Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

Fanitsakitsaham-bady

Fanitsakitsaham-bady

Dradradradraina hatraiza hatraiza hoe tokony hifanaja ny mpivady. Mbola maro anefa ny tokantrano rava, noho ny fanitsakitsaham-bady.

Inona no atao hoe fanitsakitsaham-bady?

INONA NO LAZAIN’NY OLONA?

Tsy mampaninona ny olona any amin’ny tany sasany raha manao firaisana amin’ny olona tsy vadiny ny olona iray, indrindra ny lehilahy. Misy aza mihevitra fa tsy natao haharitra ny fanambadiana.

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

Manitsakitsa-bady ny olona iray rehefa manao firaisana amin’olon-kafa ankoatra ny vadiny. (Joba 24:15; Ohabolana 30:20) Tena halan’Andriamanitra ny fanitsakitsaham-bady. Nomelohina ho faty izay nanao an’izany, tany Israely fahiny. (Levitikosy 18:20, 22, 29) Nilaza tamin’ny mpanara-dia azy i Jesosy fa tsy tokony hanitsakitsa-bady izy ireo.—Matio 5:27, 28; Lioka 18:18-20.

NAHOANA IZANY NO ILAINA FANTARINA?

Tsy manaja ny voady nataony tamin’ny vadiny ny olona manitsakitsa-bady. ‘Manota amin’Andriamanitra’ koa izy. (Genesisy 39:7-9) Ary raha misaraka izy mivady, dia lasa tafasaraka amin’ny ray aman-dreniny ny ankizy. Milaza koa ny Baiboly fa “homelohin’Andriamanitra” ny mpanitsakitsa-bady.—Hebreo 13:4.

“Aoka ho mendri-kaja eo imason’ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandrianan’ny mpivady.”Hebreo 13:4.

Tsy maintsy misaraka ve ny mpivady raha nanitsakitsaka ny iray?

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

Milaza ny Baiboly fa mahazo misaraka amin’ny vadiny ny olona iray, raha nanitsakitsaka azy ilay vadiny. (Matio 19:9) Anjaran’ilay vady tsy manan-tsiny ny misafidy raha hisaraka amin’ny vadiny izy na tsia. Izy ihany no manana zo hanapa-kevitra ny amin’izany.—Galatianina 6:5.

Amin’Andriamanitra dia masina ny fanambadiana, ary natao haharitra mandra-pahafaty. (1 Korintianina 7:39) Halany raha mitady hisaraka amin’ny vadiny ny olona iray, noho ny antony tsy dia manao ahoana loatra, ohatra hoe tsy tiany intsony ny vadiny. Tsy tokony hataotao foana àry izany misara-panambadiana izany.—Malakia 2:16; Matio 19:3-6.

“Izay lehilahy misaraka amin’ny vadiny, afa-tsy noho ny fijangajangana ihany, dia mety hahatonga an-dravehivavy hanitsakitsa-bady.”Matio 5:32.

Tsy ho voavela heloka intsony ve ny olona nanitsakitsa-bady?

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

Mamindra fo Andriamanitra rehefa mibebaka ilay olona ka tsy mamerina ny fahadisoany intsony, anisan’izany ny fanitsakitsaham-bady. (Asan’ny Apostoly 3:19; Galatianina 5:19-21) Resahin’ny Baiboly mihitsy aza fa lasa naman’Andriamanitra ny olona sasany rehefa tsy nanitsakitsa-bady intsony.—1 Korintianina 6:9-11.

Namindra fo tamin’i Davida, mpanjakan’ny Israely fahiny, Andriamanitra. Nanao firaisana tamin’ny vadin’ny miaramilany anankiray izy, ary ratsy teo imason’Andriamanitra izany. (2 Samoela 11:2-4, 27) Nibebaka i Davida rehefa nanarina, ary namela azy Andriamanitra. Tsy maintsy nizaka ny vokatry ny nataony anefa izy. (2 Samoela 12:13, 14) “Tsy ampy saina izay manitsakitsa-bady”, hoy i Solomona mpanjaka hendry.—Ohabolana 6:32.

INONA NO AZONAO ATAO?

Mila mangata-pamelana amin’ny vadinao sy amin’Andriamanitra ianao, raha nanitsakitsa-bady. (Salamo 51:1-5) Ankahalao ny fanitsakitsaham-bady. (Salamo 97:10) Aza mijery sary vetaveta, na manonofinofy momba ny firaisana, na miadaladala amin’olon-kafa, na manao zavatra mety hahatonga anao haniry hanao firaisana amin’olona tsy vadinao.—Matio 5:27, 28; Jakoba 1:14, 15.

Ahoana indray raha nanitsakitsaka anao ny vadinao? Matokia fa mahatakatra ny fihetseham-ponao Andriamanitra. (Malakia 2:13, 14) Mivavaha aminy dia hampahery anao izy, ary hitari-dalana sy “hanohana anao.” (Salamo 55:22) Raha nanapa-kevitra ianao fa hamela ny vadinao sady tsy hisaraka aminy, dia mila miezaka mafy ianareo mivady mba hanamafy ny fifankatiavanareo indray.—Efesianina 4:32.

Hoy i Natana mpaminany tamin’i Davida, rehefa nibebaka izy: “Mamela ny fahotanao i Jehovah.”2 Samoela 12:13.