Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Mifohaza!  |  Jona 2015

Ilay Trondro Mpanamboatra Fasika

Ilay Trondro Mpanamboatra Fasika

EFA noeritreretinao ve hoe ahoana no nampisy ny fasika? Ho gaga angamba ianao raha ilazana hoe misy trondro mahay manamboatra azy ireny. Tsy inona izany fa ilay trondro atao hoe kongotry. Mikepokepoka haran-dranomasina izy io, dia iny no lasa fasika madinika kely.

Atỳ amin’ny ranomasin’ny tany mafana no tena ahitana ny kongotry. Matanjaka be ny valanoranony sy ny nifiny, ka mahavita mitsakotsako haran-dranomasina. Ireo ahidrano ihany no tazonin’ny vatany, fa ilay haran-dranomasina efa lasa fasika kosa avoakany. Mahatratra 20 taona ny kongotry sasany vao maty, nefa tsy simba mihitsy ny nifiny.

Mahery mihinana haran-dranomasina efa maty ny kongotry any amin’ny toerana sasany, ka betsaka noho ny an’ny biby hafa ny fasika vitany. Milaza ny manam-pahaizana fa misy kongotry mahavita fasika 100 kilao eo ho eo, isan-taona.

Kongotry matromatroka

Manao asa hafa tena ilaina koa ny kongotry. Manadio ny haran-dranomasina koa mantsy izy ireo rehefa mihinana ahidrano. Hoy ny boky Zavamananaina eny Amin’ny Haran-dranomasina (anglisy): “Misy milaza fa tsy ho toy izao hitantsika izao ny haran-dranomasina raha tsy teo ireo trondro mpihinana zavamaniry.” Mora tototry ny ahidrano mantsy ny haran-dranomasina.

Miasa be ny kongotry mandritra ny andro, ka mila miala sasatra rehefa alina. Tsy maintsy eny amin’ny harambato izy no misitrika, satria betsaka ny biby mpihinana azy. Tsy maharo azy anefa izany, rehefa sendra antsantsa tena noana izy.

Mbola mahita fomba hafa hiarovan-tena koa ny kongotry rehefa alina, ary tena mahavariana ilay izy. Mamoaka dity tsy misy lokony izy mba handrakofana ny vatany. Milaza ny mpandinika ny zavaboary any an-dranomasina fa afaka miaro azy amin’ny biby mpiremby io dity io satria maimbo be.

Anisan’ny trondro mora tazana sy manaitra ny maso ny kongotry. Mareva-doko izy io na lahy na vavy, ary maromaro ny loko eo aminy. Miovaova izany rehefa mihalehibe izy. Fa ny tena mahafinaritra dia ilay izy tsy matahotra olona rehefa any amin’ny toerana tsy be mpanjono.

Tsy hohadinoin’ny mpikaroka mihitsy ny hoe nahita kongotry sy ny nandre azy ireo nitsamontsamona haran-dranomasina. Hoatran’ny hoe mampidera ny lokony fotsiny ny kongotry rehefa mivezivezy etsy sy eroa. Manasoa ny haran-dranomasina koa anefa izy amin’ireny, mba ho afaka hankafy an’izany ny olona sy ny zavaboary hafa.