Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

MIFOHAZA! JONA 2015

 FIANARANA AVY TAMIN’NY LASA

Galilée

Galilée

Nanana ny fampianarany momba an’izao rehetra izao ny Eglizy Katolika. Nifanohitra tamin’izany anefa ny zavatra hitan’ireo mpahay siansa sy filozofa eoropeanina, teo anelanelan’ny taona 1300 sy 1600. Anisan’ireny i Galilée, izay nahita zava-baovao rehefa nandinika ny lanitra.

NINO ny olona maro, talohan’ny andron’i Galilée, fa mihodina manodidina ny tany ny masoandro sy ny planeta ary ny kintana. Anisan’ny foto-pampianaran’ny Eglizy Katolika izany.

Nifanohitra tamin’izany fampianarana naelin’ny mpahay siansa izany ny zavatra hitan’i Galilée tamin’ny teleskaopiny. Nandinika an’ireo pentina eo amin’ny masoandro, ohatra, izy. Hoatran’ny hoe mihodidina ny masoandro izy ireo. Hitan’i Galilée anefa fa hay ny masoandro no mihodina amin’ny tenany. Nahita raharaha tamin’ny Eglizy Katolika izy noho ireny voka-pikarohana ireny. Nahalalana zavatra betsaka momba an’izao rehetra izao anefa izy ireny.

NY SIANSA SY NY FIVAVAHANA

Voaporofon’i Galilée fa marina ny fampianaran’i Nicolas Copernic, ilay manam-pahaizana poloney momba ny kintana sy ny planeta. Efa am-polony taona talohan’io mantsy i Copernic no nilaza fa mihodina manodidina ny masoandro ny tany. Tsy sahy namoaka ampahibemaso ny voka-pikarohany sasany i Galilée tamin’ny voalohany. Nanahy mantsy izy sao  hesoin’ny olona. Nahafaly azy loatra anefa ny zavatra hitany tamin’ny teleskaopy, ka tsy vitany ny tsy hiresaka an’ilay izy. Nanafintohina ny mpahay siansa sasany izany, ary na ny mpitondra fivavahana aza nanaratsy an’i Galilée rehefa nitory teny.

Teolojianina nalaza fahiny ny Kardinaly Bellarmin. Nilaza tamin’i Galilée izy tamin’ny 1616 fa namoaka didy nanohitra ny hevitr’i Copernic ny Eglizy. Nanizingizina koa izy fa tokony hanohana an’izany didy izany i Galilée. Nandritra ny taona maro àry i Galilée no tsy niresaka ampahibemaso intsony hoe mihodina manodidina ny masoandro ny tany.

Tamin’ny 1623 no nandray fahefana ny Papa Urbain Faha-8, izay naman’i Galilée. Nangataka taminy àry i Galilée tamin’ny 1624, mba hanafoana an’ilay didy tamin’ny 1616. Tsy nanaiky anefa izy. Nasainy nanazava ny fampianaran’i Copernic sy Aristote kosa i Galilée sady tsy navelany hanohana na iza na iza tamin’izy roa lahy, na dia nifanohitra aza ny fampianaran’izy ireo.

Nanoratra an’ilay boky hoe Adihevitra Momba ny Firafitr’izao Tontolo Izao (italianina) i Galilée, taorian’izay. Mbola hita ihany anefa hoe nanohana ny hevitr’i Copernic izy tao amin’io bokiny io. Nilaza ny fahavalon’i Galilée fa naniratsira ny papa ilay boky. Nampangaina ho mpivadi-pinoana izy, ka norahonana hoe hampijalijalina. Voatery nanda ny fampianaran’i Copernic àry izy. Nanameloka azy higadra mandra-pahafatiny ny Fitsarana Katolika, tamin’ny 1633, ary voarara ny asa sorany. Tao amin’ilay tranony tao Arcetri, any akaikin’i Florence, no nitanana azy, ary tao izy no maty tamin’ny 8 Janoary 1642.

Niaiky ny Papa Jean-Paul II tamin’ny 1992, fa diso ny Eglizy Katolika nanameloka an’i Galilée

Tsy azon’ny Katolika novakina ny asa soratra sasany nataon’i Galilée, nandritra ny taonjato maro. Namerina nandinika an’ilay didy navoakan’ny Fitsarana Katolika anefa ny Eglizy, tamin’ny 1979, izany hoe 300 taona tatỳ aoriana. Niaiky ny Papa Jean-Paul II tamin’ny 1992, fa diso ny Eglizy Katolika nanameloka an’i Galilée.