Salamo 127:1-5

  • Ho very maina ny zava-drehetra raha tsy eo i Jehovah

    • “Raha tsy i Jehovah no manao ny trano” (1)

    • Valisoa avy amin’i Jehovah ny zanaka (3)

Hira Fiakarana. Nataon’i Solomona. 127  Raha tsy i Jehovah no manao ny trano,Dia ho very maina ny asa mafy ataon’ny mpanorina azy.+ Ary raha tsy i Jehovah no miambina ny tanàna,+Dia ho very maina ny fiaretan-torin’ny mpiambina.   Very maina ny hifohazanareo vao maraina,Sy ny hiaretanareo tory hatramin’ny alina be,Ary ny hiasanareo mafy mba hahazoana sakafo,Satria manome izay ilain’ny olona tiany izy sady manome azy ireo torimaso mamy.+   Lova avy amin’i Jehovah ny zanaka* maro,+Ary valisoa ny aloaky ny kibo.+   Toy ny zana-tsipìka eny an-tanan’ny lehilahy maheryNy zanaky ny fahatanorana.+   Sambatra izay lehilahy mameno ny tranon-jana-tsipìkany amin’ireny.+ Tsy ho menatra izy ireo,Satria hiteny eo anatrehan’ny fahavalo eny am-bavahadin’ny tanàna ireny.

Fanamarihana

Na: “zanakalahy.”