Ohabolana 4:1-27

  • Torohevitry ny ray (1-27)

    • Miezaha hanana fahendrena (7)

    • Halaviro ny lalan’ny ratsy fanahy (14, 15)

    • Mihamazava tsikelikely ny lalan’ny marina (18)

    • “Arovy ny fonao” (23)

4  Henoy, anaka, ny anatry ny ray.+Mihainoa tsara, dia hahira-tsaina ianareo,   Fa homeko torohevitra tsara ianareo,Ka aza lavina ny fampianarako.*+   Tena zanaka hendry aho tamin’ny raiko,+Ary izaho ilay tena tian’ny reniko.+   Nampianarin’ny raiko aho hoe: “Ataovy ao am-ponao foana ny teniko.+ Araho foana ny didiko, dia ho ela velona ianao.+   Miezaha hanana fahendrena sy ho lasa mahira-tsaina.+ Aza hadinoina ary aza ialana ny teniko.   Aza mahafoy ny fahendrena, dia hiaro anao izy. Tiavo izy, dia hambenany tsara ianao.   Ny fahendrena no zava-dehibe indrindra,+ ka miezaha hanana fahendrena.Ary ankoatra an’izay efa azonao rehetra, dia miezaha ho lasa mahira-tsaina.+   Hevero ho sarobidy be ny fahendrena, dia hataony misandratra ianao.+ Homeny voninahitra ianao satria tena tia azy.+   Hasiany fehiloha tsara tarehy ny lohanao,Ary horavahany satroboninahitra tsara tarehy ianao.” 10  Mihainoa, anaka, ary ekeo ny teniko,Dia hihamaro ny taona hiainanao.+ 11  Hatoroko anao ny lalan’ny fahendrena.+Hotarihiko handeha eo amin’ny lalan’ny fahitsiana ianao.+ 12  Rehefa mandeha ianao, dia tsy hisy hanembantsembana,Ary raha mihazakazaka ianao, dia tsy ho tafintohina. 13  Tazòny mafy ny anatra* omena anao ka aza avotsotra.+ Arovy izy fa ainao.+ 14  Aza mankany amin’ny lalan’ny ratsy fanahy,Ary aza mandeha eny amin’ny lalan’ny olon-dratsy.+ 15  Halaviro ny lalany fa aza arahina.+Mivilia ary aza mandalo eny.+ 16  Fa tsy matory izy ireny raha tsy avy manao ratsy, Ary tsy mahita tory raha tsy avy mamingana olona. 17  Amin’ireny, dia hoatran’ny mihinana mofo ny manao ratsy,Ary hoatran’ny misotro divay ny mampiasa herisetra. 18  Ny lalan’ny marina kosa toy ny hazavan’ny maraina,Izay mihamazava tsikelikely mandra-pahatoandron’ny andro.+ 19  Mitovy amin’ny haizim-pito ny lalan’ny ratsy fanahy.Tsy fantany akory izay mahatafintohina azy. 20  Henoy, anaka, ny teniko.Henoy tsara izay* lazaiko. 21  Afantohy amin’izany foana ny masonao,Dia ataovy ao am-ponao foana izany.+ 22  Fa ho velona izay mahita an’izany,+Ary ho salama tsara ny vatany manontolo.* 23  Arovy ny fonao, mihoatra noho izay rehetra tokony harovana,+Fa avy ao aminy ny loharanon’aina. 24  Ataovy fady anao ny mandainga,+Ary ataovy lavitra anao ny milaza teny mamitaka. 25  Ataovy mijery tsara ny any aloha ny masonao,Eny, afantohy any aloha ny masonao.*+ 26  Ataovy tsy misy mikitoantoana* izay andehanan’ny tongotrao,+Dia ho azo antoka tsara ny lalanao rehetra. 27  Aza mivily miankavanana na miankavia.+ Aza avela ho any amin’ny ratsy ny tongotrao.

Fanamarihana

Na: “lalàko.”
Na: “fifehezana; famaizana.”
Abt: “Atongilano ny sofinao amin’izay.”
Abt: “nofony rehetra.”
Na: “ny masonao baribary.”
Na mety hoe “Diniho tsara.”