. Dia ampianaro tsara ny zanakao izany, ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao hianao, na mandeha any an-dàlana, na mandry, na mifoha”. Azonao alentika tsikelikely ao an-tsain’ny zanakao ireo didin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fananarana matetika sy ny famerimberenana. Ho tsapan’ny zanakao amin’izay ny fitiavanao an’i Jehovah, ka ho voatosika koa izy hamboly fifandraisana akaiky aminy.​—Ohabolana 20:7.

6. Ahoana no azon’ny ray aman-dreny anararaotana ny fahafahan’ny ankizy mianatra amin’ny alalan’ny ohatra?

6 May ny hianatra ny ankizy. Matsilo sofina sy mora mahamari-javatra izy ireny, ary mailaka hanahaka ny ohatra omenao. Rehefa hitan’izy ireo fa tsy miahy fatratra ny amin’ny zavatra ara-nofo ianao, izany dia manampy azy hianatra ny fomba hanarahana ny torohevitr’i Jesosy. Manampy azy tsy hanahy ny amin’ny zavatra ara-nofo ianao, fa ‘hikatsaka ny fanjakan’Andriamanitra aloha’. (Matio 6:25-33) Rehefa manao resadresaka mampandroso sy mahasoa momba ny fahamarinana ara-baiboly sy ny kongregasionan’Andriamanitra ary momba ireo anti-panahy voatendry ianao, dia mampianatra ny zanakao hanaja an’i Jehovah sy hankasitraka ireo fandaharana ara-panahy nataony. Koa satria mahamarika haingana an’ireo tsy fifanarahan-javatra ny ankizy, dia tsy maintsy tohanana amin’ny alalan’ny fitondran-tena sy ny fihetsika ny fampianarana am-bava. Izany no hanaporofo fa mankasitraka lalina ny zavatra ara-panahy ny tenanao manokana. Endre izany fitahiana rehefa hitan’ny ray aman-dreny fa nahatonga ny zanany ho tia an’i Jehovah amin’ny fony rehetra ny ohatra tsara nomeny!​—Ohabolana 23:24, 25.

7, 8. Ohatra inona no mampiseho ny hasarobidin’ny fampiofanana ny ankizy hatramin’ny mbola kely, ary iza no tokony homena voninahitra noho ilay fahombiazana?

7 Misy ohatra iray avy any Venezoela ahitana ny hasarobidin’ny fampiofanana ny ankizy hatramin’ny mbola kely. (2 Timoty 3:15) Mahakasika mpivady kely, i Félix sy i Mayerlín, ilay ohatra. Mpitory mpisava lalana izy mivady. Rehefa teraka i Felito zanak’izy ireo, dia dodona hanao araka izay fara heriny izy ireo mba hitaiza azy ho tonga mpivavaka marina amin’i Jehovah. Nanomboka novakin’i Mayerlín tamin’ny feo avo tamin’i Felito Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Fony i Felito mbola kely, dia toa fantany ny sarin’i Mosesy sy ny an’ny olon-kafa hita ao amin’io boky io.

8 Nanomboka nitory irery i Felito, fony izy mbola tena kely. Notanterahiny ny faniriany ho mpitory ilay Fanjakana, ary natao batisa izy tatỳ aoriana. Rehefa nandeha ny fotoana, dia lasa mpisava lalana maharitra i Felito. Izao no tenin’ny ray aman-dreniny: “Rehefa mijery ny fandrosoan’ny zanakay izahay, dia takatray fa noho i Jehovah sy ny fampianarany no nahatonga izany.”

Ampio ny zanaka hitombo ara-panahy

9. Nahoana isika no tokony ho velom-pankasitrahana noho ny fampianarana ara-panahy raisintsika amin’ny alalan’ny kilasin’ny mpanompo mahatoky sy malina?

9 Misy gazetiboky maro be, boky an-jatony maro, toerana ao amin’ny Internet an’arivony maro, manolotra torohevitra momba ny fitaizan-janaka. Tena matetika no “mifanohitra be ny fanazavana omen’ireny”, hoy ny nomerao manokana iray momba ny ankizy navoakan’ny Herinandrom-baovao (anglisy). “Ny mbola mampikorontan-tsaina kokoa aza dia rehefa hita fa diso tanteraka ny fanazavana noheverina ho azo nitokiana.” Tena velom-pankasitrahana kosa isika satria nomen’i Jehovah zavatra maro be mba hampianarana sy hanatsarana ny ara-panahin’ny fianakaviana! Manararaotra amin’ny fomba feno ny fandaharana rehetra atao amin’ny alalan’ny kilasin’ny mpanompo mahatoky sy malina ve ianao?​—Matio 24:45-47, NW.

10. Amin’ny ahoana ny fianaram-pianakaviana mahomby no andraisan’ny ray aman-dreny sy ny zanaka soa?

10 Zava-dehibe iray tena ilaina ny fianaram-pianakaviana tsy tapaka sy tsy miovaova, atao ao anatin’ny rivo-piainana tsy misy fihenjanana. Fanomanana tsara no takina mba hahatonga azy io hahitana fianarana, sy hahafinaritra, ary hampahery. Amin’ny fanaovana izay hiresahan’ny zanany no ahafahan’ny ray aman-dreny mamantatra izay ao am-pony sy ao an-tsainy. Raha voamarika fa tsy andrin’ny rehetra ny hanaovana ilay fianaram-pianakaviana, dia fantatra fa nahomby izay ilay izy.

11. a) Tanjona inona avy no azon’ny ray aman-dreny anampiana ny zanany mba hoferana? b) Vokatra inona no azo rehefa nanatratra ny tanjony ny zazavavy japoney iray?

11 Mandray anjara koa amin’ny fananana fianakaviana matanjaka ara-panahy ny fisian’ny tanjona araka ny Soratra Masina. Tokony hampian’ny ray aman-dreny ireo zanany mba hametra azy ireny. Anisan’ny tanjona tsara ny famakiana ny Baiboly isan’andro, sy ny fahatongavana ho mpitory ny vaovao tsara tsy tapatapaka, ary ny fandrosoana ho amin’ny fanoloran-tena sy ny batisa. Mety ho anisan’ny tanjona hafa koa ny fanompoana manontolo andro toy ny asan’ny mpisava lalana, na fiasana ao amin’ny Betela, na misionera. Fony izy tany amin’ny sekoly fanabeazana fototra, ny zazavavy kely japoney antsoina hoe Ayumi, dia nametra tanjona hitory tamin’izay rehetra iray kilasy taminy. Mba hanairana ny fahalianan’ny mpampianatra azy sy ireo mpiara-mianatra taminy, dia nahazo lalana hametraka zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly maromaro tao amin’ny fitahirizam-boky izy. Vokatr’izany dia nisy fampianarana Baiboly 13 notarihiny nandritra ireo enin-taona naha tao amin’ny sekoly fanabeazana fototra azy. Lasa Kristianina vita batisa ny iray tamin’ireny mpianatra ny Baiboly ireny sy ny hafa koa, anisan’ny fianakavian’io mpianatra io ihany.

12. Ahoana no azon’ny ankizy andraisan-tsoa be indrindra avy amin’ny fivoriana kristianina?

12 Tena ilaina koa ny fanatrehana fivoriana tsy tapaka mba hananana tanjaka ara-panahy. Nananatra ny mpiray finoana taminy ny apostoly Paoly mba ‘tsy hahafoy ny fiarahan’izy ireo nivory, tahaka ny fahazaran’ny sasany’. Aoka tsy ho lasa fahazarantsika ny fanao toy izany, satria samy mandray soa lehibe avy amin’ny fahatongavana tsy tapaka any amin’ny fivoriana kristianina na ny antitra na ny tanora. (Hebreo 10:24, 25, NW; Deoteronomia 31:12) Tokony hampianarina hihaino tsara ny ankizy. Tena zava-dehibe koa ny fanomanana ireo fivoriana, satria andraisan-tsoa be indrindra ny fandraisana anjara amin’ny fanomezana valin-teny. Ny ankizy kely dia mety hanomboka amin’ny filazana teny vitsivitsy, na amin’ny famakiana tapany kely amin’ny fehintsoratra iray. Tena hahasoa anefa raha zarina hikaroka ny valin-teny ny ankizy ary hilaza izany amin’ny fomba fiteniny. Manome ohatra ve ianareo ray aman-dreny, amin’ny fanomezana tsy tapaka valin-teny misy heviny? Tsara koa ny hananan’ny mpianakavy tsirairay Baiboly, fihirana ary ny zavatra vita an-tsoratra ampiasaina amin’ny fiaraha-midinika miorina amin’ny Soratra Masina.

13, 14. a) Nahoana ny ray aman-dreny no tokony hiara-miasa amin’ny zanany eny amin’ny fanompoana? b) Inona no hanampy mba hahatonga ny fanompoana hahasoa sy hahafinaritra ny ankizy?

13 Ny ray aman-dreny hendry dia hanao izay hitarihana ny zanany hampiasa ny herin’ny fahatanorany hanompoana an’i Jehovah, ka hanampy azy ireo hanao ny fitoriana ho tapany lehibe amin’ny fiainany. (Hebreo 13:15) Hiara-miasa amin’ny zanany eny amin’ny fanompoana ny ray aman-dreny. Izany no hany fomba hahazoany antoka fa handray ny fampiofanana ilaina ireo zanany, ka ho lasa mpanompo “tsy mahazo henatra, mizara tsara ny teny fahamarinana”. (2 Timoty 2:15) Koa ahoana àry ny aminao? Raha ray na reny ianao, ampianao ve ny zanakao hiomana ho amin’ny fanompoana eny amin’ny saha? Amin’izany dia hahafinaritra azy sy hisy heviny aminy ary hahitany vokatra ny fanompoana.

14 Nahoana no mahasoa ny ray aman-dreny sy ny zanany ny fiaraha-miasa eny amin’ny fanompoana? Amin’izany fomba izany no ahafahan’ny ankizy mahamarika sy maka tahaka ny ohatra tsaran’ny ray aman-dreniny. Etsy an-danin’izany, ny ray aman-dreny dia afaka mandinika ny fihetsika sy ny fitondran-tena ary ny fahaizan-janany. Ataovy azo antoka fa entinao miaraka aminao eny amin’ny lafim-panompoana rehetra izy. Raha azo atao, dia aoka samy hanana ny kitapony fitondra mitory ny ankizy tsirairay, ary ampianaro hihazona ilay kitapo ho madio sy mendrika foana izy ireo. Rehefa ampiofanina sy ampaherezina tsy tapaka ny ankizy, dia hanjary tena hankasitraka ny fanompoana izy, ary ho hitany fa fomba iray anehoana ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona ny asa fitoriana.​—Matio 22:37-39; 28:19, 20.

Hazòny ny fahasalamana ara-panahy

15. Koa satria tena zava-dehibe ny hihazonana ny fahasalamana ara-panahin’ny fianakaviana, inona no fomba sasany hanaovana izany?

15 Tena ilaina ny hihazonana ny fahasalamana ara-panahin’ny fianakaviana. (Salamo 119:93) Ny fiarahan’ny mpianakavy miresaka zavatra ara-panahy, isaky ny misy fahafahana, no fomba iray hanaovana izany. Miara-mandinika amin’izy ireo ny andinin-teny ara-baiboly ho an’ny andro ve ianao? Moa ve ianao zatra mitantara amin’izy ireo ny zavatra hitanao teny amin’ny fanompoana, na hevitra tao amin’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! farany indrindra, ‘rehefa mandeha eny an-dalana’? Mahatsiaro misaotra an’i Jehovah amin’ny vavaka ve ianao, noho ny androm-piainana tsirairay, sy noho ny fanomezana tondraka omeny, “na mandry, na mifoha”? (Deoteronomia 6:6-9) Rehefa hitan’ny zanakao taratra eo amin’izay rehetra ataonao ny fitiavana an’Andriamanitra, dia ny tenany mihitsy amin’izay no hanaiky ny fahamarinana.

16. Nahoana no sarobidy ny hampirisihana ny ankizy hanao samirery ny fikarohany manokana?

16 Indraindray ny ankizy dia hila tari-dalana mba hiatrehana amim-pahombiazana ireo olana na toe-javatra mipoitra. Toy izay hilaza aminy foana izay tokony hatao, nahoana raha aseho azy ny fomba hahitany ny fihevitr’Andriamanitra ilay raharaha, amin’ny fampirisihana azy hanao samirery ny fikarohany? Hanampy ny ankizy hamboly fifandraisana akaiky amin’i Jehovah ny fampianarana azy hampiasa tsara ny fitaovana sy ny zavatra vita an-tsoratra rehetra nomen’ny “mpanompo mahatoky”. (1 Samoela 2:21b) Ary hihatsara kokoa ny fahasalamana ara-panahin’ny fianakaviana, rehefa zarainy amin’ny mpianakavy hafa ny soa nentin’ilay fikarohana ara-baiboly nataony.

Miantehera amin’ny fomba feno amin’i Jehovah

17. Nahoana ireo ray na reny mitaiza irery ny zanany no tsy tokony ho kivy amin’ny fitaizana ny zanany ho tonga Kristianina?

17 Ahoana ny amin’ireo fianakaviana tsy misy afa-tsy ray na reny? Miatrika zava-tsarotra fanampiny izy ireny raha ny amin’ny fitaizan-janaka. Aza kivy anefa ianareo, ry ray na reny mitaiza irery ny zanakareo! Afaka ny hahomby ianareo. Izany no asehon’ireo ray na reny maro toa anareo izay nitoky tamin’Andriamanitra, sy nampihatra tamim-pankatoavana ny toroheviny, ka nahalehibe tsara zanaka matanjaka ara-panahy. (Ohabolana 22:6) Mazava ho azy fa mila miantehitra amin’ny fomba feno amin’i Jehovah ireo Kristianina mitaiza irery ny zanany. Tsy maintsy inoany fa hanome fanampiana Andriamanitra.​—Salamo 121:1-3.

18. Inona avy ireo zavatra ara-tsaina sy ara-batana ilain’ny zanany ka tokony hanehoan’ny ray aman-dreny fiheverana, kanefa ny amin’ny inona no tokony homeny ny toerana voalohany?

18 Ny ray aman-dreny hendry dia mahatakatra fa ‘ao ny andro ihomehezana, ary ao ny andro andihizana’. (Mpitoriteny 3:1, 4) Tena ilaina mba hitomboan’ny saina sy ny vatan’ny ankizy ny fotoam-pialam-boly sy ny fanarian-dia mahasoa sady voalanjalanja. Ny mozika mampahery, ary indrindra fa ny fihirana fiderana an’Andriamanitra, dia hanampy ny ankizy hamboly toe-tsaina tsara. Afaka mandray anjara lehibe mba hanatanjahana ny fifandraisany amin’i Jehovah izany. (Kolosiana 3:16) Fotoana hiomanana ho amin’ny fahatongavana ho olon-dehibe matahotra an’Andriamanitra koa ny fahatanorana, ka amin’izay dia ho afaka hitohy mandrakizay ao amin’ny tany zary paradisa ny fankafizana ny fiainana.​—Galatiana 6:8.

19. Nahoana ny ray aman-dreny no afaka matoky fa hotahin’i Jehovah ny ezaka ataon’izy ireo eo amin’ny fitaizan-janaka?

19 Irin’i Jehovah ny hahombiazan’ny fianakaviana kristianina rehetra ka ho matanjaka ara-panahy sy tafaray. Raha tena tia an’Andriamanitra isika, ary manao araka izay fara herintsika mba hankatoavana ny Teniny, dia hitahy ny ezaka ataontsika izy sady hanome antsika ny tanjaka ilaina mba hanarahana ny fitarihan-dalana nomeny ara-tsindrimandry. (Isaia 48:17; Filipiana 4:13) Tadidio fa voafetra sady tsy hiverina intsony ny fahafahana anananao ankehitriny mba hampianatra sy hampiofana ny zanakao. Manaova araka izay tena fara herinao mba hampiharana ny torohevitra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, ary dia hotahin’i Jehovah ny ezaka ataonao mba hanorina fianakaviana matanjaka ara-panahy.

Inona no Nianarantsika?

• Nahoana no tena zava-dehibe ny hakana fotoana rehefa mampiofana zanaka?

• Nahoana no tena ilaina ny ohatra tsara omen’ny ray aman-dreny?

• Inona no fomba lehibe sasany hanampiana ireo ankizy hitombo eo amin’ny lafiny ara-panahy?

• Ahoana no azo ihazonana ny fahasalamana ara-panahin’ny fianakaviana?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 24, 25]

Ireo fianakaviana matanjaka ara-panahy dia miara-mianatra ny Tenin’Andriamanitra tsy tapaka, miara-manatrika ireo fivoriana kristianina tsy tapaka, ary miara-manao ny fanompoana tsy tapaka