Salamo 121:1-8

  • Miambina ny vahoakany i Jehovah

    • “Avy amin’i Jehovah no ahazoako fanampiana” (2)

    • Tsy matory mihitsy i Jehovah (3, 4)

Hira Fiakarana. 121  Manopy maso eny amin’ny tendrombohitra aho.+ Avy aiza no hahazoako fanampiana?   Avy amin’i Jehovah no ahazoako fanampiana,+Avy amin’ilay Mpanao ny lanitra sy ny tany.   Tsy havelany hibolisatra* mihitsy ny tongotrao.+ Tsy ho rendremana mihitsy Ilay mpiambina anao.   Tsia! Tsy ho rendremana mihitsy na hatoryIlay mpiambina ny Israely.+   I Jehovah no miambina anao. I Jehovah no manome alokaloka+ anao, eo ankavananao.+   Tsy hamely anao ny masoandro rehefa antoandro,+Ary tsy haninona anao ny volana rehefa alina.+   Hiambina anao mba tsy hiharan’ny loza mihitsy i Jehovah.+ Hiaro ny ainao izy.+   Hiambina anao i Jehovah amin’izay rehetra ataonao,*Manomboka izao ka ho mandrakizay.

Fanamarihana

Na: “hangozohozo.”
Abt: “na mivoaka ianao na miditra.”