Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Hampitombo ny Androntsika ny Fahendrena’

‘Hampitombo ny Androntsika ny Fahendrena’

‘Hampitombo ny Androntsika ny Fahendrena’

IZA no sahy hilaza fa tsy ilaina ny fahendrena mba handaminana zava-manahirana? Ny tena fahendrena dia ny fahaizana mampiasa araka ny tokony ho izy ny fahalalana sy ny fahaiza-mahataka-javatra. Mifanohitra tanteraka amin’ny hadalana sy ny fahavoazan’ny saina izy io. Koa mampirisika antsika hahazo fahendrena àry ny Soratra Masina. (Ohabolana 4:7) Ny antony voalohany nanoratana ny bokin’ny Ohabolana, raha ny marina, dia ny hanomezana fahendrena sy fananarana. Manomboka amin’izao teny izao izy io: “Ny Ohabolan’i Solomona, zanak’i Davida, mpanjakan’ny Isiraely: Hahalalana fahendrena sy fananarana”.​—Ohabolana 1:1, 2.

Diniho fotsiny, ohatra, ny lesona mafonja ao amin’ny toko vitsivitsy voalohany ao amin’ny Ohabolana. Miangavy ny mpamaky mba hanaiky fananarana sy hanongilan-tsofina amin’ny fahendrena i Solomona, toy ny ray be fitiavana mampirisika ny zanany. (Toko 1 sy 2) Asehony antsika ny fomba ifandraisana akaiky amin’i Jehovah sy iarovana ny fontsika. (Toko 3 sy 4) Ampirisihina isika mba hadio fitondran-tena hatrany. (Toko 5 sy 6) Abaribary koa ny fanaon’ny olona maloto fitondran-tena, ary sarobidy amintsika mihitsy izany fanazavana izany. (Toko 7) Tena manintona ny rehetra koa ny fitalahoan’ilay fahendrena aseho toy ny olona! (Toko 8) Mamintina sady mampisaintsaina momba izay novelabelariny hatreo aloha i Solomona Mpanjaka vao manohy ireo ohabolana fohy tsirairay ao amin’ireo toko manaraka.​—Toko 9.

‘Avia, hano ny mofoko ary sotroy ny divaiko’

Tsy famintinana mahamonamonaina no mamarana ny tapany voalohany amin’ny Ohabolana, sady tsy mamerina fotsiny ny hevi-dehibe tamin’ny torohevitra teo aloha. Fanoharana mahaliana sady manohina ny fo kosa izy io, ka manosika ny mpamaky hitady fahendrena.

Manomboka amin’izao teny izao ny Ohabolana toko fahasivy: “Ny fahendrena efa nanao ny tranony; efa nipaika ny andriny fito izy”. (Ohabolana 9:1) Milaza ny manam-pahaizana iray fa ny hoe ‘andry fito’ dia mety “hanondro tranobe iray naorina manodidina tokotany iray. Tohanan’ny andry fito ilay tranobe, ka misy andry telo avy ny lafiny roa, ary misy andry iray ny lafiny fahatelo manatrika ny fidirana”. Na marina izany na tsia, dia mafy sady azo andraisam-bahiny maro ny trano naorin’ny tena fahendrena.

Efa vonona ny zava-drehetra hanaovana fety. Efa eo ny hena sy ny divay. Nomanin’ny fahendrena manokana mihitsy ny sakafo sy ny latabatra. “Efa namono ny bibiny sy nangaroharo ny divainy izy ary efa namelatra ny latabany koa”. (Ohabolana 9:2) Azo inoana fa misy sakafo ara-panahy mila saintsainina tsara eo amin’io latabatra ara-panoharana io.​—Isaia 55:1, 2.

Iza no nasaina hanatrika ilay fety nomanin’ny tena fahendrena? “Ary efa naniraka ny ankizivaviny izy; miantso eny an-tampon’ny fitoerana avo any an-tanàna izy ka manao hoe: Izay kely saina, dia aoka izy hankaty; ary amin’izay tsy ampy saina dia hoy izy: Avia, hano ny mofoko, ary sotroy ny divay voaharoharoko. Ilaozy ny kely saina, dia ho velona hianao, ary mizora amin’ny làlan’ny fahalalana.”​Ohabolana 9:3-6.

Nirahin’ny fahendrena hanasa olona ny ankizivaviny. Nankeny amin’ny toerana faleham-bahoaka izy ireo, satria eny izy ireo no afaka miantso olona faran’izay betsaka. Asaina ny rehetra​—izay “tsy ampy saina”, na “tsy ampy fo” (NW ), izany hoe tsy ampy fahaiza-mahataka-javatra, sy ireo tsy za-draharaha. (Ohabolana 9:4) Ary ampanantenaina fiainana izy ireo. Azo antoka fa saika ny rehetra no afaka mahazo ny fahendrena raketin’ny Tenin’Andriamanitra, anisan’izany ny ao amin’ny Ohabolana. Amin’izao andro izao, dia revo manasa olona hatraiza hatraiza mba hianatra Baiboly ny Vavolombelon’i Jehovah, izay iraky ny tena fahendrena. Ahazoana fiainana mandrakizay tokoa ny fandraisana an’io fahalalana io.​—Jaona 17:3.

Tsy maintsy manaiky amim-panetren-tena ny fananaran’ny fahendrena ny Kristianina, indrindra fa ny tanora sy ireo vao nanomboka nianatra momba an’i Jehovah. Mety ho “tsy ampy fo” izy ireo, satria tsy mahafantatra tsara ny lalan’Andriamanitra. Tsy hoe ratsy daholo akory ny antony manosika azy ireny, fa mitaky fotoana sy ezaka kosa ny fanovana ny toe-po mba hampifaly marina an’i Jehovah Andriamanitra. Araka izany, dia tsy maintsy ampifanarahina amin’izay ankasitrahan’Andriamanitra ny eritreritra sy ny faniriana ary ny firaiketam-po sy ny zava-kendrena. Tena ilain’izy ireo mihitsy ny ‘maniry ny rononom-panahy tsy misy fitaka’.​—1 Petera 2:2.

Tsy tokony hiana-javatra lalina kokoa noho ny ‘abidim-pianarana’ ve isika rehetra, raha ny marina? Tena tokony hamboly fahalianana amin’ny “saina lalina izay an’Andriamanitra” isika, ka hihinana ny ventin-kanina izay natao ho an’ny olona matotra. (Hebreo 5:12–6:1; 1 Korintiana 2:10) Miasa mafy manome sakafo ara-panahy ara-potoana ho an’ny rehetra ny “mpanompo mahatoky sy malina”, tarihin’i Jesosy Kristy mivantana. (Matio 24:45-47, NW ) Aoka isika hankafy sakafo eo amin’ny latabatry ny fahendrena, izany hoe hazoto hianatra ny Tenin’Andriamanitra sy ny zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly omen’ny kilasin’ny mpanompo.

“Aza mananatra ny mpaniratsira”

Manitsy sy mananatra koa ny fahendrena, rehefa mampianatra. Tsy ny rehetra no manaiky izany mora foana. Koa mifarana amin’izao fampitandremana izao àry ny tapany voalohany amin’ny Ohabolana: “Izay mananatra ny mpaniratsira dia afa-baraka; ary izay mananatra ny ratsy fanahy dia hahazo tsiny. Aza mananatra ny mpaniratsira hianao, fandrao halany”.​Ohabolana 9:7, 8a.

Mitahiry lolompo sy fankahalana an’izay miezaka hanampy azy hanitsy ny diany ny mpaniratsira. Tsy takatry ny ratsy fanahy fa sarobidy ny fananarana. Tsy fahendrena mihitsy ny miezaka mampianatra ny fahamarinana kanton’ny Tenin’Andriamanitra amin’ny olona mankahala na maniratsira azy io fotsiny! Nifanena tamin’ny Jiosy tsy tia fahamarinana ny apostoly Paoly, rehefa nitory tany Antiokia. Nanohitra ny tenin’i Paoly sady niteny ratsy izy ireo mba hampidirana azy tao amin’ilay adihevitra, nefa hoy fotsiny izy: “Fa rehefa mandà [ny tenin’Andriamanitra] hianareo ka manao ny tenanareo ho tsy miendrika hahazo fiainana mandrakizay, dia, indro, mitodika mankany amin’ny jentilisa izahay”.​—Asan’ny Apostoly 13:45, 46.

Enga anie isika ka hitandrina mba tsy hiady hevitra na hifanditra amin’ny mpaniratsira, rehefa miezaka mitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana amin’ny olona tso-po. Nibaiko ny mpianany i Kristy Jesosy hoe: “Raha vao miditra ao amin’ny trano hianareo, dia miarahabà ny ao. Koa raha miendrika ny ao an-trano, dia aoka ho ao aminy ny fiadanana tononinareo; fa raha tsy miendrika izy, dia aoka hiverina aminareo ny fiadanana voatononareo. Ary izay tsy hampandroso anareo, na tsy hihaino ny teninareo, raha miala amin’izany trano na tanàna izany hianareo, dia ahintsano ny vovoka amin’ny tongotrareo.”​—Matio 10:12-14.

Mifanohitra amin’ny fihetsiky ny mpaniratsira ny fihetsiky ny hendry mahazo fananarana. Hoy i Solomona: “Ny hendry no anaro, dia ho tiany hianao. Toroy ny hendry, dia hihahendry izy”. (Ohabolana 9:8b, 9a) Fantatry ny hendry fa “ny famaizana rehetra dia tsy mba atao ho mahafaly andro anaovana, fa mampahory; fa rehefa afaka izany, dia vao mitondra ny vokatry ny fahamarinana hiadanana ho an’izay nanaovana azy izy”. (Hebreo 12:11) Tokony hamaly faty na hiaro tena ve isika, raha fantatsika fa hampahahendry antsika ny fanarahana ilay torohevitra, na dia mety hahasosotra aza ilay izy?

“Ampianaro ny marina, dia hitombo saina izy”, hoy ihany ilay mpanjaka hendry. (Ohabolana 9:9b) Mila mianatra foana ny olona na dia hendry sy antitra toy inona aza. Mahafinaritra tokoa ny mahita fa na ny zokiolona aza dia manaiky ny fahamarinana, ka manolo-tena ho an’i Jehovah! Enga anie isika koa ka haniry hianatra sy hampiasa ny saintsika foana.

‘Hamaroina ny taona iainanao’

Asongadin’i Solomona ny hevi-dehiben’ilay famelabelarana: Ny zavatra takina mba hahazoana fahendrena. Nanoratra izy hoe: “Ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahendrena; ary ny fahafantarana ny Iray Masina no fahazavan-tsaina.” (Ohabolana 9:10) Tsy afaka mahazo fahendrena araka an’Andriamanitra ny olona iray, raha tsy matahotra sy manaja lalina Azy. Na dia mety hanam-pahalalana toy inona aza ny olona iray, dia tsy hahay hampiasa izany ho voninahitry ny Mpamorona izy, raha tsy matahotra an’i Jehovah. Mety hanatsoaka hevi-diso avy amin’ny zavatra fantany mihitsy aza izy, ka ho toy ny adala. Tena ilaina koa anefa ny fahalalana an’i Jehovah, ilay Avo Indrindra, mba hahaizana mahataka-javatra, toetra mampiavaka ny fahendrena.

Inona no vokatry ny fahendrena? (Ohabolana 8:12-21, 35) Hoy ilay mpanjakan’ny Isiraely: “Izaho no hampitomboana ny andronao sy hanamaroana ny taona hiainanao.” (Ohabolana 9:11) Andro maro sy taona ela iainana no vokatry ny fiarahana amin’ny fahendrena. Eny, “maharo ny ain’ny manana azy ny fahendrena”.​—Mpitoriteny 7:12.

Anjarantsika tsirairay ny miezaka hahazo fahendrena. Manantitrantitra izany i Solomona, ka manao hoe: “Raha hendry hianao, dia hendry ho an’ny tenanao ihany; fa raha maniratsira kosa hianao, dia hianao ihany no hiharan’izany.” (Ohabolana 9:12) Soa ho an’ny hendry ny fahendreny, ary ny ataon’ny mpaniratsira ihany no mampijaly azy. Mijinja izay afafintsika tokoa isika. Koa aoka àry isika ‘hanongilan-tsofina amin’ny fahendrena’.​—Ohabolana 2:2.

“Ny fahadalana dia toy  ny vehivavy vavana”

Mifanohitra amin’izany ny nolazain’i Solomona manaraka. Hoy izy: “Ny fahadalana dia toy ny vehivavy vavana; kely saina izy ka tsy mahalala na inona na inona. Fa mipetraka eo am-baravaran’ny tranony izy, ary amin’ny seza eny amin’ny fitoerana avo eo an-tanàna, mba hiantso ny mpandalo izay mizotra amin’ny alehany, ka manao hoe: Aoka hivily atỳ izay kely saina”.​Ohabolana 9:13-16a.

Aseho ho toy ny vehivavy iray basivava sy manao izay danin’ny kibony ary ketrina ny fahadalana. Nanorina trano koa izy. Ary izy mihitsy no miantso izay kely saina, na tsy za-draharaha. Koa afaka mifidy àry ny mpandalo. Ho any amin’ny fahendrena ve izy ireo sa ho any amin’ny fahadalana?

“Mamy ny rano angalarina”

Samy manasa ny mpihaino ho any aminy ny fahendrena sy ny fahadalana. Tsy mitovy anefa ny fomba hanintonany olona. Manasa ny olona ho amin’ny fety misy divay sy hena ary mofo ny fahendrena. Tahaka ny fanaon’ny vehivavy maloto fitondran-tena kosa ny fisarihan’ny fahadalana. Hoy i Solomona: “Amin’izay tsy ampy saina dia hoy izy: Mamy ny rano angalarina, ary fy ny mofo hanina amin’ny fiafenana.”​Ohabolana 9:16b, 17.

Tsy divay voaharoharo no omen’ny “fahadalana”, fa rano angalarina. (Ohabolana 9:13) Oharin’ny Soratra Masina amin’ny fisotroana rano mamelombelona ny fanaovana firaisana amin’ny vady malala. (Ohabolana 5:15-17) Mampiseho firaisana maloto atao an-kiafina, araka izany, ny rano angalarina. Lazaina fa fy ireny rano ireny​—tsara noho ny divay​—satria nangalarina; sady toa tsy tratra ilay mpangalatra. Lazaina fa matsiro kokoa noho ny mofo sy ny henan’ny fahendrena ny mofo hanina miafina, satria fotsiny hoe nangalarina ilay izy. Adala izay mihevitra fa manintona ny zavatra voarara sy miafina.

Mampanantena fiainana ny fahendrena rehefa manasa. Tsy milaza izay vokatry ny fanarahana azy kosa ny vehivavy adala. Mampitandrina anefa i Solomona hoe: “Tsy fantany fa ny maty no ao, ary any amin’ny halalin’ny fiainan-tsi-hita ny olona nasainy.” (Ohabolana 9:18) “Tsy trano fa fasam-be mirenty no ipetrahan’ny [fahadalana]”, hoy ny nosoratan’ny manam-pahaizana iray. “Tsy ho tafavoaka velona avy ao ianao.” Tsy fahendrena ny manana fitondran-tena maloto, fa mahafaty.

Hoy i Jesosy Kristy: “Midira amin’ny vavahady èty hianareo; fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny làlana izay mankany amin’ny fahaverezana, ka maro ny miditra any. Fa èty ny vavahady, ary tèry ny làlana izay mankany amin’ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy.” (Matio 7:13, 14) Enga anie isika ka hisakafo foana eo amin’ny latabatry ny fahendrena, ka ho anisan’ireo manaraka ny lalana mankany amin’ny fiainana.

[Sary, pejy 31]

Anjaran’ny tsirairay ny miezaka hahazo fahendrena

[Sary, pejy 31]

Manaiky fanitsiana ny olona hendry