Ohabolana 29:1-27
29 Izay efa nanarina imbetsaka nefa mbola mafy loha* ihany,+Dia ho torotoro tampoka ka tsy ho sitrana intsony.+
2 Faly ny vahoaka rehefa be dia be ny olo-marina,Fa mitaraina kosa izy ireo rehefa ny ratsy fanahy no mitondra.+
3 Mampifaly ny rainy ny olona tia fahendrena,+Fa mandanilany ny harenany kosa izay miaraka amin’ny mpivaro-tena.+
4 Lasa milamina ny tany rehefa manao ny rariny ny mpanjaka,+Fa mandrava azy kosa ny olona tia kolikoly.
5 Izay mandokadoka ny namany,Dia mamelatra harato hamandrihana ny tongotr’ilay namany.+
6 Mamandrika ny tenany ny olon-dratsy rehefa mandika lalàna,+Fa mifaly sy mihoby kosa ny olo-marina.+
7 Manaja ny zon’ny mahantra ny olo-marina,+Fa tsy miraharaha an’izany kosa ny ratsy fanahy.+
8 Mampikorontana ny iray tanàna ny mpirehareha,+Fa mampitony hatezerana kosa ny hendry.+
9 Raha miady amin’ny adala eny amin’ny fitsarana ny hendry,Dia tsy hisy zava-banona satria hitabataba sy hanesoeso fotsiny ilay adala.+
10 Mankahala an’izay tsy manan-tsiny* ny mpandatsa-dra,+Ka te hamono an’ireo olo-marina.*
11 Avoakan’ny adala daholo ny hatezerany,*+Fa mahatsindry fo kosa ny hendry.+
12 Raha mihaino lainga ny mpitondra,Dia ho ratsy fanahy daholo ny mpanompony.+
13 Izao no mampitovy* ny mahantra sy ny mpampijaly:
I Jehovah no manome hazavana ho an’ny mason’izy ireo.*
14 Raha mitsara ny mahantra ara-drariny ny mpanjaka,+Dia ho mafy orina foana ny seza fiandrianany.+
15 Ny tsorakazo* sy ny anatra no mampahahendry,+Fa ny zaza avela hanaram-po kosa mahamenatra ny reniny.
16 Mitombo ny fandikan-dalàna rehefa mihabetsaka ny ratsy fanahy,Nefa ho hitan’ny olo-marina fa ratsy ny hiafaran’ireny.+
17 Faizo ny zanakao, dia hampilamin-tsaina anao izy,Sady tena hahafinaritra anao.+
18 Samy manao izay tiany fotsiny ny olona rehefa tsy misy fahitana,*+Fa sambatra kosa izay manaraka ny lalàna.+
19 Tsy hanaiky hahitsy ny mpanompo raha tenenina fotsiny,Satria na azony tsara aza izany, dia tsy ankatoaviny.+
20 Mahita olona faingam-bava ve ianao?+
Ny tsisy saina aza mbola misy antenaina noho izy.+
21 Raha nampihantaina hatramin’ny mbola kely ny mpanompo,Dia tsy hahay hankasitraka izy rehefa any aoriana any.
22 Mampisy ady izay mora tezitra,+Ary manao fahadisoana be dia be izay mora misafoaka.+
23 Hietry izay manambony tena,+Fa hahazo voninahitra kosa izay manetry tena.+
24 Mankahala ny tenany izay miray tsikombakomba amin’ny mpangalatra.
Mety hasaina hijoro ho vavolombelona* izy, saingy tsy miteny na inona na inona.+
25 Fandrika ny tahotra olona,*+Fa izay matoky an’i Jehovah kosa no ho voaro.+
26 Maro no mangataka hiresaka amin’ny* mpitondra,Nefa amin’i Jehovah ihany ny olona no mahazo rariny.+
27 Izay manao ny tsy rariny dia maharikoriko ny olo-marina,+Fa ny olo-marina koa maharikoriko ny ratsy fanahy.+
Fanamarihana
^ Abt: “manamafy hatoka.”
^ Na: “tsy misy tsiny.”
^ Na mety hoe “Fa te hiaro ny ainy kosa ny olo-marina.”
^ Na: “ny ao am-pony.” Abt: “ny sainy.”
^ Abt: “Mihaona.”
^ Izany hoe manome azy ireo fiainana.
^ Na: “famaizana.”
^ Na: “fahitana hitan’ny mpaminany; tari-dalana avy amin’Andriamanitra.”
^ Na: “hasaina hianiana sy hiozona.”
^ Na: “ny mangovitra eo anatrehan’ny olona.”
^ Na mety hoe “mila sitraka amin’ny.” Abt: “mitady ny tarehin’ny.”