Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

MIFOHAZA! JONA 2015

 MATOAN-DAHATSORATRA | FOMBA DIMY HANATSARA NY FAHASALAMANAO

Fomba Dimy Hanatsara ny Fahasalamanao

Fomba Dimy Hanatsara ny Fahasalamanao

MARO, hono, no te ho Rasalama fa tsy avelan’ny aretina. Ary rehefa marary ianao dia sorisorena sady lany vola. Mety tsy ho afaka hiasa koa ianao, na hianatra, na hikarakara ny fianakavianao. Angamba aza ianao mila olona hikarakara anao, ary mety ho lany vola be amin’ny fanafody sy ny fitsaboana.

Fandre matetika ny hoe: “Aleo misoroka toy izay mitsabo.” Marina fa tsy azo ialana ny aretina sasany. Betsaka anefa ny zavatra azonao atao mba hisorohana aretina, na mba tsy hahatonga an’ilay izy hihombo. Andeha isika handinika dimy amin’izany.

 1 TANDROVY NY FAHADIOVANA

Milaza ny Hopitaly Mayo fa ny fanasana tanana no “anisan’ny fomba tsara indrindra hisorohana aretina sy tsy hampiely azy ireny.” Ho mora voan’ny sery na gripa ianao raha mikitikitika ny oronao na ny masonao, nefa ny tananao misy mikraoba. Sasao matetika àry ny tananao, satria izany no fiarovan-tena tsara indrindra. Mety tsy hifindra koa ny aretina lehibe hafa, toy ny pnemonia sy ny aretim-pivalanana, raha mitandro ny fahadiovana isika. Ankizy latsaka ny dimy taona miisa roa tapitrisa mahery mantsy, isan-taona, no matin’ireo aretina ireo. Na ny areti-mandoza toy ny Ebola aza tsy dia hiparitaka loatra, raha zatra manasa tanana ny olona.

Tena ilaina ny manasa tanana amin’ny fotoana sasany, mba hitandroana ny fahasalamanao sy ny an’ny hafa. Tokony hanasa tanana ianao rehefa:

  • Avy any an-kabine.

  • Avy manolo tantin-jaza na avy manampy azy hipipỳ na hikakà.

  • Hitsabo fery sy aorian’izay.

  • Hamangy na hikarakara marary sy aorian’izay.

  • Hikarakara sakafo sy handroso an’izany ary hisakafo.

  • Avy mievina, na mikohaka, na manisin-delo.

  • Avy mikasikasika biby na taim-biby.

  • Avy manary fako.

Tokony hosasana tsara koa ny tanana. Hita tamin’ny fanadihadiana fa tsy manasa tanana, na zara fa manasa, ny ankamaroan’ny olona rehefa avy nivoaka tany amin’ny kabine iombonana. Ahoana àry no tokony hanasana ny tanana?

  • Lemo amin’ny rano madio ny tananao ary asio savony.

  • Ampifampikoseho ny tananao mba handroatra tsara ny savony, ary ataovy mandritra ny 20 segondra izany, fara fahakeliny.

  • Aza hadinoina ny manadio ny hoho, ny ankihibe, ny ao ambadiky ny felatanana, ary ny eny anelanelan’ny rantsana.

  • Kobano amin’ny rano madio avy eo.

  • Fafao amin’ny lamba madio ny tananao aorian’izay.

Tsotra kely izany nefa misoroka aretina sady mamonjy aina.

 2 MAMPIASÀ RANO MADIO

Raharaha tsy maintsy atao isan’andro ny mantsaka rano, any amin’ny firenena sasany. Sarotra foana anefa ny mahita rano madio, rehefa misy tondra-drano, rivo-doza, paompy vaky, sy ny sisa. Ny rano tsy azo antoka na tsy voaro tsara, dia mety hahatonga ny olona hisy kankana, ho voan’ny kôlerà, aretim-pivalanana, tefoedra, hepatita, na aretina hafa. Voalaza fa olona 1 700 tapitrisa no voan’ny aretim-pivalanana, isan-taona, noho ny rano tsy azo antoka.

Betsaka ny zavatra azonao atao mba hisorohana aretina, na mba tsy hahatonga an’ilay izy hihombo

Matetika ny olona no tratran’ny kôlerà, raha nisy dikin’olona efa voan’io aretina io ny rano nosotroiny na ny sakafo nohaniny. Inona àry no azonao atao mba ho azo antoka foana ny rano sotroinao, eny fa na dia aorian’ny loza araka ny natiora aza?

  • Rano madio ampiasaina rehefa miborosy nify, manamboatra glaçon, manadio sakafo, mahandro, manasa vilia, sy ny sisa. Azo ampiasaina, ohatra, ny rano madio amin’ny paompy, na ny rano amin’ny tavoahangy vokarin’ny orinasa.

  • Ampangotraho aloha ny rano vao ampiasaina, raha tsy azo antoka intsony. Azo atao koa ny mampiasa fanadiovana rano.

  • Isaky ny mampiasa fanadiovana rano ianao, dia araho tsara ny toromarika avy amin’ny orinasa mpanamboatra azy.

  • Mampiasà fitaovana fanatantavanana rano, raha misy any aminareo izy ireny sady takatry ny volanao.

  • Mampiasà ranon-javely raha tsy mahita fomba hafa hanadiovana rano ianao. Ataovy indroa mitete isaky ny rano iray litatra izany, afangaroy tsara, ary aza ampiasaina raha tsy afaka antsasak’adiny.

  • Tehirizo tsara ny rano efa voadio mba tsy ho voaloto indray, ohatra hoe atao ao anaty zavatra misarona.

  • Diovy tsara ny zinga na ny fitaovana hafa anovozana rano.

  • Ataovy madio tsara ny tanana, rehefa mandray an’ireny fitaovana fitehirizana rano ireny, ary aza tsabahina ny rano fisotro.

 3 TANDREMO NY SAKAFO

Tsy ho salama mihitsy ianao, raha tsy voafidy tsara sy voalanjalanja ny sakafo haninao. Aza mahery mihinan-tsira sy menaka ary siramamy, ary aza mihinana be loatra rehefa misakafo. Mihinàna voankazo sy legioma, ary ovaovao ny zavatra haninao. Ahoana kosa no ahazoana proteinina? Mihinàna trondro indroa isan-kerinandro raha azo atao. Ataovy kely kosa ny hena hafa, ary aza mihinana hena matavy. Azo atao koa ny mihinana voamaina.

Mety hatavy loatra ianao raha be siramamy na menaka avy amin’ny biby ny sakafonao. Rano tsotra àry sotroina fa tsy zava-pisotro mamy. Tsara koa raha voankazo no atao tsindrin-tsakafo fa tsy zava-mamy. Aza mahery mihinana menaka avy amin’ny biby. Ahitana an’izany, ohatra, ny saosisy, hena, dibera, mofomamy, fromazy, ary ny biskoỳ. Menaka mahasalama kosa ampiasaina rehefa mahandro sakafo.

Mampiakatra tosidra ny sira rehefa tafahoatra. Mitandrema àry mba tsy ho be loatra ny sira haninao. Azo atao solon’ny sira ny zava-manitra mampahatsiro sakafo.

Tsy ny zavatra hanina ihany anefa no ilana fitandremana fa ny habetsahany koa. Aza mihinana intsony rehefa tsy maheno noana.

Anisan’ny olana lehibe koa ny sakafo mankarary. Mety hitranga izany raha tsy voakarakara tsara ny sakafo, na tsy nety tsara ny fomba nitehirizana azy. Milaza ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana fa olona an-tapitrisany, isan-taona, no marary noho ny sakafo nohaniny. Misy mba sitrana ihany, fa ny sasany maty mihitsy. Inona àry no azonao atao?

  • Sasao tsara ny legioma alohan’ny hikarakarana azy ireny, satria mety ho nasiana zezi-pahitra ny tany nambolena azy.

  • Isaky ny hikarakara zavatra iray ianao, dia sasao amin’ny rano mafana misy savony ny tananao sy ny zavatra fitetehana sakafo ary ny fitaovana hafa.

  • Sasao aloha ny toerana na vilia nisy atody na hena manta vao ametrahana sakafo. Tsy hidiran’ny mikraoba ilay sakafo amin’izay.

  • Ataovy masaka tsara ny sakafo. Ataovy ao anaty vata fampangatsiahana ny sakafo mora simba, raha mbola tsy hohanina.

  • Aza tehirizina ela ny sakafo mora simba, rehefa tsy nampidirina tao anaty vata fampangatsiahana. Aza tehirizina mihoatra ny adiny roa ilay izy raha tsy dia mafana loatra ny andro. Tsy tokony hihoatra ny adiny iray kosa izany raha mafana be ny andro.

 4 MANAOVA FANATANJAHAN-TENA

Mila manao fanatanjahan-tena tsy tapaka isika, na antitra na tanora, raha te ho salama sy tomady. Olona maro izao no tsy ampy fanatanjahan-tena. Tena ilaina anefa ny manao an’izany mba:

  • Hahita tory tsara.

  • Havitribitrika.

  • Tsy hatavy loatra.

  • Tsy ho ketraka lava.

  • Tsy ho faty aloha be.

  • Hatanjaka tsara ny taolana sy ny hozatra.

Raha tsy zatra manao fanatanjahan-tena kosa ianao, dia atahorana:

  • Harary fo.

  • Ho voan’ny diabeta.

  • Ho ambony tosidra.

  • Ho be kolesterola.

  • Ho tapaka lalan-dra.

Arakaraka ny taonan’ny olona sy ny fahasalamany ny fanatanjahan-tena mety aminy. Tsara àry raha manontany dokotera ianao, vao manao fanatanjahan-tena tsy mahazatra anao. Tokony hanao fanatanjahan-tena adiny iray isan’andro, fara fahakeliny, ny ankizy sy ny tanora. Tokony hataony antonontonony ilay izy amin’ny voalohany, ary avy eo mafimafy kokoa. Ny olon-dehibe kosa tokony hanao fanatanjahan-tena antonontonony mandritra ny adiny roa sy sasany isan-kerinandro, na fanatanjahan-tena mafimafy kokoa mandritra ny adiny iray sy fahefany.

Izay fanatanjahan-tena mahafinaritra anao atao, ohatra hoe manao dia maika, mandeha bisikileta, manao zaridaina, mikapa kitay, milomano, mitondra lakana, mihazakazaka, manao baskety, tenisy, na baolina kitra. Ahoana no ahafantarana raha antonontonony na mafimafy ilay fanatanjahan-tena ataonao? Antonontonony ilay izy raha mahatsemboka. Mafimafy kosa ilay izy raha sempotra ianao manao azy ka tsy mahavita miresaka intsony.

 5 MIEZAHA HO AMPY TORIMASO

Tsy mitovy ny habetsahan’ny torimaso ilain’ny olona, isan’andro. Adiny 16 ka hatramin’ny 18 ny an’ny zaza menavava. Adiny 14 eo ho eo kosa ny an’ny ankizy herintaona ka hatramin’ny telo taona. Ny telo taona ka hatramin’ny efa-taona indray mila matory adiny 11 na 12 eo ho eo. Adiny 10, fara fahakeliny, ny an’ny ankizy efa-taona no ho miakatra. Adiny 9 na 10 eo ho eo ny an’ny tanora, ary adiny 7 na 8 ny an’ny olon-dehibe.

Tena ilaina ny manao ampy torimaso, fa tsy hoe miankina amin’ny safidin’ny tsirairay. Ireto avy ny soa azo avy amin’izany, hoy ny manam-pahaizana:

  • Ho afaka hianatra sy hitadidy zava-baovao.

  • Hatanjaka tsara ary tsy hatavy loatra.

  • Tsy ho tratran’ny aretim-po.

  • Hisoroka aretina.

  • Hitombo ara-dalàna ny ankizy sy ny tanora.

Ny olona tsy ampy torimaso mazàna no lasa matavy be, ketraka lava, marary fo, voan’ny diabeta, na iharan-doza. Zava-dehibe àry ny manao ampy torimaso.

Inona no azonao atao raha tsy mety ampy torimaso ianao?

  • Miezaha hatory sy hifoha amin’ny ora mitovy, isan’andro.

  • Ataovy maizimaizina sy tsy andrenesana tabataba ny efitra atoriana ary ataovy mampahazo aina. Tsara koa raha antonony ny hafanana ao.

  • Aza mijery tele na mampiasa fitaovana elektronika rehefa eo am-pandriana.

  • Ataovy mampahazo aina tsara ny fandriana.

  • Aza mihinana sakafo saro-devonina na misotro kafe sy zava-pisotro misy alkaola, alohan’ny hatory.

  • Mety hoe efa nampihatra an’ireo ianao nefa mbola tsy ampy torimaso foana na koa manana olana hafa, ohatra hoe te hatory be mandritra ny andro na sempotra rehefa matory. Ilaina amin’izay ny manatona dokotera.

Fanampim-panazavana

MIFOHAZA!

Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Fahadiovana?

Diniho ny torohevitry ny Baiboly momba ny fahadiovana. Olona an-tapitrisany no nandray soa tamin’izany.

MIFOHAZA!

Azo Atao ny ho Salama Kokoa

Tsy hain’ny olona maro fa misy vokany eo amin’ny fahasalamany ny fahazarany. Jereo ato ireo fomba dimy hanampy anao sy ny fianakavianao hisoroka aretina sy ho salama kokoa.

MIFOHAZA!

Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Fahasalamana?

Fantaro izay lazain’ny Baiboly momba ny aretina sy ny fitsaboana.