VALIN’IREO FANONTANIANA ARA-BAIBOLY

Mamela ny Olona Hisara-panambadiana ve ny Baiboly?

Malagasy
Mamela ny Olona Hisara-panambadiana ve ny Baiboly?
https://cms-imgp.jw-cdn.org/img/p/502012499/univ/art/502012499_univ_sqr_xl.jpg
ijwbq lahatsoratra 17

Mamela ny Olona Hisara-panambadiana ve ny Baiboly?

Mamela ny Olona Hisara-panambadiana ve ny Baiboly?

Valiny ara-baiboly

 Mamela ny mpivady hisaraka ny Baiboly, kanefa antony iray ihany no ahafahany misaraka. Hoy i Jesosy: “Izay misaraka amin’ny vadiny ka manambady olon-kafa, dia manitsakitsa-bady, raha tsy hoe noho ny fijangajangana [firaisana amin’ny olona tsy vadiny] ihany angaha no antony isarahany.”—Matio 19:9.

 Halan’Andriamanitra ny olona fetsifetsy sy mamitaka mba hahafahana misara-panambadiana. Hataony ampamoaka izay olona mandao ny vadiny tsy amin’antony, indrindra raha hoe noho izy te hiaraka amin’olon-kafa no mahatonga azy hanao izany.—Malakia 2:13-16; Marka 10:9.